Index

Proverbs : tsara

Proverb 1Adin' ankizy: miady maraina, tsara hariva. [1.1 #416]
Miady maraina fa tsara hariva, toy ny adin' ankizy. [2.558]
Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina : toy ny adin’ ankizy. [2.653]
Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina, toy ny mpivady. [2.165 #1797]
Mpivady miady maraina, tsara hariva ; miady hariva, tsara maraina. [2.415 #1306]
Mpivady miady maraina, tsara hariva ; miady hariva, tsy miloaka ny andro maraina. [2.415 #1306]
Malagasy interpretationEntina milaza ny olona miady tsy mba manana otri-po na fankahalana maharitra fa mora mifankahazo na mihavana indray. [1.1 #416]
French translationEn guerre le matin, en paix le soir; en guerre le soir, en paix le matin, comme des époux. [2.165]
Époux qui se disputent le matin, le soir ils sont réconciliés ; s' ils se disputent le soir, le lendemain matin ils sont réconciliés. [2.415 #1306]
French interpretationSe disait des disputes incessantes mais sans conséquences. [2.415 #1306]

Proverb 2Akanga tsara soratra takalozana akoho taman-trano. [1.1 #41, 1.3]
Aza atakalo akanga tsara soratra ny akoho taman-trano. [1.5]
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano. [2.165 #1667, 2.415 #1377, 2.558 #1887, 2.653 #1427]
Ny akoho taman-trano atakalo akanga mandositra. [2.415 #1388]
Tsy mety raha ny akanga tsara soratra, no andaozana ny akoho taman-trano. [2.415 #1412]
Malagasy interpretationZavatra marevaka ivelany anariana zava-tsoa maharitra. [1.1 #41]
French translationCe n' est pas bien d' abandonner pour une pintade au beau plumage, la poule domestique habituée à la maison. [2.415 #1412]
Changer une poule domestique habituée à la maison, pour prendre une pintade coureuse. [2.415 #1388]
Échanger un bien solide contre un bien fallacieux de brillante apparence. [1.3]
N'échangez point un bien solide contre un bien fallacieux. [1.5]
Voir une pintade au beau plumage et abandonner pour elle la poule domestique habituée à la maison. [2.415 #1377]
Voir une pintade de belle couleur et se défaire de la poule qu' on avait depuis longtemps. [2.165]
French interpretationCe proverbe se disait du mari abandonnant la mère de ses enfants pour prendre une coureuse de belle apparence ; il se disait aussi des gens qui laissaient un bien sûr, pour un autre moins sûr. [2.415 #1412]
Se disait des maris qui laissaient leur femme pour prendre une coureuse de belle apparence. [2.415 #1377]
Se disait du mari se laissant séduire par une femme de belle apparence et quittant pour elle la mère de ses enfants. [2.415 #1388]

Proverb 3Akoho avy no ilam-pamaky. [2.415 #2057, 2.653 #43]
Akoho avy ve ka ilana famaky! [2.558]
Akoho iray no hovonoina ka famaky tsara zarana no indramina. [2.558]
Akoho no rasaina, ka famaky no tadiavina. [2.974 #286]
French translationChercher une hache, alors qu’il s’agit de découper un poulet. [2.974 #286]
Même pour découper une poule, il a besoin d' une hache. [2.415 #2057]
French interpretationIl se trouve embarrassé pour un rien. [2.415 #2057]

Proverb 4Aleo kely fanahy sitrak' olona, toy izay be fanahy maty foana. [2.165 #1624]
Aleo kely fanahy sitrak' olona, toy izay be fanahy maty maina. [2.558 #114]
Tsara ny kely fanahy sitrak’ olona, fa ratsy ny be fanahy maty foana. [2.558 #4407, 2.653 #3285]
French translationMieux vaut n' être pas trop malin mais aimé, que d' avoir trop d' esprit et en souffrir. [2.165]

Proverb 5Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy ka ratsy fanahy. [2.165 #93]
French translationIl vaut mieux être laid et bon, que d' être beau et méchant. [2.165]

Proverb 6Andevolahy mandihy an-jezika: mahare ny fingodony, fa tsy mahita ny handitsiky ny masony. [2.165]
Ankizilahy mandihy an-jezika : faly nihaino ny fidobony fa narahim-parasisa vao ory. [2.558 #281]
Ankizilahy mandihy an-jezika : ny fidobony dia tsara, fa ny maso ditsoka tsy voahevitra. [2.558 #280]
French translationUn esclave dansant sur un tas de cendres: il entend résonner ses pas, sans s’apercevoir que ses yeux s’emplissent de poussière. [2.165]

Proverb 7Andro tsara ny miarim-bolana, ka soa ny tanteraka aminy, fa manantena ho feno. [2.415 #67]
French translationC' est un jour favorable que le treizième de la lune : les affaires entreprises ce jour-là réussiront, car on attend qu' il y ait plénitude. [2.415 #67]
French interpretationLa lune sera pleine et l' affaire réussira parfaitement. [2.415 #67]

Proverb 8Antananarivo no tsara trano ka Ivakiniadiana no sola vantony. [2.558 #326, 2.653 #245, 1.1]
Malagasy interpretationNy soa ho an' ny sasany indraindray mitarika fahavoazana ho an' ny hafa. [1.1]

Proverb 9Antova a Sahalampona, anin-tompontany tsara; anim-bahiny mahafaty. [1.147 #A86]

Proverb 10Antsibe latsaka an-dobo; raha ilaozana, harafesina. [2.165]
Antsibe latsaka an-dobo: tsiriho matetika, fandrao dia harafesina. [2.653 #257]
Antsibe latsaka an-dobo : tsiriho matetika fandrao harafesina. [2.415 #615, 2.558 #303]
Antsibory latsaka an-kady : tsara tahiry vao harafesina. [2.558 #291]
French translationCouteau tombé dans l' eau : qu' on le voie souvent de peur qu' il ne se rouille. [2.415 #615]
Un grand couteau tombé dans une mare: si on l' y laisse, il se rouillera. [2.165]
French interpretationSe disait des chefs qu' il fallait surveiller car l' occasion fait le larron. [2.415 #615]

Proverb 11Antsibe tsara ofana ireo, adidy tsy mba mahadilo ; lefona tsara varombo, atomboka tsy mba milefitra ; tangen-tsara hafatra, tsy mba mena-maso mitsara. [2.415 #616]
French translationLes chefs sont comme des coutelas bien trempés qui ne s' émoussent pas en tranchant ; comme des lances bien emmanchées qui ne plient pas en pourfendant ; comme le tanguin qui exécute fidèlement ce dont on le charge et juge avec impartialité. [2.415 #616]
French interpretationParoles du roi Andrianampoinimerina à son fils Radama ; elles servaient d' éloges pour ceux qui travaillaient bien. [2.415 #616]

Proverb 12Aombilahy vanga, tsara morika tsara mivalana. [1.147 #A103]

Proverb 13Avaho tsara ny teninao, fa roa ny manonaka : ny iray mihonaka ny taviny ; ny iray nihonaka ny ihany. [2.653]
Avaho tsara ny teninao fa roa ny manonaka : ny iray mihonaky ny taviny, fa ny iray mihonaky ny ihany. [2.558]
Roa ny mihonaka (manonaka) : ny iray mihonaky ny taviny, ny iray mihonaky ny ihany. [2.558]

Proverb 14Aza asiana nofin' ny lahy, ka tsara, ary ny nofin' ny vavy hampidi-doza. [2.558 #372]
Aza asiana nofin' ny lahy sy nofin' ny vavy. [2.415 #266, 2.653 #334]
French translationQu'il n' y ait point rêve du mari et rêve de la femme. [2.415 #266]
French interpretationIl doit y avoir entente entre les époux. [2.415 #266]

Proverb 15Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo hateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara. [2.415 #1438, 2.165]
Mamangy rafozana jamba, ka ny manome lamba tsy hitany, fa ny manome sira kely no ankasitrahany. [2.415 #1449]
Mamangy rafozana jamba, ka ny manome lamba tsy hitany fa ny manome sira tsaroan' ny lelany no ankasitrahany. [2.558 #130]
Mamangy rafozana jamba, ka ny manome lamba tsy hitany, fa ny nanome sira kely no ankasitrahany. [2.653 #1468]
Rafozana jamba, ka aleony sira ren' ny lelany toy izay lamba tsara. [2.558 #3540]
Rafozana jamba: ny manatitra lamba tsy hitany, fa ny manatitra sira kely no isaotsaorany. [1.3 #498]
Rafozana jamba: ny manatitra lamba tsy hitany, fa ny manatitra sira no isaotsaorany. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny olona mahatsiaro ny soa kely fa tsy mahatsiaro ny soa lehibe atao azy. [1.1]
French translationBelle-mère aveugle: si on lui donne un lamba, elle ne voit pas, mais si on lui donne un peu de sel, elle remercie avec effusion [1.3 #498]
Ne faites pas comme une belle-mère aveugle, qui aime mieux qu' on lui donne un peu de sel plutôt qu' un beau lamba. [2.415 #1438]
Ne faites-pas comme une belle-mère aveugle, qui préfère qu' on lui donne un peu de sel plutôt qu' un beau "lamba" . [2.165]
Visitez votre belle-mère aveugle et donnez-lui un lamba, elle ne le voit pas ; donnez-lui un peu de sel, cela lui est agréable. [2.415 #1449]
French interpretationComme elle est aveugle, il lui importe peu quelle soit bien mise. [2.165]
Elle ne voit pas le lamba. [2.415 #1438]
Le tout n'est pas de donner, il faut savoir donner ; autre sens : oublier un grand service et se montrer reconnaissant d'un petit service. [2.415 #1449]
Sensible aux petits services, insensible aux grands [1.3 #498]

