Entry (1/2) | 1 dihy |
Part of speech | 2 noun |
Explanations in Malagasy |
3 [1.1] fampisehoam-pihetsehana ataon' ny tena manontolo: loha, tanana, tongotra, ary indraindray koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana Toetran' ny fanidin' ny vorona eny amin' ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany |
Explanations in English |
4 [1.2] a dance, dancing in the native style. See danise, tsinjaka 5 [1.7] a dance, dancing |
Explanations in French |
6 [1.3#102, 1.8] danse 7 [1.3#102] sautillement, tournoiement de la toupie, du fuseau le trémoussement des ailes d’un oiseau planant au même point |
Examples |
8 [2.245] Velona indray ny hira amana dihy natao teo tamin' ny ndeha hangataka iny.
9 [2.5] Inona kosa, hoy Noro nony efa nitonitony izy, no tsy nitiavanao ny dihy? 10 [2.313] Tsimpony ny teny rehetra mampiseho ny maha-malagasy ny dihy sy ny mpandihy. |
Derivatives |
|
All compound words | 20 14 words containing dihy |
Synonyms | 21 danise, tsinjaka |
Analogs | 22 tsinjaka, sahoby, totorebika, tsipisandry, velatanana, dihy soroka, dada, jaiko, soamaroroka, tsaramiera, soratra, afindrafindrao, salegy |
Proverbs | 23 Proverbs containing the word dihy |
Entry (2/2) | 24 Dihy |
Part of speech | 25 name (poem title) [Full list] |
Elementary words | 26 dihy |
Vocabulary | 27 Literature: poems |
Author |
28 Rabearivelo Jean-Joseph |
Full text |
29 Ritsodritso-baliha telo, 30 gobogobok' ampongatapaka, 31 lokanga dimy indray dinidy 32 sy sodin-taolana tsara loaka. 33 Io misonenika Ratovovavy, 34 miakanjo manga marain-droa ! 35 Ny lamba valaka mavokely; 36 raozy gasy ao anaty volo. 37 Tsoakam-bero sa bararata 38 mihararetra any amoron' ala ? 39 Sidintsidin' ny andro meva, 40 sa angidi-mangan' ny eny an' ony? 41 Io misonenika Ratovovavy, 42 moana tahaka ny Fiadanana; 43 valiha telo, ampongatapaka, 44 lokanga, sodina no indray henony. 45 Fa injay ny molony mangovingovitra, 46 ipololoran'ny nofinofy; 47 tsy toha intsony ka zary kalo, 48 dia zary hira nony efa avy eo. 49 Mba hontsa koa Ravaviantitra, 50 ka io mirotsaka mba handihy, 51 mitari-joro ny ila sikiny, 52 dia toy ny androny mirefarefa. 53 Tsy kalokalo na hirahira 54 no mampifelana izato endriny, 55 ranomaso no mamonto azy, 56 mahatsiaro ny maty rehetra... 57 Mahatsiaro... Toa fenomanana 58 efa ho rendrika tsy ho hita. 59 inty mihintsana ny lohataona 60 ka zary fasana ravi-maina... 61 Dia mifanojo ny loha tondro, 62 ny tondro mihantsin-dRatovovavy 63 sy ny tondro efa fola-dRavaviantitra, 64 samy tanteraky ny hazavana. 65 Mifanojo ka toa tetezana 66 ifanohizan' ny alin-kely 67 efa foy ery an-tendrombohitra, 68 sy ny andro maneno akoho ! |
Anagrams | 69 dihy, Dihy, 70 hidy |
Updated on 2025/09/13 |
![]() |