Index

Proverbs : omby

Proverb 1Antibavy kendan-drano : lany raha niangonana. [1.147 #A81]
Antidahy kendan-drano: lany raha niangoana. [2.165]
Malagasy interpretationAnti-dahy kendan-drano, lany rehaka. + Ny rano no sisa zavatra ireharehan-drangahy, fa hany sisa laniny, fa ny zavatra rehetra efa tsy omby ny tendany avokoa; nefa io indray aza nahakenda azy. [2.165]

Proverb 2Ataonao ho omby tsy enin-drano ve aho, ka hisotro ranon-tambiazona ? [2.653 #298]

Proverb 3Entam-panjozoro : bataina, tsy zakan’ irery ; aiditra, tsy omby varavarana; ataina, tsy mahaloaka alina. [2.653 #871, 2.974]
Entam-panjozoro : batain-tsy zakan' ny irery ; aiditra, tsy omby varavarana ; ataina, tsy mahaloaka alina. [2.415]
Entam-ponjozoro : bataina tsy zakan' ny irery, aiditra tsy omby varavarana, fa nony ataina indray alina monja. [2.558 #70]
Mivongovongo foana hoatry ny entam-panjozoro : batain-tsy zakan' ny irery ; aiditra, tsy omby varavarana ; ataina, tsy mahaloaka alina. [2.415]
Mivongovongo foana toy ny anten-jozoro : entina tsy zakan' ny irery, aiditra tsy omby varavarana, ataina tsy mahaloaka alina. [2.558 #2528]
Mivongovongo foana, ohatra ohatra entam-panjozoro: entina, tsy zakan’ ny irery ; aiditra, tsy omby varavarana; ataina, tsy mahiloaka alina. [2.653]
Toy ny entan-jozoro: bataina, tsy zakan' ny irery; aiditra, tsy omby varavarana; ataina, tsy mahaloaka alina. [2.165]
French translationComme un paquet de zozoro : un seul homme ne peut le transporter ; la porte d’une maison est trop petite pour le laisser passer; mais quand on le fait flamber, il ne suffit même pas pour une nuit. [2.974 #338]
Paquet de moelles de joncs : quand on veut le soulever, une seule personne n' arrive pas à le faire ; quand on veut l' introduire dans la maison, il ne peut pas passer par la porte ; mais quand on le brûle pour la cuisine, il ne suffit pas pour une nuit. [2.415 #5897]
Pareil à une botte de souchets: on ne peut ni la porter seul, ni la faire entrer par la porte, et si on les brûle, il n' y en a pas assez pour durer toute la nuit. [2.165]
French interpretationBeaucoup d' apparence, mais peu de réalité. [2.415 #5897]

Proverb 4Lohan' aomby roa tsy omby vilany raika. [1.147 #L43]

Proverb 5Omby zato tsy nampihosy, ka efa iray sisa vao manenjan-tsikina! [2.558 #3445]

Proverb 6Omena manta : " tsy omby vilany " ; omena masaka : " sisa tsy lany " . [2.415 #1465, 2.653 #2571]
Omena ny manta ka hoe : tsy omby vilany, omena ny masaka, lazaina ho sisa tsy lany. [2.558 #3444]
Rafozana be menomenona: anaterana ny masaha, lazainy "sisa tsy lany"; anaterana ny manta, lazainy "tsy omby vilany". [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza olona sarotra omena fahafahampo, be fanakianana na inona inona atao aminy. [1.1]
French translationDonnez-leur quelque chose qui n'a pas passé au feu, ils disent qu' on le donne parce que la marmite n' a pas pu le contenir ; donnez-leur quelque chose qui est cuit, ils disent qu' on "leur donne des restes. [2.415 #1465]
French interpretationCe proverbe, dont le sens général s'applique aux gens qui ne sont jamais contents, se disait surtout des beaux-parents qui avaient la réputation d'être exigeants. [2.415 #1465]