Proverb 16Aza manao volombodin' akoholahy, ka ny any aoriana indray no malaza. [2.558 #638]
Aza manao volom-bodin' akoholahy : ny mitoetra any am-bodiny indray no malaza. [2.415 #3241]
Aza manao volom-bodin’ akoholahy : ny mitoetra any am-bodiny indray no rnalaza. [2.653 #551]
Volom-bodin' akoholahy: malaza tsara ihany fa aorian' ny namany. [2.165 #1475]
Volom-bodin' akoholahy : ny malaza no any aoriana. [2.558 #5022]
Volom-bodin’ akoholahy : ny malaza no aoriana. [2.415 #6055, 2.653 #3730]
French translationLes plumes de la queue du coq: elles sont assez grandes (litt. fameuses), mais viennent derrière les autres. [2.165 #1475]
Ne faites pas comme les plumes de la queue du coq : c' est sur la partie postérieure que sont les plus belles. [2.415 #3241]
Plumes de la queue d' un coq : ce sont les plus brillantes qui sont derrière. [2.415 #6055]
French interpretationSe disait des gens qui réservent tous leurs soins aux choses les moins importantes. [2.415 #3241]

Proverb 17Aza ny vady an-trano no atao tsy ho zavatra, fa izay mihaingo tsara avokoa. [2.165 #1805, 2.415 #1274]
French translationIl ne faut pas mépriser votre femme, car toutes celles qui sont bien habillées sont belles. [2.165]
Ne méprisez pas votre femme, car toutes celles qui se sont parées sont belles. [2.415 #1274]
French interpretationNe vous laissez pas séduire. [2.415 #1274]
Restez fidèle et ne soyez pas séduit par la belle apparence d' autres femmes. [2.165]

Proverb 18Aza tafandry manana aretina. [2.165 #1996]
Aza tafandry manana aretina, tahaka ny didimaso tsara ondana. [2.653 #710]
Aza tafandry manana aretina, tahaky ny didimaso tsara ondana. [2.415 #3242]
Nahoana no tafandry manana aretina, ohatra ny didi-maso tsara ondana ? [2.653]
Nahoana no tafandry manana aretina toy ny didimaso tsara ondana. [2.558]
French translationNe dormez pas tranquillement quand vient la maladie, comme l' homme aux yeux chassieux qui dort sur un bon oreiller malgré sa maladie. [2.415 #3242]
Ne soyez pas tranquille tout en étant malade. [2.165]
French interpretationInquiétez-vous de vous soigner et de guérir. [2.165]

Proverb 19Aza tsara vava fahavaratra fa ratsy vava ririnina. [2.558 #56, 2.653 #719]

Proverb 20Aza tsara vava ririnina toy ny mpamboly voalobok' Avaradrano. [2.558 #57]

Proverb 21Bevohoka tsara teraka ka indray latsaka ny zaza sy ny ahitra. [2.558 #59]

Proverb 22Boka misikidy : ny tokin' aina dia tsara ihany, fa ny hasoavana tsy misy intsony. [2.415 #1973]
Boka misikidy : ny tokin’ aina tsara ihany, fa ny hasoavana tsy misy intsony. [2.653]
French translationLépreux qui consulte le sikidy pour connaître l'avenir : des promesses de vie il y en a bien, mais de la beauté il n'y en a plus. [2.415 #1973]
French interpretationLe lépreux n' a rien à faire contre son sort, on ne peut l' exorciser. [2.415 #1973]

Proverb 23Boka nisikidianana: ny tokin’ aina dia tsara, fa ny tenany be nahafahana. [2.415 #125, 2.653 #813]
French translationLépreux pour qui on consulte le sort par le sikidy : la promesse de vie est belle, mais son corps est bien mutilé. [2.415 #125]
French interpretationCe proverbe dit le malheur du lépreux qui restera toujours incapable d'être exorcisé ; on l' appliquait à toute difficulté insurmontable. [2.415 #125]

Proverb 24Didimaso tsara ondana ka matory manana aretina. [2.558 #992]
Didimaso tsara ondana : matory manana aretina. [2.653 #848, 1.1]
Malagasy interpretationIlazana olona manana aretina na misy mahavoa azy, nefa misy zavatra mahasondriana azy ka mipetrapetraka tsy manahy na inona na inona izy. [1.1]

Proverb 25Dihin’ i Kalavonenana : avanavany ka tsara, fanoerana anazy tsy hainy. [1.147 #D8]

Proverb 26Fanambadian-dRainimanafika, ka ny mody tsy alaina mba tsara ihany. [2.558 #1080]
Fanambadian-dRainimanafika : ny mody tsy alaina mba tsara ihany. [2.415 #1368, 2.653]
French translationFaire comme dans le mariage de Rainimanafika : il vaut mieux laisser la femme revenir d'elle-même. [2.415 #1368]
French interpretationCe proverbe fait allusion à une légende ; on le disait à l' homme que son épouse avait abandonné pour retourner chez ses parents ; paroles de consolation, encouragement à ne faire aucune démarche humiliante auprès de la fugitive. [2.415 #1368]

Proverb 27Fanambadian' ny Manontalahy, ka ny mody tsy alaina mba tsara ihany. [2.415 #1370, 2.165]
French translationLe mariage chez les Manontalahy, les femmes divorcées retournent chez leurs maris de leur propre mouvement et ça va bien. [2.165]
Le mariage chez les Manontalahy : les femmes divorcées reviennent chez leurs maris et tout va bien. [2.415 #1370]

Proverb 28Fanompoan' ankotralahy, ka ny marary manao izay ho vitany, ary ny tsara fanahy mamono masoandro. [2.415 #371]
French translationC'est la corvée des soldats portant giberne : les malades font ce qu' ils peuvent, et ceux qui se portent bien travaillent jusqu' au coucher du soleil. [2.415 #371]
French interpretationIl s' agissait là d' une corvée particulièrement pénible. [2.415 #371]

Proverb 29Finari-dratsy hoatry ny didimaso tsara ondana. [2.415 #3272]

Proverb 30Hanim-boroka : tsara an-dranon’ olona. [1.147 #H11]

Proverb 31Henan' ny mpitsoka miozika : ataovy tsara zara, fa vidim-pofon' aina. [2.415 #4491, 2.653 #1048]
Henan' ny mpitsoka mozika : ataovy tsara zara fa vidim-pofon' aina. [2.558 #1307]
French translationViande qu' on donne en récompense aux musiciens : qu' on la partage bien, car c' est le prix du souffle de la vie. [2.415 #4491]
French interpretationAllusion à la cote personnelle ou prix de la vie vidin' aina ; cette cote personnelle était payée au souverain. [2.415 #4491]

Proverb 32Ho faty, ka tsy maty tsara ihany, fa mandrovi-tsihy. [2.415 #2856, 2.653]
Ho faty ka tsy maty tsara ihany fa no mandrovi-tsihy! [2.558 #1365]
Indrindra ho faty ihany ka tsy handrovi-tsihy? [2.165 #2102]
French translationComme il mourra sûrement, ne faut-il pas qu' il use une natte? [2.165]
Puisqu'on va mourir, pourquoi ne pas mourir simplement au lieu de déchirer les nattes? [2.415 #2856]
French interpretationCe proverbe disait la résignation. [2.415 #2856]
Il faut bien qu' il jouisse de la vie! [2.165]

Proverb 33Hosy be rano ka mahavery bainga. [2.558 #95]
Hosy be rano ka mahavery ny bainga. [2.165 #1215]
Hosy be rano, mahavery ny bainga. [2.653 #1103]
Lainga tsara lahatra, mahavery rariny, hosy be rano, mahavery bainga. [2.558 #1681]
French translationDans une rizière trop inondée d' eau, les mottes sont cachées. [2.165]
French interpretationEt il est difficile de les briser, puisqu' on ne les voit pas. L' excès est nuisible en tout. [2.165]

