Index

Proverbs : tanana

Proverb 1Adala nomen-tanan' ondry: na hosoloana hofany aza tsy mety. [1.1 #21]
Zaza nomen-tanan' ondry ka na soloana hofany aza tsy mety. [2.558]
Zaza nomen-tanan’ ondry: raha soloan-kofany aza tsy mety. [2.415 #1553, 2.653 #3780]
Malagasy interpretationEnti-milaza ireo miraikitra amin' ny tiany na ny heviny ka tsy azo ahodin-doha na zavatra tsara sy marina aza no atolotra azy. [1.1 #21]
French translationEnfant auquel on a donné une patte de mouton : si on lui donne la queue à la place de la patte, il ne veut pas. [2.415 #1553]
French interpretationL' enfant ne connaît pas ses intérêts, mais cherche ce qui l' amuse : la queue vaut mieux que la patte. Sens plus général : préférer une chose insignifiante à une autre qui a de la valeur. [2.415 #1553]

Proverb 2Ampanga diso an' Andringitra : herintaona ngarangidina ka tovon-tanana ihany. [2.558]
Ampanga diso an’ Andringitra: herintao-ngarangidina, ka tovo-tanana ihany. [2.653]

Proverb 3Angady tokana an-tanana, ka raha tapaka tsy misy hanakambanana azy. [2.558]
Angady tokana : ka raha tapaka, tsy misy tohiny. [2.165 #1863, 2.415 #899]
Angady tokana: raha tapaka tsy misy hanakambana azy indray. [2.165 #1857]
French translationUne bêche unique: une fois cassée, il n' y en a pas d' autre pour la remplacer. [2.165]
Une bêche unique: une fois cassée, on n' en a plus d' autre. [2.165]
Une seule bêche : quand elle est cassée, on n' en a pas d' autre. [2.415 #899]
French interpretationSe disait de l' enfant unique. [2.415 #899]

Proverb 4Ary tongotra aman-tanana. [2.415 #1490]
French translationEnfant qui a les pieds et les mains formés : il court çà et là. [2.415]

Proverb 5Ataovy fihavanam-bava sy tanana: koa raha marary ny tanana, dia mitsoka ny vava, ary marary ny vava dia misafo ny tanana. [2.165]
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : raha marary ny tanana, dia mitsoka ny vava; ary raha marary ny vava, dia misafo ny tanana. [2.653 #304, 2.415]
Fihavanam-bava sy tanana : raha marary ny tanana, mitsoka ny vava ; ary raha marary ny vava, misafo ny tanana. [2.974]
French translationImitez l' union de la bouche et de la main : si la main est malade, la bouche souffle dessus, et si la bouche est malade, la main la caresse. [2.415 #5165]
Que vos rapports d'amitié soient comme les rapports de la bouche et de la main: quand la main a mal, la bouche souffle dessus; et quand la bouche a mal, c' est la main qui la frotte. [2.165]
S’aimer comme la bouche et la main : si la main souffre, la bouche souffle dessus ; et si la bouche a mal, c’est la main qui la panse. [2.974 #6]
French interpretationSe disait de l'accord et du secours mutuel. [2.415 #5165]

Proverb 6Aza dia atao fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely : ny tompony indray no milela-tanana. [2.653 #376]
Aza dia fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ka ny tompony indray no milela-tanana. [2.165 #654]
Aza dia fatra-pandefitra, toy ny mpivaro-tantely : ny tompony indray no milela-tanana. [2.558]
French translationIl ne faut pas être trop dur à soi-même comme les marchands de miel qui, eux-mêmes, se contentent de se lécher les mains. [2.165]
French interpretationAprès avoir servi le client, ils pourraient en manger à la cuiller. [2.165]

Proverb 7Aza kilonga mahay lapa: mivoaka, manao halalaka; miditra, manao tsy ho tery. [2.653 #391, 2.415]
Aza kilonga mahay lapa : mivoaka, manao halalaka, miditra, manao tsy ho tery tongotra aman-tanana. [2.558]
French translationNe soyez pas comme les jeunes familiers du palais : quand ils sortent ils veulent être au large et quand ils rentrent ils ne veulent pas être à l' étroit. [2.415 #1557]
French interpretationCe proverbe se disait de la fierté de ces jeunes gens. [2.415 #1557]

Proverb 8Aza lalin-kevitra toy ny tsiboboka : lany ny androa-tokon-tsaina vao hary tongotra aman-tanana. [2.558]
Aza lalin-kevitra, toy ny tsiboboka : lany ny an-droatokon-tsaina vao maniry tongotra. [2.653 #392]

Proverb 9Aza manao foza kely anaty lavaka : Halorina tsy azo, topazan-drano tsy mety mivoaka, fa ao anaty lavaka ihany no manaingainga tanana. [2.558]
Aza manao foza kely anaty lavaka : halorina tsy azo ; topazan-drano tsy mety mivoaka ; fa ao anaty lavaka ihany no manaingainga tanana, ka mety aminao va aho ? [2.415 #1755]
Aza manao foza kely anaty lavaka : halorina, tsy azo; topazan-drano, tsy mety mivoaka ; fa ao anaty lavaka ihany no maninganinga tanana; ka mety aminao va aho ? [2.653]
Foza kely anaty lavaka : halorina, tsy azo ; topazan-drano, tsy mety mivoaka ; fa ao anatiny ihany no manaingainga. [2.415 #3676]
French translationNe faites pas comme le petit crabe dans un trou : si on enfonce le bras, on ne l' attrape pas ; si on lui jette de l' eau, il ne veut pas sortir mais il se contente de lever ses pattes dans son trou et feint de demander : est-ce que je vous conviens? [2.415 #1755]
Petit crabe dans un trou : avec la main on ne l' atteint pas ; si on lui jette de l' eau il ne veut pas sortir ; mais il reste blotti au fond. [2.415 #3676]
French interpretationSe disait des femmes ou filles qui se faisaient désirer. [2.415 #1755]
Se disait des gens qui restent blottis chez eux, au lieu d' aller avec les autres et de prendre part aux travaux communs ; se disait aussi des jeunes filles qui ne répondaient pas aux avances qui leurs étaient faites. [2.415 #3676]

