Entry lakana
Part of speech noun
Malagasy definition Fitaovana hazo na vy entina mitety na mandeha ambony rano, mita rano; matetika ny lakana dia vita amin' ny vatan-kazo lehibebe noloahana izay manjary maivana ary mitsinkafona tsy milentika
¶ Lakan-drafitra very fivoy: enti-milaza olona tsy manana na inona na inona hianteherana intsony hamonjena tena [Rajemisa 1985]
English definition a canoe. Laka is used in the provinces. [Poly. Waha, vaka, hak (?)] [Richardson 1885]
 a dugout canoe; any small boat [Hallanger 1973]
French definition pirogue, petit bateau [Hallanger 1974]
Vocabulary 
Derivations 
Compound words, titles, names 
Examples 
1Nanantena ny hoampitaina izy rehefa miverina, nefa tsy teo intsony koa ny lakana. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 176]
2miendaka tsikelikely ny rafitra tsirairay aminy, ary farany dia tsy hisy intsony fa lakana goavana bontolo no sisa tavela. [Andriamalala: Ranomasina, page 16]
Quotes 
Illustrations 

2013/09/23