Proverb 34Ho tsara mandroso, ho tsara miverina. [2.415 #4134]
Tsara mandroso, tsara mivarina. [2.415 #4134]
French translationSoyez bien en allant, soyez bien en revenant. [2.415 #4134]
French interpretationSouhait de bon voyage : allez et revenez heureusement. [2.415 #4134]

Proverb 35Indro soa, indro tsara, dia ny rano avara-tanàna no androana. [2.558 #1435, 2.653]

Proverb 36Izay hajaina tsy ho andriana tsy akory, ary izay manaja tsy ho andevo tsy akory; ka tsara ny mifanaja. [2.165 #187]
French translationÊtre respecté ne rend pas noble, et respecter ne rend pas esclave; donc il est bon de se respecter l' un l' autre. [2.165]

Proverb 37Izay manana-tsira, mahay mahandro, izay tiam-bady mahay miteny. [2.558 #103]
manana-tsira ka mahay mahandro. [2.165 #1600, 2.974 #284]
manana-tsira ka mahay mahandro, tiam-bady ka mahay miresaka. [2.415]
manana-tsira ka mahay mahandro, tiam-bady ka mahay miteny. [2.653 #1523, 2.415]
manana-tsira ka mahay mahandro, tiam-bady, ka mahay miteny, be vola ka maro mpankasitraka. [2.558]
Tiam-bady, ka mahay miresaka; manana-tsira, ka mahay mahandro. [2.653]
Tiam-bady, ka mahay miteny; manana-tsira, ka mahay mahandro. [2.653]
Tiam-bady ka mahay miteny, tsara rafozana ka mihaminkamina. [2.558 #4132]
French translationEtre bon cuisinier parce qu’on a du sel. [2.974 #284]
Qu' a du sel fait bonne cuisine, qui possède l' amour de son époux sait parler. [2.415 #1293]
Quand on a du sel, on peut faire la cuisine. [2.165 #1600]
French interpretationOn réussit quand on a ce qu' il faut. [2.415 #1293]

Proverb 38Izay tsara loha endrehin-drandrana. [2.415 #2435]
Tsara loha, ka endrehin-drandrana. [2.165 #1286, 2.415 #2468, 2.653 #3281]
Tsara loha ka endrehin-drandrana, be harena ka endrehin-kaja. [2.558 #4401]
French translationElle a une belle tête et c' est pourquoi ses tresses lui vont bien. [2.165 #1286]
Les jolies figures sont embellies par la parure et par les tresses de cheveux. [2.415 #2435]
Une jolie tête est encore embellie par les tresses de cheveux. [2.415 #2468]
French interpretationSe disait des personnes qui en plus de belles qualités, avaient de la fortune. [2.415 #2468]

Proverb 39Izay tsy an' ny tena toa tsara. [2.415 #1374]
French translationCe qui n' est pas à soi, paraît bien. [2.415 #1374]
French interpretationSe disait des gens qui se dégoûtent de ce qu' ils ont et aiment le nouveau : ainsi la femme à laquelle on n' est pas marié, paraît bien. [2.415 #1374]

Proverb 40Izy no tsara torimaso, efa nahalehibe zaza handimby (hisolo) azy. [2.558 #1534]

Proverb 41Jiafotsy tsara soratra ririnina : mbola tsy afa-po dia misaraka. [2.558]
Jiafotsy tsara soratra ririnina ; tsy mbola afa-po, ka misaraka. [2.415 #5270, 2.653 #1215]
French translationRabane à jolis dessins en hiver : on s' en sépare avant d' en avoir assez. [2.415 #5270]
French interpretationOn la quitte à regret, mais on la quitte, parce que c' est trop froid ; ainsi des choses qu'on quitte à regret. [2.415 #5270]

Proverb 42Kibo mikoraika : tompony mahalala. [1.147 #K16]
Kibo mikoraraika : hianao tompony no mahalala azy tsara. [2.558 #110]
Kibo mikoraraika, ka ny tompony ihany no mahalala. [2.165 #2269]
Kibo mikoraraika, ka ny tompony no mahalala azy. [2.415 #3255]
Kibo mikoraraika : ny tompony no mahalala. [2.653 #1262, 1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza fa raha misy zavatra mahazo ny tena, dia ny tena ihany no mahalala azy; ianao tompony ihany no afaka handinika ny aminy. [1.1]
French translationSi le ventre fait du bruit, c' est à son maître à le savoir. [2.165]
Si le ventre fait du bruit, c' est au maître à le savoir. [2.415 #3255]
French interpretationChacun connaît ses propres affaires et les arrange à sa façon ; chacun connaît les paroles qu' il a prononcées et les arrange. [2.415 #3255]
Quand un méfait a été commis, c' est le malfaiteur lui-même qui pourrait le mieux renseigner là dessus. [2.165]

Proverb 43Lainga tsara lahatra ka mandrobo ny mpihaino. [2.558 #1682]

Proverb 44Lamban' antitra : tsy ilana izay rendrarendrany intsony, fa ny mafy ihany no tsara. [2.415 #1829, 2.653]
Lamban' antitra : tsy mila izay rendrarendrany, fa ny mafy sy ny mafana no iadiam-barotra. [2.558 #1707]
French translationLamba de vieillard : il n' y a plus besoin de couleurs brillantes, il est bien s' il est solide. [2.415 #1829]
French interpretationLe vieillard n' a plus de prétentions. Autre sens : préférer la solidité à l' éclat. [2.415 #1829]

Proverb 45Lava ny tanety, ka misy fisainana. [2.165 #1593, 2.415 #6070]
Lava ny tanety misy fisainana. [2.558 #1764]
Mieritrereta lalina, fa raha lava ny tanety misy fisainana. [2.558 #2295]
Mieritrereta tsara, fa raha lava ny tanety misy fisainana. [2.415 #6075, 2.653 #1748]
French translationLa colline est longue et il y a le temps de réfléchir. [2.415 #6070]
La route est longue, et on a le temps de réfléchir. [2.165]
Réfléchissez bien ; car lorsque la colline est longue, il y a le temps de réfléchir. [2.415 #6075]
French interpretationAllusion aux paroles du sage Hagamainty pour obtenir du roi Andrianampoinimerina la grâce d' un condamné. [2.415 #6075]
Paroles du sage conseiller Hagamainty au roi Andrianampoinimerina, en faveur d' un voleur condamné à être exécuté à l' extrémité d' une colline ; le roi réfléchit sur les paroles de son conseiller et accorda la grâce. Ces paroles, devenues proverbiales, signifient qu' il faut réfléchir avant d'agir puisqu'on a encore le temps de le faire. [2.415 #6070]
Se dit en parlant d' une affaire qui n' est pas pressée. [2.165]

Proverb 46Madio volon-tsokina, tsara volonanivona : tsara manan-takaitra. [1.147 #M3]

Proverb 47Mahafisaka ny lela : mijoro ny tsara. [1.147 #M6]

Proverb 48Mahamenatra raha tsara loha tsy endrehin-drandrana, na fotsy volo tsy endrehin-kaja. [2.558 #1849]

Proverb 49Mahia nohatsaraina toa hisatra. [2.558 #1878]
Tsara mahia toa hisatra. [2.558 #4402]
Tsara mahia, toy ny hisatra. [2.415 #1593, 2.653 #3282]
French translationBeau dans la maigreur comme les joncs. [2.415 #1593]

Proverb 50Malahelo tsara levenana, ka voninahitry ny havan-dray sy reny. [2.558 #1922]

Proverb 51Mamy ny fary, fa misy faikany ; mamy n' akondro, fa misy hodiny ; ary tsara ny raozy, fa misy tsilony. [2.974 #480]
French translationLa canne à sucre est douce, mais laisse un résidu ; la banane est douce, mais a une peau ; la rose est belle, mais est entourée d'épines (nulle part la perfection). [2.974 #480]

Proverb 52Mamola-tehina ny osa : mampitsangana ny tsara tena. [1.147 #M75]

Proverb 53Mamono volana an-drano, ka milaza andro tsara amin' olona. [2.415]
Mamono volana an-trano, ka milaza andro tsara amin' olona. [2.415]
Mamono volana an-trano toa mpanandro tsy mahay. [2.558]
Mamono volana an-trano toa mpimasy kamo. [2.558]
French translationDeviner la nouvelle lune sans sortir de la maison et dire aux gens le jour faste ou heureux. [2.415 #128]
French interpretationSe disait des astrologues qui au lieu de consulter les astres, restent tranquillement chez eux et font de vaines prédictions ; se disait aussi de ceux qui sous de faux prétextes, manquent la corvée ou d' autres rendez-vous. [2.415 #128]