Proverb 7Raha avy ny loza ny patsa iray tsy omby vava. [2.558 #3556]
Raha avy ny loza, ny patsa iray tsy omby vava, ny tain’ akoho mahatafintohina. [2.415 #2655, 2.653 #2641]
Raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava, ny tain' akoho mahata-fintohina. [2.165]
French translationQuand le malheur est là, une chevrette est trop grande pour la bouche, et un excrément de poulet vous fait tomber. [2.165]
Quand vient l'adversité, une chevrette est trop grande pour la bouche, et une fiente de poule fait trébucher. [2.415 #2655]
French interpretationDans le malheur, rien ne réussit et on appréhende tout ; le chagrin ferme la bouche et rend faible. [2.415 #2655]

Proverb 8Raha tataka omby tondro, dia tataka omby loha ; ary raha tataka omby loha, dia tataka omby lena, toy ny rano am-pasika. [2.653, 2.974]
Raha tataka omby tondro, dia tataka omby loha; ary raha tataka omby loha, dia tataka omby tena. [2.165 #1364]
Raha tataka omby tondro, dia tataka omby loha, raha tataka omby loha dia tataka omby tena, toy ny rano am-pasika. [2.558 #3660]
French translationUne ouverture ou le doigt peut entrer est bientôt une ouverture où peut passer la tête ; et quand la tête y passe, c’est bientôt tout le corps qui peut s’y introduire, — telle l’eau dans le sable. [2.974 #226]
Un trou grand comme le doigt deviendra bientôt assez grand pour que la tête puisse y passer; et par un trou où la tête peut passer, le corps tout entier passera bientôt. [2.165]
French interpretationLes petits commencements peuvent mener loin, surtout dans le mal. [2.165]

Proverb 9Raha tsy hety ny atao, ny tain’ akoho aza maha-tafintohina, ny patsa iray tsy omby vava ; ary raha hety kosa ny atao, ny saobakaka aza mampidi-dranon-ketsa, ny hazo tandrano mody andevolahy. [2.415 #2239, 2.653 #2719]
Raha tsy mety ny atao, tain' akoho aza manatintohina, ny patsa iray tsy omby vava, ary raha mety kosa ny atao, ny saobakaka aza mampidin-dranon-ketsa. [2.558]
French translationSi l' entreprise ne doit pas réussir, une fiente de poule suffit pour faire trébucher et une chevrette est trop grosse pour la bouche ; si au contraire, elle doit réussir il suffit d' un crapaud pour arroser les pépinières de riz et une souche d' arbre retirée des rizières se change en esclave. [2.415 #2239]
French interpretationUn rien suffit lorsque la destinée est de réussir. [2.415 #2239]

Proverb 10Rivotra an-kadilanana : ny avy avy ihany, ny tsy avy misesika ihany koa. [2.558 #3758]
Rivotra an-kadilanana : ny tsy avy avy, ny avy dia miohatra. [2.415]
Toy ny rivotra an-kadilanana : ka manao tsy omby aloha (ny eo aloha tsy lasa ny aoriana misesika ihany. [2.558]
Toy ny rivotra an-kadilanana: ny avy avy, ary ny tsy avy misesika ihany. [2.165 #2273]
Toy ny rivotra an-kadilanana: ny tsy avy avy, ny avy miohatra. [2.653]
Toy ny rivotra an-kadilanana : ny tsy avy avy, ny avy miohatra ihany. [2.558]
Toy ny rivotra an-kadilanana: ny tsy avy avy, ny sisa manaraka ihany. [2.653]
French translationComme le vent dans un étroit passage: ce qui vient, vient, et ce qui reste suit aussi. [2.165]
Vent dans un passage qui n' est pas abrité : ce qui ne souffle pas encore soufflera, et ce qui souffle passera par-dessus. [2.415 #2744]
French interpretationIl y aura toujours du vent dans ce passage ; de même on ne peut pas éviter les vicissitudes de la vie. [2.415 #2744]
Un malheur ne vient jamais seul. [2.165]

