| Entry | 1 reraka | 
| Part of speech | 2 participle | 
| Explanations in Malagasy | 3   Tsy manan-kery intsony noho ny hanoanana na havizanana: Hateloana izay tsy nanendry honina aho ka reraka / Mafy loatra ny osa' nataony ka reraka izy Marary mafy: Efa reraka izy ka tsy avelan' ny dokotera iresahana intsony Maty: Tsy salama teny izy roa volana dia reraka Lany harena, sahirana izaitsizy: Reraka Rakoto hatramin' izay nahavoazan' ny rivo-doza ny famboleny izay Ketraka, kivy: Be loatra ny fahoriana nianjady taminy ka tsy mahagaga raha rerakaizy [1.1] | 
| Explanations in English | 4   tired, exhausted [1.7] | 
| Explanations in French | 5   Épuisé, affaibli, exténué par la fatigue, la faim, la maladie: Avy any lavitra izy ka reraka (Il vient de loin et il est épuisé de fatigue) ~ Tsy nihinana indroa andro izy ka reraka (Il n’a rien mangé depuis deux jours et il est exténué de faim) qui est gravement malade: Niangonan’ ny havany ny marary, fa reraka (Les parents se sont réunis auprès de lui, parce qu’il est gravement malade) mort: Narary telo volana izy dia reraka (Il est mort après trois mois maladie) trop lâche comme une corde, un habit. qui n’a plus de moyens d’existence, pauvre, ruiné: Reraka izy hatramin’ny nahalaniany ny hareny (Il n’a plus rien depuis qu’il a dépense sa fortune) découragé: Nozoin’ ny loza mafy ka reraka (De grands malheurs sont tombés sur lui et il est découragé) [1.3#527] 6 fatigué, épuisé [1.8] | 
| Examples | 7   Aza be ahiahy fa rera-doatra anie hianao
[2.928] 8 Angaha mety reraka ny tany? [2.117] 9 Handeha izy, nefa tsy ho reraka [2.996] 10 Efa reraka koa moa, ka dia nahita tory teo. [2.4] 11 Farany, nahia kely sy reraka tanteraka izy. [2.472] 12 fa rerak' ity zava-nifandimby nihatra taminy [2.499#87] 13 Ny tenainy moa dia efa reraky ny tazo malagasy rahateo [2.649#181] | 
| Morphology | 
 | 
| Derivatives | 
 | 
| All compound words | 33 10 combinations of this word | 
| Anagrams | 34 karera, 35 rarake, 36 reraka | 
| Updated on 2025/10/11 |   |