Entry atody
Part of speech noun
Malagasy definition Zavatra misy tsirin' aina alatsaky ny vavy amin' ny biby, indrindra ny vorona, izay foy rehefa avy kotrehin-dreniny mandritra ny fotoana maharitra ka tonga bibikely na voronkely. Misy zavatra telo ao amin' ny atody, dia ny tapotsiny, ny tamenany ary ny akorany izay mandrakotra an' iretsy voalohany [Rajemisa 1985]
 vokatra ateraky ny fihaonan'ny tsiry lahy sy tsiry vavy
¶ atody an-dampy: atody vakina dia atosaka anaty menaka mafana. [Vocabulary: Economy: food]
¶ atody handro tsoboka: atody vakina dia arotsaka avy hatrany ao anaty rano mafana. [Vocabulary: Economy: food]
¶ atody tahiry: atody mamelona ny tsimoka mandra-pahavitany tena [SLP 1986]
English definition an egg. [Mal. telur; Dyak tulu; Nias adulu; Jav. andoy; other dialects, toil, tolo, telli, terani, atulu, etc.] [Richardson 1885]
 an egg [Hallanger 1973]
French definition oeuf [Hallanger 1974]
French definition oeuf, embryon, zygote
¶ atody an'akora andrahoina mantamanta: oeuf à la coque. [Vocabulary: Economy: food]
¶ atody an'akora masaka: oeuf dur. [Vocabulary: Economy: food]
¶ atody an-dampy: oeuf sur plat. [Vocabulary: Economy: food]
¶ atody handro tsoboka: oeuf poché. [Vocabulary: Economy: food]
¶ atody kapohina endasina: omelette. [Vocabulary: Economy: food]
¶ atody tahiry: oeuf albumen
¶ atody tariana: ganglion. [Vocabulary: Biology]
¶ tamenak'atody: jaune d'oeuf, vitellus. [Vocabulary: Economy: food]
¶ tampotsin'atody: blanc d'oeuf. [Vocabulary: Economy: food]
¶ tanolik'atody: tortillon d'oeuf [SLP 1986]
Vocabulary 
Compound words, titles, names 
Examples 
1Omeo ronono sy atody potsehina izy, ary ataovy mafana sy aza avoaboaka any ivelany. [Andraina: Mitaraina, page 161]
2Noro tao an-tsain' ise tao, dia tsy mahagaga ankehitriny raha foy ny atody nakotrika. [Andriamalala: Zazavavindrano]
Quotes 

Entry atody (tody)
Part of speech passive verb
Malagasy definition Atao tonga an-tseranana: Atodio soa aman-tsara ny sambolainay, ry Tompo [Rajemisa 1985]
French definition qu'on fait rentrer au port [Abinal 1888]
Morphology 
atody
atodiko
atodinao
atodiny
atodintsika
atodinay
atodinareo
atodin'
atodin-
atodim-
natody
natodiko
natodinao
natodiny
natodintsika
natodinay
natodinareo
natodin'
natodin-
natodim-
hatody
hatodiko
hatodinao
hatodiny
hatodintsika
hatodinay
hatodinareo
hatodin'
hatodin-
hatodim-
atodio

2017/08/28