Proverb 11Sarotr' entina toy ny rafozam-be tsiny: omena ny manta, "Tsy omby vilany" ; omena ny masaka, "Sisa tsy lany" . [2.165]
French translationDifficile à contenter comme des beaux-parents qui trouvent toujours à redire: on leur offre de la viande crue, (et ils disent): "C' est ce que vous n' avez pu mettre dans la marmite" ; on leur en donne de la cuite, (ils répondent): "Ce sont des restes!". [2.165]

Proverb 12Satroka nindaom-papango, latsaka ambody saina : tsy very fa nomby an-taniny. [1.147 #S25]

Proverb 13Sotro vokaka, ka ny tsy omby ny kibo aohatra ny loha. [2.558]

Proverb 14Tadinin’ aomby : taloha nomby afara. [1.147 #T5]

Proverb 15Taloha nomby afara karaha tadiñin' aomby. [2.165]
Malagasy interpretationAloha tonga aoriana toy ny sofin' omby (milaza ny fanaovana marika amin' ny sofiny). + Ny sofin' ny omby dia isan' ny tafavoaka aloha miaraka amin' ny lohany raha vao teraka ny omby; nefa izy indray no mila fanamboarana atý aoriana rehefa tapahin' ny tompony araka izay marika tiany. Raha ampitahaina indray ny sofiny sy ny tandrony; dia ny tandrony izay vao nitsimoka taty aoriana indray no miohatra azy, fa izy tsy mitombo hoatrinona akory. Hany ka taloha tonga aoriana izy. [2.165]

Proverb 16Toy ny rano am-pasika; raha tataka omby tondro, dia tataka omby loha; ary raha tataka omby loha, dia tataka omby tena. [2.165]
French translationComme de l'eau dans le sable: si elle trouve une ouverture grande comme le doigt, elle en fera bientôt une autre grande comme la tête; et enfin, une aussi grande que le corps. [2.165]
French interpretationSe dit, au figuré, des fautes légères qui peuvent conduire aux péchés les plus graves. [2.165]

Proverb 17Toy ny tongotra mby an-dakana, ka tsy azo averina. [2.653 #3241, 2.974 #235]
Toy ny tongotra mby an-dakana, ka tsy azo averina intsony. [2.558 #4330]
Tomboke avy an-daka tsy mimpoly an-tete koa. [1.68]
Tomboke fa an-daka tsy mimpoly koa. [1.68]
Tongotra mby an-dakana itý. [1.1]
Tongotra mby an-dakana, ka tsy mahazo mifody intsony. [2.165 #731]
Tongotra mby an-dakana ka tsy miverina intsony. [1.1]
Tongotra mby an-dakana, tsy azo averina intsony. [2.415 #3309]
Tongotr' omby an-dakana, ka tsy mimpody intsony. [2.415 #3309]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny olona efa eo am-pivononana handeha ka saro-miverina. [1.1]
Zavatra efa notinapaka ary efa vita daholo ny fiomanana ny amin' izany ka tsy azo ahemotra intsony. [1.1]
English translationYour feet are already in the canoe. [1.7]
English interpretationYou are on your way now. [1.7]
French translationComme le pied déjà posé dans la pirogue : plus moyen de reculer. [2.974 #235]
Pieds dans la pirogue ne retournent plus au village. [1.68]
Une fois que le pied est dans la barque, on ne peut pas revenir en arrière. [2.415 #3309]
Une fois que le pied est dans la pirogue, on ne revient plus en arrière. [1.68]
Une fois qu' on a les pieds dans le canot, on ne peut plus revenir en arrière. [2.165]
Vous avez les pieds dans la pirogue. [1.8]
French interpretationIl faut finir une affaire commencée et on ne revient pas sur me affaire conclue. [2.415 #3309]
Proverbe très employé pour marquer la persévérance ou la ténacité; correspond à: quand le vin est tiré, il faut le boire. [2.165]
Vous voilà bien parti, vous ne pouvez plus reculer. [1.8]

