|
|
|
|

Entry (1/2)1  randrana
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3 volon-doha. [Tambahoaka] [1.78]
4 Fanamboarana ny volo lava ho misy ampehezany telo avy, izay ampidipidirina ho toy ny kofehy, ka ireo indray dia ampifamatorina hanana endrika samihafa araka ny karazany tiana hatao: randra-madinika, randran-telo an' ila... na randranampanga, randravonkalana.
5 Karazan-drandrana sy taovolo hita amin' ny foko sasantsasany:.
6 Antaimoro: lafitr' akondro, ny telo an-kila, tsitombotomboka, vakimanasa.
7 Betsileo: bango, bango anakova, bango tsotra, kiary, kifetriposa, kifehaka, kihohoka, kilafitsotsy, kilafahonofotsy, kilavoahibary, kipetaka, kirazorazo, kisabokisiny, kisahondra, kitelo, kidimy, kifito, kifolo an' ila, kitokandalana, kivona, randrana tsotra, randranketsa, rasaraka, tadimpintana, tototsongo, valalamihoatra, vombory, tsaramaha, vonkavia, volo misaona.
8 Merina: bango ankatoka, difisesy, kirozaroza, lakolosy, lambomiditra, randramadinika, tananivoho. [1.1]
Explanations in English  9 a plait, a tress of hair.. [1.2]
10 a braid. [1.7]
Explanations in French  11 entrelacement de trois, six, huit fils, cordes, cheveux; tresse des cheveux.
12 arrangement des paroles. [1.3]
13 tresse. [1.8]
Examples  14  amin' izato lohany tohizan' ny taovolo midaboka an-damosina natao randrana goragora. [2.470]
Derivatives 
Active verbs :
Passive verbs :
Relative verbs :
Names :
Adjectives :
Vocabulary  31  Hairstyles
All compound words  32  23 combinations of this word
Proverbs  33  Proverbs containing that word

Entry (2/2)34  randrana
Part of speech  35  noun
Explanations in French  36 plante aquatique à tubercules. [1.3]
[1.196]
Vocabulary  37  Botany

Anagrams  38 ndranara, 39 randrana

Updated on 2025/11/09