| Entry (1/4) | 1 tany |
| Part of speech | 2 noun |
| Explanations in Malagasy |
3 Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan' ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly
4 Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon' io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian' ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka 5 Tanety (mifanohitra amin' ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina 6 Faritany: Madagasikara dia anisan' ny tany mafana 7 Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo 8 Ny olona miara-mipetraka amin' ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra [1.1] |
| Explanations in English |
9 earth, soil, land; a country, a nation
[1.7] |
| Explanations in French |
10 terre, sol; pays, nation
[1.8] 11 terre, sol, terrain [1.13] |
| Vocabulary | 12 Geography: (in general) |
| Analogs | 13 tanimanga, 14 tanimangampoza, 15 taniravo |
| All compound words | 16 281 combinations of this word |
| Proverbs | 17 Proverbs containing that word |
| Entry (2/4) | 18 tany |
| Elementary words | 19 t~, 20 any |
| Part of speech | 21 adverb, past form [Full list] |
| Explanations in Malagasy |
22 Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina
[1.1] |
| Examples |
23 na tany aho na tsy tany tsy ho kely be nenina moa hianao? [2.131] |
| All compound words | 24 tany an-tendrony |
| Entry (3/4) | 25 tany |
| Part of speech | 26 adverb [Full list] |
| Explanations in Malagasy |
27 Tany fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho
[1.1] |
| Entry (4/4) | 28 tany |
| Part of speech | 29 noun |
| Explanations in Malagasy |
[tañy]
30 tomany, fitomany, fitomaniana
[Bara]
[1.78] [tañy] 31 ranomaso, tomany [Sihanaka] [1.78] [tañy] 32 tany, fitomaniana [Tanala] [1.78] 33 ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian' io teny io rahateo (tamin' ny alalan' ny tsofoka om: / - om / any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; 34 kalon' antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin' ny tomany ny hirahiran' ny antitra noho ny fibosesehan' ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin' ny fiainany lasa [1.1] |
| Explanations in French |
35 les larmes, les pleurs, les gémissements
36 regret [1.3] [tañy] 37 pleur [Sakalava-Mayotte] [1.405] |
| Derivatives |
|
| Synonyms | 40 tañe |
| Proverbs | 41 Proverbs containing that word |
| Anagrams | 42 anty, 43 ntia, 44 tany |
| Updated on 2025/11/13 |
|