| Entry (1/3) | 1 lany |
| Part of speech | 2 noun |
| Explanations in Malagasy |
3 Ny rirany amin' ny an-kilany sy ny an-daniny, ny lafiny: Maroni-dany roa io, lelan' antsy io.
4 Ny tendrony, ny tendrony farany: Mbola tsy miseho ihany ny lanin' ny tafika ~ Tsy hita lany ny ranomasina. 5 Ilany: Ery an-dany andrefan' Ampamarinana no misy anay.. [1.1] |
| Explanations in French |
6 le bout, l'extrémité d'une chose, un côté ou une partie par rapport à l'autre: Marani-dany roa io lela antsy io (Cette lame de couteau coupe des deux côtés, a deux tranchants) ~ Apetraho eo an-dany atsimon' ny farafara ireo kiraro ireo (Mettez ces souliers du côté sud du lit) Eo an-dany atsinanana ny kianja ny tranoko (Ma maison est du côté est de la place).
[1.3] |
| Derivatives |
|
| All compound words | 12 5 combinations of this word |
| Proverbs | 13 Proverbs containing that word |
| Entry (2/3) | 14 lany |
| Part of speech | 15 passive verb |
| Explanations in Malagasy |
16 Tapitra, tsy misy intsony: Lany ny vary ao antsompitra.
17 Very foana: Lany niandry anao teto ny androko. 18 Simba, levona, hanin-javatra: Lanin' ny fositra itỳ voavahy. 19 Ampiasaina: Ohatrinona ny vola laninao nanaovana itỳ trano itỳ. 20 Tsy misy mijanona noho ny niasana taminy: Mahagaga raha lany sahady ilay pensilihazo novidiko ho anao. 21 Baboina: Lanin' ny fanjakana ny hareny. 22 Ekena, ankatoavina, azoazo, voafidy: Tsy lanin' ny be sy ny maro ny hevitrao / Lany ho solombavambahoaka Ramasaka. 23 Raisina: Lany ho miaramila ny rahalahiko. 24 Ekena, raisina: Tsy lany intsony ny vola toy itony. 25 Atao mahita faisana, hanina: Raha misy tsy manaraka izany lalàna izany dia lanintsika. 26 Tapaka: Lanin' ny mpitsara fa hohelohina folo taona izy. [1.1] |
| Explanations in English |
27 consumed, devoured, spent, all gone; agreed upon.
[1.2] |
| Explanations in French |
28 dont il ne reste rien, épuisé, perdu, usé, mangé, consumé, confisqué, dépensé, employé.
29 accepté, approuvé, qui plait, qui passe. 30 réprouvé, rejeté, condamné. [1.3] |
| Examples |
31 " Dia nosotroiny, hono, ny ron' akoho, ka lany.
[2.293]
32 ny saran-dalana sy ny fotoana lany iaraha-mahalala rahateo. [2.470] 33 Nony tonga ny ririna, lany ny mangahazo sy latsakay. [2.472] 34 Haren-danim-bazo (Biens dépensés dans le libertinage) [2.415] |
| Morphology |
|
| Derivatives |
|
| Analogs | 46 borona, 47 foantanana, 48 foana, 49 fongana, 50 goana, 51 jabolevona, 52 levona, 53 madiodio, 54 mafafa, 55 majifa, 56 makiky, 57 mangadihady, 58 mangaka, 59 ringana, 60 ringitra, 61 ritra, 62 tapitra, 63 tsymisyhoraotina, 64 tsymisymiangana |
| All compound words | 65 52 combinations of this word |
| Proverbs | 66 Proverbs containing that word |
| Entry (3/3) | 67 lany |
| Part of speech | 68 noun |
| Explanations in Malagasy |
69 Fofon' ny hazandrano: Maimbo lanin-trondro.
70 Ny kiran' ny hazandrano izay manarona ny tenany. 71 ilay zavatra maditidity amin' ny hoditry ny amalona. [1.1] |
| Explanations in English |
72 a bad smell.
[1.7] |
| Explanations in French |
73 l'odeur du poisson, des caïmans, des canards; les écailles des poissons, la matière visqueuse qui se trouve sur la peau des anguilles.
[1.3] 74 mauvaise odeur. [1.8] |
| Derivatives |
|
| Anagrams | 76 lany, 77 lina |
| Updated on 2025/11/11 |
|