Proverb 18Tolona tsy omby tratra. [2.415 #795, 2.558 #269]
French translationLa lutte contre les chefs est une lutte au-dessus des forces de la poitrine. [2.415 #795]
French interpretationLe pot de terre contre le pot de fer. [2.415 #795]

Proverb 19Tsy miandry omby lavitra ny tanàna, tsy milalao lavitra ny vohitra. [2.653 #3503]
Tsy miandry omby lavitry ny tanàna, tsy milalao lavitry ny vohitra. [2.558]

Proverb 20Tsy ny kely vao raisina no maharesy ahy, fa ny be omby ao an-karona. [2.415 #4410, 2.653 #3566]
Tsy ny kely voaray no maharesy ahy, fa ny be mby an-karona. [2.165 #1347]
Tsy ny kely voaray no maharesy, fa ny be efa mby an-karona. [2.558 #4772]
French translationCe n' est pas le peu que vous venez de prendre qui me fait perdre, c' est la grande quantité déjà au panier. [2.415 #4410]
Ce n' est pas sur le surplus que vous venez de prendre que je perds, mais sur ce que vous avez dans votre corbeille. [2.165]
French interpretationLe marchand disait ces paroles à l'acheteur, pour signifier qu' il vendait trop bon marché. [2.415 #4410]
Parole adressée par un marchand de riz à un client qui a acheté du riz bon marché et qui pourtant prend encore une ou deux poignées par-dessus le marché. [2.165]

Proverb 21Tsintsina mitondra sompanga: ny taona dia zina, fa ny kibo hasiana no tsy misy. [2.653 #3320]
Tsintsina mitondra sompanga : ny taona dia zina fa tsy omby ny kibo. [2.558 #4450]
Tsintsina mitondra sompanga : tongan' ny aina, fa tsy omby ny vava. [2.558 #4451]
Tsintsina nahazo sompanga: nahazo lehibe, fa tsy omby ny kibo. [2.415 #5880, 2.653 #3321]
Tsintsina nitondra sompanga : ny taona dia zina, fa ny kibo hasiana no tsy misy. [2.415 #2410]
Tsintsina nitondra sompanga : tongan' ny aina, fa tsy omby vava. [2.415 #5880, 2.653]
Tsintsina nitondra sompanga: tongan' ny ainy, fa tsy omby ny vavany. [2.165]
French translationPetit oiseau qui porte de grosses sauterelles : c' est un temps d' abondance, mais il n' a pas de ventre pour les mettre. [2.415 #2410]
Petit oiseau tsintsina qui a pris une grosse sauterelle sompanga il a pris une grosse proie, mais son ventre ne peut pas la contenir. [2.415 #5880]
Un "tsintsina" (petit oiseau) portant une "sompanga" (grosse sauterelle): il a été assez fort pour l' apporter, mais elle est trop grosse pour son bec. [2.165]
French interpretationAvoir des yeux plus gros que le ventre. [2.165]
Les yeux plus gros que le ventre. [2.415 #5880]

Proverb 22Vitsika nahazo valala: tonga ny entana, fa ny vava no tsy omby. [2.165 #637]
Vitsika nahazo valala : zakan' ny aina fa tsy omby ny vava. [2.558 #4957]
French translationDes fourmis qui ont pris une sauterelle; le butin est arrivé, mais la bouche est trop petite (pour le manger). [2.165]

Proverbs : omby#mg.n

Proverb 1Andry ombin' ankizy, ka raha tsy afa-po mifamerina. [2.558 #247]
Ny fitia toy ny andry ombin' ankizy : afa-po dia misaraka, tsy afa-po mifamerina. [2.415 #5117]
French translationL' amour, c'est comme les enfants qui gardent les boeufs : si on en a assez, on se sépare ; si on n' en a pas assez, on se donne encore rendez-vous. [2.415]
French interpretationAllusion aux enfants qui jouent ensemble en gardant les boeufs. [2.415]

