Entry mangidy (ngidy)
Part of speech adjective
Malagasy definition Manana tsiro ratsy be amin' ny le-la, mampivivy, mifanohitra amin' ny mamy: Mangidy ny kininina ka tsy tian' ny zaza
¶ Masiaka: Mangidy ny sakay
¶ Mampahory izaitsizy, mampangirifiry
¶ Mangidy izay fahoriana nanjo azy izay
¶ Tsy anerany, mihoa-pampana: Mangidy ny halafon' ny hena ankehitriny izany
¶ Fatratra, mantsalay, kinga sy mahay: Mangidy io Rangahy io raha hampianatra
¶ Mafy, manindrona: Mangidy izany teny izany, hoy ny olona nihaino ny tenin' ny manampahefana
¶ Sarotiny, mahihitra: Lehilahy mangidy velona iny; tsy hanome eranambatry anao iny na hiofo aza ny angidina
Mitovy hevitra: hentona ~ mafaitra ~ mangananganana ~ mangeroka ~ mangidy ohatra ny vahona ~ mangidy toy ny tangena ~ monta [Rajemisa 1985]
English definition bitter [Richardson 1885, Hallanger 1973]
French definition amer [Hallanger 1974]
Compound words, titles, names 
Examples Ireo sady tsy manam-bary no tsy manam-bola dia mangidy indrindra ny manjo azy. [Andraina: Mitaraina]
Quotes 

Entry mangidy
Part of speech adjective
Malagasy definition  [Taisaka] saro-tongavina [Rakotosaona 1972]
English definition expensive [Hallanger 1973]
French definition qui coûte cher [Hallanger 1974]

Entry mangidy (hidy)
Part of speech active verb
Malagasy definition  [Taisaka] mangidihidy [Rakotosaona 1972]

Entry mangidy
Part of speech noun
French definition  [Betsimisaraka, Sihanaka] (de ngidy : amertume, goût amer). Nom des arbres dont les écorces sont particulièrement amères. Notamment : Physena madagascariensis Thouars ex Tul. (Physenaceae) réf. Humbert 13.899. D'après G. Cours, on attribue à ces écorces des propriétés calmantes, sédatives. Écrasées fraîches, on en frotte la peau pour empêcher les sangsues aériennes de s'y fixer. [Boiteau 1997]
Vocabulary 
Scientific name Physena madagascariensis

2019/08/17