Entry akoho
Part of speech   noun
Malagasy definition   Karazam-borona mpitsindroka, somary boribory vatana bontolontolo vava somary mamokotra, fohifohy elatra ka tsy afa-manidina lavitra, fiompin' ny olombelona hatramin' ny ela be noho ny henany sy ny atodiny, (akohovavy, akoholahy, vontotr' akoho, akohokely)
¶ Ny teny ilazana ny feon' akoho dia ireto avy: mikoraika (ny akohovavy), mikakàka (ny akohovavy hanatody), mikoràka (ny akohovavy avy nanatody na nisy nanaitra), maneno (ny akoholahy), mikohokoho (ny akoholahy miantso ny akohovavy na ny akohovavy miantso ny zanany [Rajemisa 1985]
English translation   the domestic fowl. [Sw. k'aka (?).] [Richardson 1885]
   a chicken [Hallanger 1973]
French translation   poule [Rajemisa: Vakoka]
   poulet [Hallanger 1974]
Examples  
1"Angady no entiko andeha hatakaloko akoho. [Rabezandrina: Ikotofetsy, page 10]
2Fa ny akohonay no novonoina ho an' I Manana. [Andraina: Mitaraina, page 101]
3sao hendratrendratry ny akanga tsara soratra lahy
ka tsy nahatsiaro ny akoho niandry ao an-trano
[Fox: Hainteny, number 195]
Vocabulary  
Morphology  
akoho
akohoko
akohonao
akohony
akohontsika
akohonay
akohonareo
akohon'
akohon-
akohom-
Compound words, titles, names  
Quotes  

Updated on 2016/07/28