|
|
|
|

Entry (1/3)1  sambatra
Part of speech  2  adjective
Explanations in Malagasy  3 Miadana, tsy manan-java-mahory, tretrika: Raha te ho sambatra ianao, rahatrizay, mianara tsara ary miasà mafy
4 Miadan-tsaina, milamin-tsaina, finaritra: Sambatra izany fianakaviana mifankatia izany
5 Mananjara, tsara vintana, ambinina: Sambatra izy nahazo vady hendry [1.1]
Explanations in English  6 blessed, happy [1.7]
Explanations in French  7 heureux, béni [1.8]
Examples  8  Nahatsiaro ho sambatra ery izahay mianakavy nony nandry voalohany tamin' ny tranonay vaovao. [2.472]
Derivatives 
Active verbs :
Names :
All compound words  12 sambalahy
Proverbs  13  Proverbs containing that word

Entry (2/3)14  sambatra
Part of speech  15  noun
Explanations in Malagasy  16 fora, famorana [Tambahoaka, Tanala] [1.78]
17 Famorana zaza mitambatra amim-pomba lehibe, izay fanao isaky ny fito taona, izany hoe ny zazalahy rehetra teraka ao anatin' ny fito taona dia atambatra hatao hasoavana amin' io andro iray io [Taisaka] [1.1]
Explanations in French  18 circoncision [1.13]
Analogs  19  didiampoitra, 20  fora, 21  foza, 22  hasoavana, 23  savatse, 24  tapakanake

Entry (3/3)25  sambatra
Part of speech  26  noun
Explanations in Malagasy  27 Fahandro katsaka amin' ny babiny, na mangahazo lena atao tetika lava [1.1]

Updated on 2025/11/17