Proverb 54Mampisalasala ohatra ny mitsako vozon' akoho : hatelina toa taolana, haloa toa nofony. [2.558]
Mampisalasala, ohatra ny mitsako vozon’ akoho ; hatelina, toa taolana; haloa, toa nofony ihany. [2.653]
Manalasala ohatra ny vozon' akoho tanora. [1.1]
Manalasala ohatra ny vozon' akoho tanora; hanina toa taolana, avala toa nofony ihany. [1.1]
Salasala mivozon’ akoho tanora : haloa, toa nofony ; hatelina, toa taolana. [2.974 #280, 2.415]
Salasala toa vozon' akoho tanora : haloa toa nofony, hatelina toa taolana. [2.558 #3816]
Malagasy interpretationEnti-milaza zavatra tsy hita hatao ho tsara na ratsy ka manahirana ny saina ny manapaka na hitana na hamela azy. [1.1]
French translationAmbigu ou équivoque comme le cou d’un jeune poulet : le rejeter? mais c’est de la chair ; l’avaler ? mais c’est de Vos. [2.974 #280]
Ni l' un ni l' autre, tel le cou d' un poulet : si on veut le rejeter, il semble cependant que c' est de la chair ; si on veut l' avaler, il semble que c' est un os. [2.415 #4590]
French interpretationSe disait pour signifier l' incertitude, quand on se demandait par exemple si un procédé dénotait amitié ou hostilité. [2.415 #4590]

Proverb 55Manao tsara ihany andriana. [2.415]
French translationFaire le salut au souverain et aux nobles. [2.415 #4082]
French interpretationIl y avait une formule spéciale de salut : tsara va tompoko e ? allez-vous bien monsieur? La réponse était : tsara ihany e, je vais bien. [2.415 #4082]

Proverb 56Mandoka ny ratsy, manao toetr’ eso ; manaratsy ny tsara, manao volohala. [2.653 #1591]

Proverb 57Manompo Vazaha didimaso : manao tsara, voapaika ; manao ratsy, voapaika. [2.415 #781]
Manompo Vazaha kiro maso : manao soa voapaike, manao raty voapaike. [1.68]
French translationCelui qui sert un Blanc chassieux est blâmé qu' il fasse bien ou mal. [1.68]
Serviteur d' un Blanc aux yeux chassieux : s' il fait bien, il est réprimandé ; s' il fait mal, il est réprimandé. [2.415 #781]
French interpretationSe disait des maîtres exigeants qui grondaient toujours. Les Vazaha ou Blancs, avaient la réputation d'être exigeants. [2.415 #781]

Proverb 58Maromaroa ny fiteraka fa tsy ilaozan' izay ho tsara. [2.165 #1869, 2.415 #923, 2.558 #2141]
French translationAyez beaucoup d' enfants car dans le nombre il y en aura de bons. [2.415 #923]
Ayez beaucoup d' enfants, car (parmi eux) il y en aura forcément des bons. [2.165]

Proverb 59Maro ny mpihira fa ny manga feo no izy indrindra. [2.558 #2143]
Maro no mpihira, fa ny manga feo no izy indrindra. [2.653 #1638, 2.415]
Maro no mpihira, fa ny tsara feo no fidina. [2.415]
French translationIl y a beaucoup de chanteurs, mais c' est celui qui a une belle voix qui est le meilleur et qui est choisi. [2.415 #3587]
French interpretationParmi les bons on choisit les meilleurs pour discourir ou commander. [2.415 #3587]

Proverb 60Maro ny valala, fa ny ambolo no tsara soratra. [2.415 #5100]
French translationNombreuses sont les sauterelles, mais c' est la sauterelle ambolo qui a de belles couleurs. [2.415]
French interpretationSe disait d'une personne aimée. [2.415]

Proverb 61Maso voan' ny sakay, ka ny sisa no tandremana tsara. [2.558 #2162]
Maso voan-tsakay ka ny sisa no tandremana. [2.415, 1.1]
Maso voa sakay, ka ny sisa no tandremana. [2.165 #1133]
Maso voa sakay : ny sisa no tandremana. [2.974 #269]
Maso voa sakay : ny sisa no tandremo tsara. [2.653]
Malagasy interpretationRaha indray mandeha no voan-javatra, mitandrina mafy tsy ho voa intsony amin' ny sisa. [1.1]
French translationOeil atteint par le piment : faites attention à l'avenir. [2.415]
Quand le piment vous est entré dans les yeux, il ne reste qu’à s’en préserver à l’avenir. [2.974 #269]
Quand on a eu les yeux piqués par le piment (une fois), on est sur ses gardes à l' avenir. [2.165]
French interpretationUne fois atteint il est trop tard, mais il faut être sur ses gardes pour l'avenir. [2.415 #2721]

Proverb 62Matokia manenona, fa tsara kofehy hanenjanana. [2.558 #2188, 2.653]

Proverb 63Mena fify tahaka ny henan-kisoa tsara ritra. [2.558 #2223]
Menafify toy ny henan-kisoa ritra. [2.415 #4520, 2.653 #1700]
French translationRouge foncé comme de la viande de porc rôtie. [2.415 #4520]

Proverb 64Mianara mamindra, fandrao bingo ; mahaiza mitsako, sao kenda; misakafoa tsara mba tsy ho reraka. [2.415 #6189]
French translationApprenez à marcher pour ne pas devenir bancal ; apprenez à mâcher pour ne pas vous étrangler ; mangez bien pour que vos forces ne défaillent pas. [2.415 #6189]
French interpretationEn tout, il est nécessaire d' apprendre. [2.415 #6189]

Proverb 65Miaraka amin' ny ferena, ka ny tsara fanahy no maimbo. [2.165 #281]
French translationEn allant avec quelqu' un couvert de plaies, les bons seront déshonorés (litt. puants). [2.165]

Proverb 66Miaraka efatra manaratsy dia, telo misy ambiny, ny tokana tsy ampy fa ny roa no tsara indrindra. [2.558]

Proverb 67Midera ny ratsy : manambany tena, mankahala ny tsara : be fialonana. [2.558 #2276]

Proverb 68Midera ny ratsy, mila angatra ho any tena; manaratsy ny tsara, manao balam-pom-boninahitra. [2.653 #1741]

Proverb 69Mihazakazaka tratran' ny miadana. [1.1]
Mihazakazaka tratry ny miadana. [2.415 #6174]
Mihevera tsara sao mihazakazaka tratry ny miadana. [2.558 #2323]
Nahoana no mihazakazaka tratry ny miadana? [2.165 #674, 2.653]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny olona mirotoroto foana na maimay fotsiny fa tsy mahatozo ka tratran' ny mandeha milamina tsy miriodriotra firy. [1.1]
French translationCelui qui court est souvent atteint et même dépassé par celui qui va lentement. [2.415 #6174]
Comment se fait-il que ceux qui courent soient rattrapés par ceux qui vont lentement? [2.165]
French interpretationCelui qui se presse trop, fait mal sa besogne et est obligé de recommencer. [2.415 #6174]
Comme dans la fable du lièvre et de la tortue. [2.165]

Proverb 70Mihevera tsara fa ny andro iray no tsy tanty. [2.165 #1167, 2.415 #6235]
Mihevera tsara fa ny andro iray no tsy zaka. [2.558 #2322]
French translationFaites bien attention car il suffit d' un jour pour un malheur. [2.415 #6235]
Prenez garde, car il suffit d' un jour pour qu' une catastrophe se produise. [2.165 #1167]

Proverb 71Miorena tsara raha hiorina, fa aza manao sarin-domano. [2.415 #3356]
French translationSi vous voulez faire valoir vos droits, précisez-les, mais ne faites pas des détours et des feintes comme les nageurs. [2.415 #3356]
French interpretationSe disait de ceux qui ont des prétentions vagues. [2.415 #3356]

Proverb 72Mitavandra saimbo tsara, mangaro vary miongana. [1.147 #M120]

Proverb 73Mitondra teny tsy azo, ka averimberin' ny olona mandrakariva haka fototra tsara. [2.415 #3409]
French translationCommissionnaire qui part trop vite : il porte des paroles qu' il ne comprend pas et on le renvoie sans cesse pour se mieux renseigner. [2.415 #3409]

Proverb 74Mody mandefitra (tsara imaso) kanjo handrobo. [2.558 #2547]

Proverb 75Na dia eo aza ny akanga tsara soratra, ny afindrafindrao tsy azo avela. [1.62]
Malagasy interpretationTsy ny fomba aman-panao entin' ny vahiny avy any ivelany mihitsy no hanariana an'izay mahazatra sy maha izy ny tena, na dia atao aza hoe misy mitondra soa ihany amin'ireny fanao vahiny ireny. [1.62]

Proverb 76Nahoana no hena tsara no handrahoina ka kitay fakoina no zahana ? [2.558]
Nahoana no hena tsara no hohandroina, ka dia kitay fakoina no tadiavina ? [2.415 #4540, 2.653 #2043]
French translationPourquoi, lorsqu' on a une bonne viande à faire cuire, aller chercher des détritus ramassés partout, au lieu de paille à brûler ? [2.415 #4540]
French interpretationPar paresse ou économie mal entendue, on risque d' avoir une viande mal cuite. [2.415 #4540]

