Entry maditra (ditra)
Part of speech adjective
Malagasy definition Be ditra, mikiry tafahoatra hanao araka ny heviny ihany na dia fantatra fa tsy marina sy tsy tsara aza: Lahiantitra maditra, tsy mbola nahita ohatra azy io aho
¶ Minia manao ny tsy mety sy ny tsy tsara na dia tenenina lava izao aza: Zazalahy maditra iny fa mpisotro sy mpiloka ka tsy azonay ekena ho vadinao
Mitovy hevitra: be bohihy ~ be bohika ~ be di-doha ~ be kiry ~ be marenina ~ be tohika ~ donto ~ kafiry ~ kirina ~ kizitina ~ madity ~ mafy hatoka ~ mafy kitroka ~ mafy loha ~ mafy sofina ~ mafy tadiny ~ mahafotsy teny ~ mahalava vava ~ mahery loha ~ mahery setra ~ mahery vaika ~ mahery zaka ~ makikitra ~ mamotsy rora ~ manata-bava ~ matevin-koditra ~ mihizihizy ~ mitsivalam-pandry ~ tokam-bolana ~ tsy andairan' anatra ~ tsy azo akisoka ~ tsy azo anarina ~ tsy azo atao ahoana amin' ahoana ~ tsy azo tenenina ~ tsy hay toroana ~ tsy laitra akisoka ~ tsy maty manota ~ tsy misy famavany [Rajemisa 1985]
English definition stubborn [Richardson 1885, Hallanger 1973]
 obstinate, pertinacious [Richardson 1885]
 disobedient [Hallanger 1973]
French definition obstiné, délinquant (se dit des jeunes) [Hallanger 1974]
Morphology 
maditra
naditra
haditra
Examples 
1Adala sy maditra no fitsaran-dreniny azy, nefa ataony ahoana fa azy sy mankarary ny fony. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 124]
2angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy. [Baiboly: 33:012:003/Ezekiela 12:3..]
Quotes 

2014/09/17