|
|
|
|

Entry (1/2)1  ririnina
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3 Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany) [1.1]
Explanations in English  4 winter, the cold and dry season [1.7]
Explanations in French  5 l'hiver, la saison froide et sèche [1.8]
Examples  6  natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina. [2.470]
7  Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo. [2.472]
Morphology 
8  Simple :
9  Prefixed :
Derivatives 
Active verbs :
Names :
Vocabulary  12  Time 13  Geography: (in general)
Synonyms  14 main-tany
Analogs  15  fahavaratra, 16  fararano, 17  lohataona
All compound words  18  13 combinations of this word
Proverbs  19  Proverbs containing that word

Entry (2/2)20  Ririnina
Elementary words  21 ririnina
Part of speech  22  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  23  Literature: poems
Author  24 Andrianjatovo Haëckel
Text  25  Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga
26  No be sorisory sy maloka lava?
27  Somparan'ny rahona ka tsy mitranga
28  Ny fara-masoandro natao hanazava
29 
30  Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo
31  Ny vony mivelatra, radon'ny saha?
32  Finaokan'ny rivotra fa efa malazo
33  Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha
34 
35  Mangina ny feo mikotaba ao an'ony
36  Fitopa malefaka sy eri-mitaika
37  No reko mahalana, tony dia tony
38  Nankaiza ny riana mahery fiantraika?
39 
40  Ny tampon-tanety nahoana no ngazana?
41  Ny tendron-kavoana no mangadihady?
42  Mahaiza mandinika rehefa mitazana
43  Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady
44 
45  Izany ka izany no tsy andrenesana
46  Ny vazon'ny vorona zatra mihira
47  Matahotra hatsiaka sy fahafatesana
48  Ka lasa mihataka arý an-dakira
49 
50  Izany ka izany no tsy ahitana
51  Aina marisika, vonon-kiasa
52  Ny andro kanefa dia mbola hafana
53  Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa

Anagrams  Ririnina, ririnina

Updated on 2025/11/21