Proverb 77Namono akoho tsara ihany, ka namonoam-borombe vao torana! [2.558 #2736]
Namonoana akoho tsara ihany ; ka namonoam-borombe vao torana. [2.653]

Proverb 78Natory tsara ondana, fa tsy afak' aretina. [2.415 #3282]
French translationDormir sur un bon oreiller, sans être débarrassé de sa maladie. [2.415 #3282]
French interpretationLes soucis restent. [2.415 #3282]

Proverb 79Na tsara aza ny mizara, ny hizara sofi-toho mahasanganehana. [2.558 #2772]

Proverb 80Ny andevo loza tompo no tsara midina, tsy ampy ny omen’ ny tompony. [2.415 #2317]
French translationLes esclaves auxquels les maîtres ne donnent pas de quoi se vêtir, revêtent les habits de leurs maîtres lorsqu' ils descendent les laver. [2.415 #2317]
French interpretationSe disait des maîtres avares. [2.415 #2317]

Proverb 81Ny fahamarinana no mpiaro tsara indrindra. [2.415 #2957]
French translationLa justice et la vérité sont les meilleurs protecteurs. [2.415 #2957]

Proverb 82Ny fitiavana no tsara noho ny rakitra saro-bidy. [2.415 #5121]
French translationL' affection vaut plus qu'un trésor. [2.415 #5121]

Proverb 83Ny hazo no vanon-ko lakana, ao ny ala naniriany. [2.415 #2774, 2.165]
Ny hazo no vanon-ko lakana: ny tany naniriany no tsara. [1.1]
Malagasy interpretationNy zavatra no vanona dia ny any amin' ny fototra no tsara. [1.1]
Ny zavatra tsara dia avy amin' ny zavatra tsara ihany. [1.1]
French translationSi avec un arbre, on peut faire une pirogue c' est grâce à la forêt où il a poussé. [2.165]
Si on peut faire une pirogue avec un arbre, c' est que l' arbre a poussé dans la forêt. [2.415 #2774]

Proverb 84Ny hazo tsara mamoa tsara, ny hazo ratsy mamoa ratsy. [2.415 #2962]
French translationLe bon arbre produit de bons fruits, la mauvais arbre produit de mauvais fruits. [2.415 #2962]
French interpretationSe disait de la conduite, bonne ou mauvaise. [2.415 #2962]

Proverb 85Ny kitoza no tsara mihantona, fa ny teny tsy mba tsara mihantona. [2.653]
Ny kitoza no tsara mihantona, fa ny teny tsy tsara mihantona. [2.165 #336]
Ny kitoza no tsara mihantona fa tsy ny teny. [2.558 #3052]
French translationIl est bon de suspendre le "kitoza" mais non pas les querelles. [2.165]
French interpretationC. à. d. qu' avec le temps les querelles ne font que s' envenimer; on appelle "kitoza" de la viande coupée en longues tranches et boucanée au feu ou au soleil. [2.165]

Proverb 86Ny maharenin-janaka tsara anao no mavokely tsy miofo, ka hitiavan' ny vadinao anao ambaraka antitra. [2.415 #1312]
French translationParce que que tu as de nombreux enfants, tu es comme une étoffe de couleur rose qui garde l' éclat de sa couleur, et tu seras aimée de ton mari jusque, dans ta vieillesse. [2.415 #1312]
French interpretationParoles dites à l'épouse féconde ; les femmes stériles étaient souvent répudiées. [2.415 #1312]

Proverb 87Ny mangotraka naman’ ny masaka; ny tsara antoka naman’ ny lasa. [2.653 #2327]
Ny mangotraka naman' ny masaka, ny tsara mpiantoka naman' ny vonona. [2.558 #3119]

Proverb 88Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny halehiben' ny fahaizana miteny sy mandahatra ka izay tsy mahazava sy manohana ny marina ananany dia mety ho resin' ny lainga voalahatra amin' ny teny mirindra tsara. [1.1]

Proverb 89Ny maty no tsara levenana, ny velona no mifankatia. [2.558 #3137]

Proverb 90Ny miara-komana no tsara, hoy Rainibango. [2.558 #3144, 2.653 #2347]

Proverb 91Ny mpanjatobe roa ray : anatiny mahazo ny trafony, ivelany milanja ny tratrany. [2.558 #3158]
Ny mpanjatobe tsara ray roa, ka anatiny mahazo ny trafony, any ivelany milanja ny tratrany. [2.653 #2354]
Ny mpanjatobe tsara ray roa, ka anatiny mahazo trafony, any ivelany milanja ny tratrany. [2.415 #2228]
French translationLes richards ont deux prérogatives : chez eux ils ont la bosse du boeuf, dehors ils emportent la poitrine. [2.415]

Proverb 92Ny nifin’ ondry no tsara tokana, fa ny mandeha irery tsy valiana. [2.653]
Ny nifin’ ondry no tsara tokana, fa ny teny tsy tsara tokana. [2.653]
Ny nifin' ondry no tsara tokana fa tsy ny teny. [2.558 #3171]

Proverb 93Ny raharaha maharitra ela no tsara indrindra. [2.415 #3290]
French translationLes affaires les meilleures sont celles qui durent longtemps, parce qu' elles sont mieux approfondies. [2.415 #3290]

Proverb 94Ny raharaha no lavorary : ny tenierana no tsara. [2.558 #3210]

Proverb 95Ny roa no tsara noho ny iray; raha lavo, misy mpanarina. [2.165 #243]
French translationDeux valent mieux qu' un; car si l' un tombe, l' autre le relève. [2.165 #243]

Proverb 96Ny sitran-tsy miody mba tsara ihany. [2.165 #2090, 2.415 #2816]
Ny sitran-tsy miody mba tsara ihany, fa ny maty tsy vita ala nenina dia avo telo heny ny alahelo. [2.558]
French translationIl est bon de guérir sans prendre de remèdes. [2.415 #2816]
Il n' est pas mauvais de guérir sans prendre de remèdes. [2.165]

Proverb 97Ny soa filaza, ny tsara mahate-hihaino. [2.415 #2972]
French translationLe bien se dit, il se fait écouter. [2.415 #2972]

Proverb 98Ny teny toy ny fonosana ka izay mamatotra no tsara mamaha. [2.558 #3286]
Ny teny toy ny fonosana : ka izay mamono no mamaha. [2.165 #545, 2.415 #4795, 2.653 #2495]
French translationLa parole est comme le noeud fait au coin du lamba pour envelopper quelque chose : c' est celui qui a fait le noeud qui peut le délier. [2.415]
Les paroles sont comme un paquet, et c' est celui qui l' a attaché qui le détache aussi. [2.165]
French interpretationSe disait surtout des contrats : seuls les contractants peuvent se délier. [2.415]

Proverb 99Ny tsara lafin-kavana dia sambatra, ny ratsy lafin-kavana dia sambotra. [2.415 #1122, 2.653 #2514]
French translationCeux qui appartiennent à une bonne parenté sont heureux ; ceux qui appartiennent à une mauvaise parenté sont malheureux comme des esclaves pris à la guerre. [2.415 #1122]
French interpretationCe proverbe, fait d'un jeu de mots entre sambatra et sambotra, disait la puissance du lien familial. [2.415 #1122]

Proverb 100Ny tsara no haratsina, ny halavolo ; ny ratsy no hatsaraina, voasisika. [2.415 #4886, 2.653 #2515]
French translationSi on dénigre un homme de bien, c' est par aversion ; si on dit du bien d' un méchant, c' est qu' on a été séduit par ses cadeaux. [2.415 #4886]

Proverb 101Ny tsara sarotro tsy mba lena, ny tsara kiady tsy mba hanin' omby voly. [2.415 #820, 2.653]
French translationCelui qui est muni d' un bon capuchon n' est pas mouillé, celui dont la propriété est protégée par un bon poteau de défense n' a pas ses champs dévastés par les boeufs. [2.415]
French interpretationOn n' a rien à craindre quand on possède un bon protecteur. [2.415 #820]

Proverb 102Ny tsy mana-mpananatra no ratsy, fa raha mana-mpananatra dia tsara izany. [2.415 #6523, 2.653 #2522]
French translationCe qui est mauvais, c' est de n' avoir personne qui vous avertisse ; mais quand on a quelqu' un qui vous avertit et réprimande, c' est bien. [2.415 #6523]

