| Entry | 1 maty | 
| Root | 2 faty | 
| Part of speech | 3 participle | 
| Explanations in Malagasy | 4   Afaka aina, tsy velona intsony: Maty omaly ilay sakanay be volo Voakapoka mafy: Matin' i Dada aho raha manao izany Tsy afa-miasa tsy afa-mihetsika, tsy mandeha simba: Maty ny tongony ilany ka mandringa izy ~ Maty ny famantaranandroko ~ Maty feo ny anao fa nikiahiaka loatra Tsy mirehitra intsony, milentika, tsy hita intsony (afo, masoandro, volana): Omeo afo kely aho fa maty ny sigarako ~ Efa maty ny masoandro Lany, very, resy an-doka: Maty ariary zato tamin' ny loka izy Tsy ampiasaina intsony, nofoanana, tsy andehanana intsony, tsy miasa intsony: Lalana efa maty izany ~ Fiteny maty izany Asiana izaitsizy: Matin' ny hafanana aho izany Tia zavatra efa izaitsizy; entanin-javatra mihoa-pampana: Matin' ny filan-dera ny anao ka nandray ny kihony ~ Matin-kambo ~ Matimatim-boninahitra [1.1] | 
| Explanations in English | 5   dead [1.2, 1.7] 6 gone out as a lamp, or a fire [1.2] 7 paralyzed (of the limbs) [1.7] | 
| Explanations in French | 8   mort [1.3#437, 1.8, 1.196] 9 paralysé (se dit des membres du corps) [1.8] 10 paralysé [1.196] | 
| Examples | 11   Tsy te-ho faty aho!
[2.529] 12 voatsipy tany anaty rano avokoa, hono, izy rehetra ka maty. [2.293] 13 Maty marina ireo olona ireo, tompoko! [2.324] 14 Saika maty aho lahy, hoy aho anakampo, raha raikitra tamin' ireny teo! [2.4] 15 Asa na maty izy izay na mbola velona soa aman-tsara ihany. [2.470] | 
| Morphology | 
 | 
| Derivatives | 
 | 
| All compound words | 23 142 combinations of this word | 
| Analogs | 24 dangy, diso, fohatra, jedana, jihitra, jingy, lasaanyaminnyvarotsymifody, lasaanyankoatra, lasanandriamanitra, lasankorazana, latsakaaina, mandryaoambanyrangolahy, manjahana, miamboho, miondambatomangatsiaka, mitsitra, modimandry, nivoakanyvaravarankazokaniditranyvaravarambato, nodyvovoka, tapitraandro, tsymiaina, tsytradrano, rabevoina, ratompokolahy, ratompokovavy | 
| Proverbs | 25 Proverbs containing that word | 
| Anagrams | 26 maty, 27 mita, mità, 28 tamy | 
| Updated on 2025/10/18 |   |