Entry alika
Part of speech   noun
Malagasy definition   Biby fiompy mampinono, mpihina-nofo, avo dia, lehibe noho ny saka, lava sofina sy vava, ary somary lava vatana kokoa (amin' ny ankamaroany, satria maro karazana ny alika). Ny feon' alika dia atao hoe vovò na mivovò; indraindray izy mivovò na mitaraindraina lavareny mandritra ny alina: mitomany valala no filaza azy amin' izay. Na dia mitovy ihany aza ny nantsoin' ny Ntaolo tamin' ny hoe alika sy amboa, ny hoe amboa dia mihajahaja kokoa taminy [Rajemisa 1985]
English translation   a dog. See also amboa [Richardson 1885]
   a dog [Hallanger 1973]
French translation   chien [Abinal 1888, Rajemisa: Vakoka, Hallanger 1974, SLP: Voambolana]
Vocabulary  
Derivations  
Morphology  
alika
alikako
alikanao
alikany
alikantsika
alikanay
alikanareo
alikan'
alikan-
alikam-
Compound words, titles, names  
Quotes  
Articles  
Analogy   amboa

Entry alika
Part of speech   noun
Malagasy definition   Olona ratsy toetra na vetaveta tsy mahalala menatra: Alika izany raha zaza. / Tsy alikan' izay zaza izany!. [Rajemisa 1985]
English translation   Used also in contempt for a human being [Richardson 1885]
French translation   cynique [Abinal 1888]
French translation   Terme d' injure : se disait de la mauvaise conduite [Veyrières 1913]
Compound words, titles, names  

Entry alika
Part of speech   noun
Malagasy definition   ( alikalika no fampiasa kokoa) Fisehoana ho sarotsarotiny, miangentsangentsana, mitsingintsingina [Rajemisa 1985]
French translation   l'action de se montrer difficile, méticuleux, délicat [Abinal 1888]
Derivations  
Synonyms   alikalika

Updated on 2017/06/29