Proverb 103Ombalahy lafon' ny feony. [1.1]
Ombalahy lafon' ny vavany. [1.1]
Ombalahy tsara feo : lafon' ny vavany ihany. [2.415 #6031]
Ombilahy tsara feo ka ny vavany ihany no mahalafo azy. [2.558 #3420]
Ombilahy tsara feo, ka ny vavany no mahalafo azy. [2.165]
Ombilahy tsara feo : lafon’ ny vavany ihany. [2.653]
Malagasy interpretationNy tanjaky ny omby no mazàna jeren' ny mpampiady omby raha mividy omby izy, fa tsy ny fitrenany akory; koa itý ohabolana H.S., dia enti-milaza ny olona izay zavatra tsy dia manao ahoana loatra no mampisy vidiny azy. [1.1]
French translationC' est comme un taureau lâche au combat, mais qui beugle bien : il n'est bien vendu qu' à cause de son gosier. [2.415 #6031]
Un taureau qui a une bonne voix; c' est sa voix (litt. sa bouche) qui le fera vendre. [2.165 #1194]
French interpretationSe disait des fanfarons sans mérite. [2.415 #6031]

Proverb 104Ondrilahy tsara toetra : sady be mangy no lava hofaka; ka manatrika, matin’ ny manginy; miamboho, matin’ ny hofany. [2.415 #2234, 2.558 #3455, 2.653 #2581]
French translationBélier de belle apparence : il a la nuque charnue et la queue longue et grosse ; s' il regarde en face on le tue à cause de la grosseur de sa nuque ; et s' il se retourne on le tue à cause de sa queue. [2.415 #2234]
French interpretationSe disait des gens victimes de leur prospérité et de leurs biens. [2.415 #2234]

Proverb 105Oro tavin’ i Tsiangoana : may tsara, tsy may tsara. [1.147 #O26]

Proverb 106Raha kamboty tsara laoka, ary malahelo ary fady, dia mba isan' ny mpanan-karena ihany. [2.415 #1039, 2.653]
Raha kamboty tsara laoka, ka malahelo àry fady, dia isan' ny mpanana ihany. [2.558 #3589]
French translationOrphelin qui trouve une bonne nourriture, et malheureux qui ne manque de rien : c' est comme s' ils étaient riches. [2.415 #1039]
French interpretationCe proverbe se disait des bonnes aubaines. [2.415 #1039]

Proverb 107Raha manala ny nifin’ ny sasany, tsy maninon-tsy maninona; raha mba halan’ olona nify, hilaza hoe: "Faravazako". [2.653 #2685]
Raha manala ny nifin' olona tsara ihany, ka nony alan' olo-nify, ka hilaza hoe : faravazako io! [2.558 #3614]

Proverb 108Raha misy milaza azy ho amalon-javatra, ny aty kosa fintana tsara tefy. [2.558 #234]

Proverb 109Raha mitsidika be. [2.415 #6600]
Raha tsara ny andro. [2.415 #6600]
French translationQuand le soleil entre plus avant dans la maison : vers deux heures après midi. [2.415 #6600]

Proverb 110Raha mpivady tsy hifanaja, ka dia ny mianadahy mifanaja no tsara. [2.415]
Raha mpivady tsy hifankatia, ka dia ny mianadahy mifanaja no tsara. [2.415]
Raha mpivady tsy hifankatia: ny mianadahy mifanaja no tsara. [2.558 #3630, 2.653 #2701]
French translationLorsque des époux ne s' aiment plus et ne se respectent plus, il vaut mieux que le divorce soit prononcé et que la femme redevienne la soeur respectée et protégée de son frère. [2.415]

Proverb 111Raha omby mianaka ratsy foana, tsy mahaleo ny hadivory tsara rano velona manandriana olona. [2.415 #2237, 2.558 #3644, 2.653]
French translationUne mauvaise vache laitière avec son veau, cela ne vaut pas une bonne habitation entourée de fossés protecteurs et pourvue d' une bonne eau courante qui donne aux habitants un air de prospérité. [2.415 #2237]

Proverb 112Raha tsara ny vadin-drahalahy, dia amosavina ny rahalahy hitondrana loloha ; raha be omby sy be andevo, isomparana hahazahoana harena. [2.415 #1163]
French translationUne homme qui a une belle-soeur, belle et sage, jette un sort à son frère pour le faire mourir et épouser la veuve ; s' il convoite les boeufs et les esclaves de son frère, il lui cause du tort pour s' enrichir. [2.415]

Proverb 113Raha vazo mitovy ihany, ahoana no hita rano. [2.558 #3678]
Raha vazo mitovitovy ihany, dia ny tsy mita rano no akariko ho vady. [2.415 #780, 2.653]
Raha vazo mitovitovy ihany, dia ny tsy mita rano no alaina. [2.415 #1232]
Raha vazo mitovitovy ihany, dia ny tsy mita rano no tsara. [2.165]
French translationEntre deux femmes de qualités égales, il vaut mieux prendre la plus proche, celle qui n' est pas de l' autre côté de l' eau. [2.415 #1232]
Entre deux maîtresses qui se valent à peu près, je prends pour femme celle que je peux avoir sans passer la rivière. [2.415 #780]
S' il s' agit de deux jeunes filles de condition à peu près égale, je prendrai plutôt celle pour laquelle il n' est pas besoin de traverser l' eau. [2.165]
French interpretationEntre deux biens, il faut prendre le plus sûr ou le plus facile. [2.415 #780]
Les choses étant à peu près égales par ailleurs, on choisit toujours la plus facile à faire. [2.165]
Se disait pour le choix d'une maîtresse, ou pour celui d' une fiancée ; sens plus général : entre deux affaires d' égale importance, il faut choisir la plus facile. [2.415 #1232]

Proverb 114Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matomperiny ary mivimbina ny avany, dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra. [2.165 #1852, 2.415 #1472]
French translationSi votre gendre achète bien et porte à la main un beau morceau de graisse, ce n' est plus un gendre mais un vrai fils. [2.415]
Si vous avez un gendre qui achète bien et apporte un bon morceau de graisse à la main, ce n'est plus un gendre, c'est un vrai fils. [2.165]

Proverb 115Rainiketaka maty vady : tsara ny ro anaka. [1.147 #R14]

Proverb 116Randran-dRenivarengina : ny tsy nanina tsara tahatry ny tsy nanina. [1.147 #R25]

Proverb 117Rangahy no tsara angady, ka Rafotsy no mandimandina ; Rangahy no maty fonosana, ka Rafotsy no mafana tokantrano. [2.415 #1326]
French translationL' homme travaille bien ses rizières et la femme est bien propre ; l' homme garde bien ses richesses et la femme est active à soigner son ménage. [2.415 #1326]
French interpretationSe disait des époux laborieux et bien d'accord. [2.415 #1326]

Proverb 118Ranomasina tsara tsinjovina; fanahim-bady tsara tsy hita. [1.147 #R40]

Proverb 119Ratsy tarehy ambinin-doza, ka mirakaraka vao tsara. [2.165 #1291]
Ratsy tarehy ambinin-doza : mirakaraka vao soa. [2.558 #3726]
Ratsy tarehy ambinin-doza : mirakaraka vao tsara. [2.415 #1784, 2.653 #2769]
French translationLaide à qui le malheur porte bonheur : c' est quand elle a les cheveux éparpillés et en désordre en signe de deuil, qu' elle commence à être bien. [2.415 #1784]
Une femme laide qui profite par son malheur, car quand ses cheveux sont défaits, elle parait jolie. Les femmes malgaches se défont les cheveux pour marquer leur deuil. [2.165]
French interpretationCe proverbe correspond à: A quelque chose malheur est bon. [2.165]

Proverb 120Sabakaka ambody riana : tsara toerana, fa tsy mahita tory. [2.653 #2809, 2.974 #279]
French translationCrapaud au-dessous d’une cascade : le paysage est superbe, mais le sommeil est impossible. [2.974 #279]

Proverb 121Sakafo tsara saro-baliana. [2.558 #3793, 2.653 #2827]

Proverb 122Sakalava very omby ka ny sisa no atao tsara (mafy) hidy. [2.558 #3800]

Proverb 123Sodifafana an-tanin-drazana: na atsipy aza mandohalika ihany. [2.415 #6487, 2.653]
Sodifafana atsipy vao mandohalika. [2.415 #6488]
Sodifafana ka atsipy vao manongalika. [2.415 #6488]
Sodifafana ka natsipy any an-kady vao manongalika (tsara toerana). [2.558 #3910]
Tahaka ny sodifafana : atsipy vao mandohalika. [2.653 #2965]
French translationPlante sodifafana dans sa terre : elle a beau être renversée à terre, elle s' agenouille. [2.415 #6487]
Plante sodifafana : lorsqu' on la renverse et jette à terre, elle se recourbe et semble fléchir le genou. [2.415 #6488]
French interpretationAllusion à la forme recourbée de cette plante. Ce proverbe se disait des personnes tellement attachées quelles acceptent tous les traitements. [2.415 #6487]
Se disait des gens qui ont besoin, pour s' amender, d' être traités sévèrement ; il se disait par exemple, dans le mariage, des femmes difficiles à traiter. [2.415 #6488]