Proverb 2Andry ombin' Ifiringa adala, ka ny aloha voatora-tandroka, ary ny aoriana voafola-drambo. [2.165]
Andry ombin' Ifiringa adala, ny aloha voatoran-tandroka, ny aoriana voafola-drambo. [2.558]
French translationFiringa le sot (ou le cruel) gardant les bœufs: il lance des pierres aux cornes de ceux qui vont devant, et il tord la queue de ceux qui vont derrière. [2.165]
French interpretationCe n' est pas ainsi qu' il faut traiter les bœufs. [2.165]

Proverb 3Andry ombin' Imalemifanahy : ny noana voasafosafo, ny voky voalambolambo. [2.558 #249]

Proverb 4Aomby bory manonofy tandroka, manonofy raha tsy ho azo. [1.147 #A97]

Proverb 5Aombilahy be ti-hinon-drano, tsy manan-kasaina ka manira-batana. [1.147 #A105]

Proverb 6Aombilahy marangitra, tsy mifidy tany hiadiana. [1.147 #A102]

Proverb 7Aombilahy nihaotra an-tanimena, mavon’ ny nataony. [1.147 #A101]

Proverb 8Aombilahy tapa-tandroka, very fahahy mbola velona. [1.147 #A106]

Proverb 9Aombilahy valo tsy vala raika. [1.147 #A104]

Proverb 10Aombilahy vanga, tsara morika tsara mivalana. [1.147 #A103]

Proverb 11Aomby lava hotro, fangalàna ny zanany. [1.147 #A98]

Proverb 12Aomby mahia be tandroka, indao an-daiha. [1.147 #A95]

Proverb 13Aza atao andry ombin' ilay adala, ka ny aloha voatora-tandroka, ary ny aoriana voafola-drambo ; fa ataovy andry ombin' ilay mora, ka ny aloha voakahankahana, ny aoriana voasafosafo. [2.415]
Aza atao andri-ombin’ ilay adala, ka ny aloha voa-tora-tandroka, ary ny aoriana voahavokavoka ; fa ataovy andry ombin’ ilay mora, ka ny aloha voakahankahana, ny aoriana voasafosafo. [2.653 #336, 2.415]
French translationNe gardez pas les boeufs comme ce sot qui lance des pierres aux comes de ceux qui sont devant et frappe ceux qui sont derrière ; mais imitez la douceur de celui qui appelle ceux qui vont trop vite et caresse ceux qui sont derrière. [2.415]
French interpretationSe disait de la manière de traiter et de conduire les gens : il ne faut pas les traiter avec méchanceté. [2.415 #2064]

Proverb 14Aza manao ombin’ Imarovatana : sady mahalany ahitra iray lohasaha no mahalany mangahazom-bola folo ; nefa tsy hita izay taviny, fa ny kibony ihany no mihalehibe. [2.653, 2.415]
Aza manao ombin' Imarovatana : sady mahalany ahitra iray lohasaha no mahalany mangahazom-bolafolo, nefa tsy hita izay taviny, fa ny kibony no mihalehibe. [2.558]
French translationNe soyez pas comme les boeufs d'Imarovatana : ils mangent à la fois l' herbe de toute une vallée et du manioc pour deux piastres et demie, et cependant on ne voit pas qu' ils engraissent, il n' y a que leur ventre qui grossisse. [2.415]
French interpretationSe disait de ceux qui, malgré tous les soins, ne paient pas de retour. [2.415 #5432]

Proverb 15Aza manao tsitsik’ Ibetsileo: "Ny ombin’ Ikoto any Ikoto ; ny an’ olona koa any Ikoto". [2.653 #539]
Aza manao tsitsik' ombin' Ibetsileo: ny ombin' Ikoto an' Ikoto ihany, ary ny ombin' olona an' Ikoto koa. [2.165]
French translationNe jurez pas comme les Betsileo à propos des bœufs: les bœufs d' Ikoto sont à Ikoto, et ceux des autres seraient aussi à Ikoto. [2.165]

