Entry miandry (andry)
Part of speech   active verb
Malagasy definition   Mijanona eo amin' ny toerana anankiray ambara-pahatongan' ny olona na zavatra iray: Miandry ny zanaho eto aho / Enimpolo taona no niandry ny fahafahana ny Malagasy
¶ Tsy miala eo amin' ny toerana iray na eo ankilan' ny olona na zavatra iray mba hiambina azy: Miandry ny entanay any an-tsena izy
¶ Mitily olon-dratsy: Miandry mpangalatra
¶ Mitoetra eo ankilan' ny marary iray mba hikarakara azy: Iza no hiandry an-drainareo eny amin' ny hopitaly rahariva? [Rajemisa 1985]
English translation   to wait, to be expecting; to wait for, to expect, to watch, to tend, to herd. [Richardson 1885]
   to watch, to guard; to wait, to wait for [Hallanger 1973]
French translation   attendre; surveiller, garder [Hallanger 1974]
Morphology  
miandry
niandry
hiandry
miandrasa
Compound words, titles, names  
Quotes  

Updated on 2014/10/01