Proverb 124Sora-damba napetaka amin’ ny maty : tsara tsy azo alaina. [1.147 #S44]

Proverb 125Sora-damba tran-tompony : tsara fidy loatra. [1.147 #S45]

Proverb 126Sosoa rano nidinan-dronono : tsara ambonin’ ny tsara. [1.147 #S53]

Proverb 127Tahaka ny sodifafana : nariana any an-kady, vao tsara faniry. [2.558]

Proverb 128Tandroho tsara ladina no ao ka aza mitsipelika ho amalon-javatra! [2.558 #4040]

Proverb 129Tanimanga voaevotra, ka miampy kely dia takotra. [2.558 #4043]
Tanimanga voahevitra ka raha miampy kely dia takotra. [2.415 #3303, 1.1]
Tanimanga voahevitra: miampy kely dia takotra. [2.165 #1224, 2.653 #3009]
Malagasy interpretationEnti-milaza izay efa tsara karakara na fiomanana ka mora dia mora ny mamita azy ho tonga lafatra. [1.1]
French translationAvec de l' argile bien préparée, on fait facilement un couvercle de marmite. [2.415 #3303]
Un morceau d' argile dont on pensait faire quelque chose: on y ajoute un peu, et c' est un couvercle de marmite. [2.165]
French interpretationAffaire bien préparée est facile à exécuter. [2.415 #3303]
Se dit d' une idée à peu près mûre, ou d'une chose à laquelle il ne manque pas beaucoup pour être terminée. [2.165]

Proverb 130Tanora tsara, fa antitra vao ratsy tahaka ny vero. [2.558 #4065]
Toy ny vero : tsara faniry fa ratsy antitra. [2.165 #1946, 2.415 #1868, 2.653]
French translationComme les "vero" (longues herbes): elles poussent bien, mais ne sont pas bonnes une fois vieilles. [2.165 #1946]
Les gens c' est comme l' herbe haute qu' on appelle vero : c' est bien quand cela pousse et quand c' est vert, mais quand c' est vieux et desséché c' est vilain. [2.415 #1868]

Proverb 131Tohy vakan’ Antalaotra, tsara lahatra. [1.147 #T78]

Proverb 132Toy ny rano ny harena, ka tsy izay mahery mantsaka no manam-be, fa izay tsara sinibe. [2.558 #4318]

Proverb 133Tolon’ aomby an-tsavoka : tsy azoazoko tsara. [1.147 #T84]

Proverb 134Tombo-dambo alina : mahavoa tsara, tsy mahavoa tsara. [1.147 #T101]

Proverb 135Totozy latsaka amy ny hero-dronono: maty, tsara fonosana; velona, fotsy volom-bava sady tsara lamba hitafy. [2.653 #3162]
Totozy latsaka amin' ny hero-dronono : maty tsara fonosana, velona fotsy volombava, sady tsara lamba fitafy. [2.558]
Totozy latsaka amin' ny hero-dronono : maty, tsara fonosana ; velona, fotsy volombava sady tsara lamba hitafy. [2.415 #1588]
French translationSouris qui tombe dans la crème du lait : morte elle est bien enveloppée ; vivante elle a la moustache blanche et le lamba qui la couvre est bien beau. [2.415 #1588]
French interpretationSe disait des parures des jeunes filles courtisées. [2.415 #1588]

Proverb 136Traotrao vandana, kibo voananto : izay tiam-bady tsara fanahy. [1.147 #T128]

Proverb 137Tsara aloha, fa ratsy aoriana, hoatry ny omby folona. [2.415 #1723]
Tsara aloha fa ratsy aoriana, ohatra ny omby folona. [2.653]
Tsara aloha fa ratsy aoriana, toy ny omby bory rambo. [2.558]
Tsara aloha fa ratsy aoriana, toy ny omby folona. [2.558]
French translationBeau par devant mais laid par derrière, comme un boeuf dont la queue est coupée. [2.415]
French interpretationCe proverbe, outre son.sens matériel, avait un sens moral et se disait des gens qu' on encensait par devant et qu' on dénigrait par derrière. [2.415 #1723]

Proverb 138Tsara didy fa misy tangozany; tsara hatsaka fa misy volony. [2.165 #2307]

Proverb 139Tsara fa tsy angatra. [2.415 #5967]
French translationDont on ne peut nier la bonté sans mentir. [2.415]
French interpretationIl ne faut pas pousser la bonté jusqu'à la faiblesse : on y perd toute autorité. [2.415]

Proverb 140Tsara hateloana, hoatry ny be volombava noharasana. [2.415 #1724]
Tsara hateloana, ohatra ny be volom-bava noharasana. [2.653]
Tsara hateloana ohatra ny be volom-bava noharatana. [2.558]
Tsara hateloana ohatra ny volom-bava haratana. [2.165]
French translationBeau pendant trois jours comme un homme à forte barbe qu' on a rasée. [2.415 #1724]
Bon pour trois jours, comme lorsqu' on vient de se raser. [2.165 #113]
French interpretationSe disait de charmes de peu de durée. [2.415 #1724]

Proverb 141Tsara kely, hoatry ny zanak' Inamehana. [2.415 #1541]
Tsara kely, ohatra ny zanak’ Inamehana. [2.653]
French translationBeau pendant l' enfance, comme les enfants de Namehana. [2.415 #1541]

Proverb 142Tsara manitra afon' anjavidy, kitain' ny mpanjaka. [2.415 #260]
French translationFeu d'ambaville au doux parfum, feu de roi. [2.415 #260]
French interpretationL' ambaville était une haute bruyère très inflammable et de bonne odeur que les Malgaches appréciaient beaucoup pour le chauffage ; les meilleures choses sont pour le souverain ; elles sont dignes de lui. [2.415 #260]

Proverb 143Tsara miankandrefana hoatry ny miaramila rombina. [2.415 #4031]
Tsara miankandrefana, ohatra ny miaramila rombina. [2.653]
Tsara miankandrefana sahala amin' ny miaramila rombina. [2.558 #4405]
French translationQui se trouve bien quand il va vers l' ouest, comme un soldat qui a un bec-de-lièvre. [2.415 #4031]
French interpretationAllusion au vent de l'est très fréquent. [2.415 #4031]

Proverb 144Tsara mim-bahiny : tsara voadonan-dananana. [1.147 #T136]

Proverb 145Tsara min-tambako : tsara mahamamo. [1.147 #T137]

Proverb 146Tsara ny miezaka fa iaraha-manana amin' ny amboa. [2.558 #4408]
Tsara ny miezaka, kanefa omban' ny amboa manana. [2.165 #1242]
Tsara ny miezaka, saingy omban’ ny amboa manana. [2.415 #3822, 2.653 #3286]
French translationC'est très beau d'aller vite, mais on a cela de commun avec les chiens. [2.415 #3822]
Il est bon de courir (de toutes ses forces), mais un chien en fait autant. [2.165]
French interpretationDonc, il ne faut pas s' en vanter. [2.165]
Il ne suffit pas d' aller vite, mais il faut bien faire. [2.415 #3822]

Proverb 147Tsara ny tantana, fa ny rafozana no tsy enina. [1.1]
Tsara ny tantana fa ny rafozana no tsy henina. [2.558 #4409]
Tsara ny tantana, fa sangy ny rafozana no tsy enina. [2.415 #1479]
Tsara ny tatana, fa saingy ny rafozana no tsy enina. [2.653 #3287]
Tsara ny tatana, fa taingy ny rafozana no tsy enina. [2.165 #1844]
Malagasy interpretationAza atao be ny raharaha ka ny voly vary indray no tsy efa. [1.1]
Ny tena zavatra indray no hadino. [1.1]
French translationLa distribution de viande est parfaite mais les beaux-parents n' ont pas reçu leur part. [2.415 #1479]
La viande (ou le riz) a été bien partagée, mais les beaux-parents n' ont pas eu leur part. [2.165]
French interpretationC' était dire avec ironie que la distribution était mal faite. [2.415 #1479]
Grave faute! [2.165]

Proverb 148Tsara raha maniry zaza ka tera-dahy. [2.415 #948]
Tsara raha maniry zaza ka tera-dahy, naniry harena ka nahavita trano. [2.558 #4411]
Tsara raha naniry zaza ka tera-dahy. [2.653 #3289, 2.974 #128]
French translationHeureuse la femme qui désirait un enfant et qui a mis au monde un fils. [2.415 #948]
Il est doux, quand on a désiré un enfant, d’avoir un garçon. [2.974 #128]
French interpretationSe disait de ceux qui voyaient leurs désirs se réaliser. [2.415 #948]

Proverb 149Tsara Ramatoa, tsara Raivo, fa i Fara manan-tombo kokoa. [2.558 #4412]

Proverb 150Tsara tarehy petaka orona ka voatondro iray no tsy naha-izy azy. [1.1]
Malagasy interpretationZavatra kely matetika dia ampy hanimba zavatra iray izay mety ho tsara amin' ny ankapobeny. [1.1]

