| Entry | 1 mahafaty |
| Root | 2 faty |
| Part of speech | 3 active verb or adjective |
| Explanations in Malagasy |
4 Afaka hamono: Tsy mahafaty akoho akory, hono, Ramatoa io
5 Mahatonga ho faty: Tsy hahafaty azy akory io aretina io ~ Poizina mahafaty 6 Maharesy: Ny mpilalaonay Ampamarinana no nahafaty tamin' ny baolina 7 Mahazo: Tsy tsara ny tsena androany fa tsy nahafaty roanjato akory aho 8 Mamely mafy, tsy ahazoana aina, mahatrotraka: Mahafaty izany hatsiaka izany 9 Mamono, manala, mikosoka, mampanadino: Ny andro sy ny volana nifandimby no nahafaty ny soratra teto ~ Tsy misy hahafaty ny fahatsiarovako an' i Neny [1.1] |
| Explanations in English |
10 To kill
[1.2, 1.7] 11 To put out a lamp [1.2] |
| Explanations in French |
12 Tuer
[1.3#157, 1.8] 13 Pouvoir tuer, donner la mort, mortel [1.3#157] 14 Gagner au jeu, au commerce, gagner au pari [1.3#157] 15 Éteindre, effacer, enlever la force, abîmer, faire tomber en désuétude [1.3#157] 16 Éreinter, assommer, empester, étouffer [1.3#157] |
| Examples |
17 Ny mamono olona mahafaty olona.
[1.123#]
18 Ny sazin'ny heloka tsy mahafaty. [2.508#] 19 Nareo, hoy i, tsy raha mahafaty ahy! [2.606#] 20 mahafaty io poizina io (Ce poison est mortel) [1.3#157] 21 mahafaty ny hafanana (La chaleur est assommante) [1.3#157] 22 nahafaty olona iray izy (Il a tué une personne) [1.3#157] 23 Heloka mahatapa-doha izany, heloka mahafaty izany! [2.528#] 24 mahafaty ity fiakarana ity (Cette montée éreinte) [1.3#157] 25 nahafaty ny vary ny rano (L’eau a abîmé le riz) [1.3#157] 26 mahafaty ny fofon' io fatim-biby (Cette charogne empeste) [1.3#157] 27 mahafaty izany setroka izany (Cette fumée est étouffante) [1.3#157] 28 nahafaty ny jiro ny rivotra (Le vent a éteint la chandelle) [1.3#157] 29 mahafaty tena ho an’ ny zanany izy (Il se tue pour ses enfants) [1.3#157] 30 Tsy mahafaty ny mamba ny bala (Les balles ne peuvent tuer un caïman) [1.3#157] 31 Tsy hahafaty azy io aretina io (Cette maladie ne lui donnera pas la mort) [1.3#157] 32 Ny ranonorana no nahafaty io hosodoko io (La pluie a abîmé cette peinture) [1.3#157] 33 Inona no nahafaty io soratra io? (Qu’est-ce qui a effacé cette écriture?) [1.3#157] 34 nahafaty ariary telo aho tany an-tsena (J’ai gagné trois piastres au marché) [1.3#157] 35 Iza no nahafaty taminareo roa lahy? (Quel est celui de vous deux qui a gagné au jeu?) [1.3#157] 36 Inona no nahafaty ny herin' ity toaka ity? (Qu’est-ce qui a diminué la force de ce rhum?) [1.3#157] |
| Morphology |
|
| All compound words | 41 4 combinations of this word |
| Anagrams | 42 mahafaty, 43 mahatafy |
| Updated on 2025/11/13 |
|