Entry mifidy (fidy)
Part of speech active verb
Malagasy definition Maka izay tiana an-tsitrapo: Nifidy ny fampianarana aho ho raharahako
¶ Mifantina, mijobona, mitsonga: Nifidy azy tao anatin' ny arivoarivo aho
¶ Mandatsa-bato tsy voateritery ho an-...: Nifidy an-dRabe aho ho solombavambahoaka tao amin' ny faritaninay
Mitovy hevitra: manasivana ~ manivana ~ mifantina ~ mijobona ~ mitsaika ~ mitsongo [Rajemisa 1985]
English definition to choose, to select, to prefer. [Richardson 1885]
 to choose [Hallanger 1973]
French definition choisir; élire [Hallanger 1974]
Morphology 
mifidy
nifidy
hifidy
mifidia, mifidiàna
Examples 
1Tsy fantatro izany, fa anjaran' ialahy no mifidy [Andraina: Mitaraina, page 186]
2nony mamo ny vahoaka, dia ny nifidy izay tovolahy sy tovovavy tomady sisa nataon' ny mpanjaka sy ny mpijirika andevo... [Andriamalala: Ranomasina, page 62]
3Hifidy izay ravin-damba mahafa-po azy indrindra izy; [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 103]
Quotes 

2012/08/02