Proverb 151Tsara tarehy tsy endrehin-dravaka: aoka hitoetra amy ny vintan’ Anahary. [2.653 #3290]
Tsara tarehy tsy endrehin-dravaka : aoka hitoetra amin' ny vita-Nanahary. [2.415 #2471, 2.558 #4413]
Tsy endrehin-dravaka : aoka hitoetra amin' ny vita-Nanahary. [2.415 #2471]
French translationBeau visage auquel les parures ne vont pas : il n' a qu' à rester dans l' état où le Créateur l' a fait. [2.415 #2471]
French interpretationSe disait des personnes sur qui les parures jurent. [2.415 #2471]

Proverb 152Tsara vava ka mahafa-kenatra, mahay mihatsaravelatsihy ka tsy hita kilema loatra. [2.558 #4414]

Proverb 153Tsara volana imaso. [2.415 #4960]
Tsara volana imaso, tahaka ny ombin' Imantasoa. [2.558 #4415]
Tsara volan’ imaso, ohatra ny ombin’ Imantasoa. [2.653]
French translationQui donne de bonnes paroles en face. [2.415 #4960]
French interpretationSe disait des hypocrites. [2.415 #4960]

Proverb 154Tsara zanaka, ka afa-tondro-maso ary tsy mandry ama-nenina. [2.558 #4416]

Proverb 155Tsy mety raha tsara vava ririnina, toy ny voalobok’ Ambohidrano. [2.653 #3493]

Proverb 156Tsy misy tsara feo noho ny papelika, fa midoka tena ka mahamonaina. [2.558 #307]
Tsy misy tsara feo noho ny papelika; fa raha midoka tena, mahamonamonaina. [2.653 #3548]

Proverb 157Tsy misy tsara hoatry ny fanambadiana mifanaraka. [2.415 #1347]
Tsy misy tsara ohatra ny fanambadiana mifanaraka. [2.165]
French translationIl n' y a rien de plus beau qu' un ménage uni. [2.415 #1347]
Rien n' est plus beau (ou meilleur) que des époux unis. [2.165]

Proverb 158Tsy soa tsy ratsy miendrik' androngo : atao tsara milongolingy vava, atao ratsy, be soratsoratra. [2.558 #4795]
Tsy soa tsy ratsy miendrik’ androngo: hatao tsara, longilongy vava; hatao ratsy, be soratsoratra. [2.415 #5835, 2.653 #3578]
French translationNi beau ni laid, comme l' extérieur d' un lézard : pour dire qu' il est beau, il a la bouche trop pointue ; mais pour dire qu' il est laid, il a cependant des bigarrures. [2.415 #5835]

Proverb 159Tsy tsara nify anoloana aho ka hitsako alohan' ny vazana. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny tsy tokony hanaovan-javatra alohan' izay ambony na manam-pahefana noho ny tena. [1.1]

Proverb 160Tsy tsara tsy ratsy ohatra ny andro ririnina. [1.1]
Malagasy interpretationIlazana toe-javatra na toetr' olona tsy hita hatao tsara na ratsy tanteraka (mitovy amin' ny hoe "tsy maina tsy lena" entin' ny olona milaza ny ririnina koa). [1.1]

Proverb 161Tsivohibohitr' ankizy; ka manao soa horavana. [2.165]
Tsivohibohitr' ankizy : manao soa horavana. [2.415 #5345, 2.653 #3328]
Tsivohibohitr' ankizy : vita tsara horavana, vita ratsy horavan-drahateo. [2.558 #4465]
French translationDes petits villages que les enfants font pour s' amuser: ils font quelque chose de joli pour le défaire ensuite. [2.165]
Petits villages faits par des enfants en s' amusant : ce sont de belles choses faites pour être détruites ensuite. [2.415 #5345]
French interpretationSe disait de l'inconstance. [2.415 #5345]

Proverb 162Vady namboarina, ka tsara amin' ny lehibe, fa any ny andro iray. [2.558 #317]

Proverb 163Valam-paria tsara hatsaka : na kely aza, mitety tora-kovitra ihany. [2.653]
Valam-parihy tsara hatsaka, ka na ny kely aza mitety tora-kovitra ihany. [2.165 #1686]
Valam-parihy tsara hatsaka : na ny kely aza mitety mihovitra ihany. [2.558 #4845]
French translationUne bordure (entre deux rizières) trop bien coupée: même les petits qui y passent ne le font pas sans trembler. [2.165]
French interpretationCette bordure, servant aussi de sentier, a été trop coupée, par avarice peut-être, et elle est devenue trop étroite; il y a danger de tomber dans la rizière, d' un côté ou de l' autre. [2.165]

Proverb 164Valavala ny hataka, tambiko ny laho ; mahavoa tsara, tsy mahavoa tsara. [1.147 #V10]

Proverb 165Vehivavy tsara tarehy petaka orona : voantondro iray monja no tsininy. [2.415 #1794, 2.653 #3656]
Vehivavy tsara tarehy petaka orona, voantondro iray no tsininy. [2.415 #1601]
Vehivavy tsara tarehy petaka orona: voatondro iray monja no tsininy. [2.165 #1298]
Vehivavy tsara tarehy petak' orona : ilany kely no tsininy. [2.558 #4917]
Zazavavy soa petaka orona: voantondro iray no tsininy. [2.415 #1601, 2.653 #3785]
Zazavavy tsara voavitsy petak' orona : voatondro iray no tsininy. [2.558 #5099]
French translationFemme jolie mais qui a le nez camus : il ne s' en faut que d' un travers de doigt pour qu'elle soit parfaite. [2.415 #1794]
Jeune fille agréable ou femme au joli visage avec le nez camus : il ne s' en faut que d' un travers de doigt pour quelle soit parfaite. [2.415 #1601]
Une belle femme avec un nez écrasé: elle n' a qu' un tout petit défaut. [2.165]
French interpretationBien difficilement tout est parfait ; ce proverbe se disait des choses qui n' avaient qu' un léger défaut. [2.415 #1601]

Proverb 166Veloma, soava tsara. [2.415 #4181]
French translationVivez, soyez bon et heureux. [2.415 #4181]
French interpretationTermes de remerciements. [2.415 #4181]

Proverb 167"Veloma, soava tsara" , tsy mahavelom-bady aman-janaka. [2.653 #3659, 2.165]
French translationOn ne vivez heureux, prospérez. [2.415 #1356]
Un "au revoir, portez-vous bien" ne suffit pas à entretenir une famille. [2.165]
French interpretationCe proverbe a été inventé et mis en circulation par le missionnaire J. Parrett qui, sous l' ancien royaume malgache, avait remarqué combien souvent un fonctionnaire se contentait, pour tout paiement, de dire ces paroles à ceux qui avaient travaillé dur pour lui. [2.165]

Proverb 168Voahangy tsara vaventy fihaingoa-mahafa-kenatra. [2.415 #2476, 2.558 #4965, 2.653 #3689]
French translationBelles et grosses perles : parure qui sauve de toute humiliation. [2.415 #2476]

Proverb 169Voalongoza lanim-panaloka : tsara manam-boho. [1.147 #V72]

Proverb 170Vomanga miotrika ampombo : na mba tsara ihany fa fotsy ratsy. [2.415 #2267]
Vomanga miotrika ampombo : na mba vaventy ihany aza, dia sady matsatso no fotsy ratsy kosa. [2.415 #2267]
Vomanga miotrika ampombo : tsara ihany fa fotsy ratsy. [2.558 #324, 2.653]
French translationPatates cuites au feu de son : elles ont beau être grosses, elles sont fades et d' un blanc sale. [2.415 #2267]
French interpretationSe disait parfois de certains riches et des richesses mal acquises. [2.415 #2267]

Proverb 171Vonizongo very omby : ny sisa no hatao tsara hidy. [2.415 #6263, 2.653 #3737]
French translationHomme des Vonizongo qui a perdu un boeuf : il enfermera bien les autres. [2.415]
French interpretationUn homme averti en vaut deux. [2.415 #6263]

Proverb 172Vorondolo mitera-boromanga ka tsara indray noho rainy. [2.165 #1895]
Vorondolo nitera-boromanga, ka tsara indray noho rainy. [2.415 #1012]
French translationHibou qui a donné naissance à un oiseau bleu : celui-ci est plus beau que son père. [2.415 #1012]
Un hibou qui a donné naissance à un oiseau bleu, ce dernier est plus beau que son père. [2.165]
French interpretationEnfant qui dépasse ses parents. [2.415 #1012]

Proverb 173Voronkontsy nihoatr’ ala : levona ny raha tsara ratsy remby. [1.147 #V103]

Proverb 174Zanak' olon-tsy vadiana toa tsara tarehy. [2.558 #5084]

Index