|
|
|
|

Entry1  mamoaka
Root  2 voaka
Part of speech  3  active verb
Explanations in Malagasy  4 Mampiala ny trano: Mamoaka ny ankizy haka rivotra ny mpampianatra.
5 Milaza am-pahibemaso: Efa namoaka didy mihitsy ny fanjakana momba izany.
6 Mamosaka, mampiseho: Aoka ianao hamoaka mazava ny hevitrao eto anoloanay.
7 Mampiseho voalohany ho hitan' ny olona: Vao namoaka gazety indray izao Randria.
8 Manome: Mamoaka feo tsara sy mahafinaritra io orga vao novidinay io.
9 Enti-milaza ny ray aman-dreny izay mandefa ny zanany hanambady, amin' ny fotoanan' ny fampakarana: Hamoaka zazavavy Rakoto mivady rahampitso Asabotsy. [1.1]
10 manaparitaka, mizara, mampiely. [1.13]
Explanations in French  11 diffuser. [1.13]
Morphology 
12  Present :
13  Past :
14  Future :
15  Imperative :
All compound words  16  8 combinations of this word
Proverbs  17  Proverbs containing that word

Anagrams  18 mamaoka, 19 mamoaka

Updated on 2025/11/11