Proverb 16Fahy ombin' Imboarina ka ny trafony ihany no miedinedina. [2.558 #1057]
Fahy ombin’ Imboarina: ny trafony ihany no miedinedina. [2.653]

Proverb 17Fiandry ombin' Ikotoadala, ka ny aloha voatora-tandroka, ary ny aoriana voafola-drambo ; fiandry ombin' Ilaisalama, ka ny kely voasafosafo, ary ny lehibe voatehatehaka. [2.415 #2076]
Fiandry ombin' ilay Firinga, ka ny aloha voatora-tandroka, ary ny aoriana voafola-drambo ; fiandry ombin' Ilaisalama, ka ny kely voasafosafo, ary ny lehibe voatehatehaka. [2.415 #2076]
French translationIkoto l' imbécile, gardien de boeufs : ceux qui sont devant, il leur jette des pierres aux cornes et ceux qui sont derrière, il leur tire la queue ; Laisalama au contraire, caresse les petits et encourage les grands de la main. [2.415]
French interpretationSe disait de la manière de traiter les gens. [2.415 #2076]

Proverb 18Moa dia fitia te-hihinan-kena ve no hamonoana ny ombin' Andriana marani-tsofina. [2.558 #2535]
Moa dia ny fitia te-hihinan-kena va no hamonoana ny ombin’ Andriana marani-tsofina ? [2.653]

Proverb 19Nahoana no atao terak' ombin' Ambohimahagaga, ka ny tsy mianaka no ampinonoina ? [2.165 #1507, 2.558 #2670]
Nahoana no atao terak’ ombin’ Ambohimahagaga: ny tsy mianaka no ampinonoina ? [2.653 #2030]
French translationPourquoi dites-vous que ce sont des bovidés d' Ambohimahagaga, et faites-vous téter la vache par un veau qui n' est pas le sien propre? [2.165]
French interpretationAmbohimahagaga est une localité fictive et veut dire "la ville merveilleuse" . Il arrive souvent dans les proverbes que, pour rendre ou illustrer une certaine idée, on forge un mot ad hoc (de localité ou de personne). [2.165]

Proverb 20Ny havana ataovy toy ny andry ombin' ilay mora: ny aloha voasafosafo, ary ny aoriana voatehatehaka. [2.165]
French translationTraitez vos parents (ou vos amis) comme un doux pâtre traite ses bœufs: il caresse ceux qui vont devant et il tapote ceux qui viennent derrière. [2.165 #197]

Proverb 21Ravim-bomangan' Ivakiniadiana ka marani-tsofina tsy ombin' Andriana. [2.558 #3732]
Ravimbomangan' Ivakiniadiana ; mirani-tsofina tsy ombin’ Andriana. [2.653 #2775]

Proverb 22Tiana ny terak' ombin' Ikaky, fa raha mandaka kapohina. [2.558 #267, 2.653 #3094, 2.415]
French translationJ' aime les veaux de mon père ; mais s' ils donnent des ruades, je les frappe. [2.415 #6489]
French interpretationOn a beau aimer quelqu'un, on ne peut pas tout lui passer. [2.415 #6489]

Proverb 23Tolon' ombiny Manendy: masoandro no fetra. [2.653 #3114]
Tolon' ombin' ny Manendy, ka ny masoandro mody no fetrany. [2.558 #270]
Tolon' ombin' ny Manendy : masoandro no fetra. [2.415 #3521]
French translationCourses de boeufs des Manendy : cela dure toute la journée tellement ils s' y passionnent. [2.415]

Proverb 24Tsara volana imaso. [2.415 #4960]
Tsara volana imaso, tahaka ny ombin' Imantasoa. [2.558 #4415]
Tsara volan’ imaso, ohatra ny ombin’ Imantasoa. [2.653]
French translationQui donne de bonnes paroles en face. [2.415 #4960]
French interpretationSe disait des hypocrites. [2.415 #4960]

Proverb 25Tsy maniry adin' ombin' olona fa manana an' i Marosada. [2.558 #4535]