Entry maraina
Part of speech noun
Malagasy definition Fizaran' ny andro hatramin' ny mangiran-dratsy ka mandra-pahatongan' ny mitataovovonana: Amin' ny folo maraina izao [Rajemisa 1985]
English definition morning [Hallanger 1973]
French definition matin [Hallanger 1974]
Derivations 
Compound words, titles, names 
Examples 
1Nony efa maraina ny andro, dia nandre noana daholo izy; [Rajohanesa: Kintana]
2Mitohy ny asabotsy maraina ny fihinanan' izy mianakavy hena; [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 13]
3Tamin' ny telo maraina izahay dia nanangan-day hody. [Andriamalala: Ranomasina, page 46]
4Isa-maraina, ny isam-pianakaviana, samy nanary ny fatim-boalava hitany avy. [Andraina: Mitaraina, page 81]
Quotes 
Toponymy Place names having the word maraina (1): Tsaramaraina

2013/12/19