| Entry (1/2) | 1 adala |
| Part of speech | 2 adjective |
| Explanations in Malagasy |
3 enti-milaza olona very saina, simba na marary saina ka tsy mahay mihevitra ary tsy mahay misafidy; ny fibahanan-kevitra iray tsy mety miala ao an-tsaina matetika mety mahatonga adala.
4 tsy mbola ampy na tonga saina, mbola zazabodo, tsy mahatonga manisa folo: Aza manala hanin-tian-jaza, hoy Andrianampoinimerina tamin' ireo vaventiventy novoriny namelany ny hafany, fa tsy adala io tsy akory. 5 tsy hendry loatra, tsy matotra eo amin' ny fitondran-tena, tsy mahay mitondratena: Aza mianatra ny zokinao adala, anaka. 6 sahirankirana raha mihetsika (tanana, tongotra) naraha miteny (vava): Mbola adala vava ity zaza ity; raha afaka roa na telo volana vao tsy ho adaladala intsony iny tananao noesorina tao anaty harato iny. 7 matimatim-pitia, tia na liana fatratra, mirehitra izaitsizy amin-javatra iray: Adalan' adin' akoholahy ny zanako lahy aivo. 8 teny enti-milaza olona (lahy na vavy) mifankazatra amin' ny tena, izay resahina nefa tsy lazaina ny anarany: Tsy fantatro velively izay tian' ny adala holazaina tamin' ireo teny ireo. [1.1] |
| Explanations in English |
9 foolish.
[1.2, 1.7] 10 unwise, imprudent, ignorant, infatuated; a fool, an idiot, a lunatic, one destitute of reason.. [1.2] 11 crazy. [1.7] |
| Explanations in French |
12 fou, sot.
[1.3, 1.8] 13 aliéné, privé de raison, comme un enfant en bas âge: Adala tokoa izy, ka nafatotry ny havany (Il est vraiment fou, et il a été attaché par ses parents). 14 insensé, imbécile, simple: Adala hendry izy (Il est sot et cependant avisé en certaines choses) ~ Tsy adala tsy hendry izy (Il n'est ni fou ni sage) ~ Mirenireny lava io adala io (Cet imbécile rôde sans cesse) ~ Tsy tokony hambakaina ny adala (Il ne faut pas tromper les gens simples). 15 Embarrassé, ignorant: Adala fandeha izy (Il a une démarche embarrassée, ridicule) ~ Adala fiteny, adala vava izy (Il est embarrassé pour parler, il ne sait pas s'exprimer). 16 Passionné pour, se dit parfois de quelqu'un qui excelle en bien ou en mal: Adalan-dalao izy (Il est passionné pour le jeu). [1.3] |
| Examples |
17 Eny, adala tokoa aho, fa ny hitaona azy handositra no tena anton-diako tamin' iny hariva iny.
[2.471]
18 Izaho angaha heverin' I Feno ho adala ! [2.472] 19 izaho ity koa no adala. [2.470] |
| Derivatives |
|
| Analogs | 51 foka, 52 manarylamba, 53 manenjikaalika, 54 mihomehyrindrimbaky, 55 mivadikaatidoha, 56 mivadikalakoraika, 57 mivadikaondrana, 58 verysaina |
| All compound words | 59 40 combinations of this word |
| Proverbs | 60 Proverbs containing that word |
| Article | 61 Randzavola: adala ao amin' ny Baiboly |
| Entry (2/2) | 62 adalà |
| Part of speech | 63 imperative of adjective adala [Full list] |
| Explanations in French |
64 Sois fou: Raha tsy zaka anarina hianao, adalà any amin' izay alehanao any (Puisque tu n'écoutes pas les admonestations, porte ailleurs ta sottise).
[1.3] |
| Anagrams | 65 adala, adalà, 66 Laadà |
| Updated on 2025/11/10 |
|