Entry manatitra (atitra)
Part of speech   active verb
Malagasy definition   Manolotra, manome zavatra ho an' olona: Nanatitra vorona ho an' i dadatoa izahay tamin' ny 26 Jiona
¶ Mitondra miverina, mamerina: Mahagaga ahy fa mbola tsy nanatitra ny volako izy hatramin' izao
¶ Miara-dalana amin' olona avy amin' ny toerana iray mankamin' ny toerana iray hafa mba hiaro na hanome voninahitra: Miaramila roa lahy no nanatitra anay
¶ Manao veloma mpandeha any amin' ny toerana iaingany: Nanatitra an-dry zoky teny amin' ny fiantsonan-dalamby izahay omaly maraina
¶ Miaraka amin' ny mpanambady ka mametraka azy any an-tranony: Olona betsaka no nanatitra ny mpanambady [Rajemisa 1985]
English translation   to present, to convey, to send, to return. [Richardson 1885]
   to present, to convey [Hallanger 1973]
French translation   présenter, offrir, conduire, escorter, porter, apporter, rendre: Avy manatitra voaloboka ho anareo aho (Je viens vous offrir des raisins) ~ Nanatitra ny vahiny tao an-tranom-bahiny izy (Il a conduit l'étranger à l'hôtel) ~ Nisy miaramila nanatitra azy (Des soldats l'ont escorté) ~ Nanatitra entana tany Toamasina izy (Il a porté des paquets à Tamatave) ~ Tsy mbola nanatitra ny bokiko izy (Il ne m'a pas encore rendu mon livre) [Abinal 1888]
   présenter, offrir, apporter; livrer [Hallanger 1974]
Morphology  
manatitra
nanatitra
hanatitra
manatera
Quotes  

Updated on 2012/02/29