Proverb 10Aza manao mpivaro-tantely hianao : ny anao ihany no ilelafanao tanana. [2.415 #3835]
French translationNe faites pas comme le marchand de miel, ne faisant que vous lécher les doigts avec ce qui vous appartient. [2.415 #3835]
French interpretationSe disait des gens qui ne profitent pas de leurs biens. [2.415 #3835]

Proverb 11Aza manao toy Itsimadilo manaraka mpandranto, ka ny an-tanana ihany no manaraka. [2.415 #2693]
Aza manao toy ny tsimadilo manaraka mpandranto, ka ny an-tanana hiany no manaraka. [2.653]
Aza manao Tsimadilo manara-mpandranto. [2.415 #4368, 2.165]
Tsimadilo manaraka mpandranto, ka ny an-tanana no manaraka. [2.558]
Tsimadilo manaraka ny mpandranto, ka ny an-tanana no manaraka. [2.165 #1176]
Tsy mety raha manao Tsimadilo manaraka mpandranto : ny an-tanana indray no manaraka. [2.415 #2693, 2.653]
French translationNe faites pas comme Tsimadilo suivant un marchand pour faire fortune au loin : ce qu' il avait lui glisse des mains. [2.415 #2693]
Ne faites pas comme un Tsimadilo qui suit un marchand. [2.415 #4368]
Ne faites pas comme un Tsimadilo suivant un marchand. [2.165]
Un Tsimadilo suivant un marchand, il perd bientôt ce qu' il avait. [2.165]
French interpretationLa légende rapporte que Tsimadilo se mit à la suite d' un commerçant pour faire fortune ; il perdit ce qu' il avait, ne rencontra pas la fortune qu' il cherchait, et mourut en route. Ce proverbe se disait des choses de longue durée et incertaines. [2.415 #2693]
Les gens du clan Tsimadilo étaient réputés pour être des commerçants très malchanceux. [2.165]
On disait que les Tsimadilo étaient malheureux dans le commerce. [2.415 #4368]

Proverb 12Aza mitarain-tanana ompaka. [2.653 #656, 2.974 #186]
Mitarain-tanana ompaka. [2.415 #3708]
French translationNe pas gémir sur les écorchures de ses mains. [2.974 #186]
Se plaindre des ampoules qu' on a aux mains. [2.415 #3708]
French interpretationCette expression signifiait : demander une plus grande récompense pour le travail fait ; elle se disait aussi des gens qui demandent à se retirer d'un travail. . [2.415 #3708]

Proverb 13Aza zatra ny lava tanana fandrao tsy mba manana hampirimina. [2.558]

Proverb 14Benalika no miongo-kerana ka Isambiranto no miempa-tanana. [2.558]
Benalika no niongo-kerana, ka Isamboranto no miempa-tanana. [2.165]
Benalika no niongo-kerana, koa Sambiranto no tapa-tanana. [2.415 #3838, 2.653 #756]
French translationC' est Benalika qui a arraché les joncs et c' est Sambiranto qui a eu les mains coupées. [2.415 #3838]
Les gens de Benalika arrachent des joncs mais ce sont ceux d' Isamboranto qui ont mal aux mains. [2.165]
French interpretationPayer pour un autre. [2.415 #3838]

Proverb 15Bibilava vonoina, ka tsy tongotra hitsipaka, tsy tanana handrangotra, tsy vava hiteny, fa todin' aina no andrasana. [2.558]
Bibilava vonono : tsy manan-tanana hamaly izy, fa Andriamanitra no andrasana. [2.415 #22]
Bibilava vonono : tsy manan-tanan-kamaly, tsy manan-tongotra hitsipaka, tsy manam-bava hivalo, fa todin' aina no andrasana. [2.415 #22, 2.653 #769]
Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana. [1.1]
Bibilava vonono: tsy tanan-kandrangotra na tongotra hitsipaka, fa Andriamanitra no andrasana. [1.1]
Bibilava vonono: tsy tongotra hitsipaka, tsy tanana handrangotra, fa Andriamanitra no andrasana. [1.1]
Malagasy interpretationEntimilaza ny fisian' ny tody, na koa ny fomban' Andriamanitra an' ireo malemy sy osa, izay tsy manan-kanoherana ireo mpanao tsindry hazo lena na kely tsy mba mamindro. [1.1]
Enti-milaza ny olona osa na madinika na mahantra izay tsy mba afaka hamaly amin' ny herin' ny tenany raha misy mamely azy fa Andriamanitra no antenainy hamaly izay mampahory azy. [1.1]
Marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara. [1.1]
French translationUn serpent qu' on tue : il n' a pas de mains pour se défendre, mais il compte sur Dieu. [2.415 #22]
French interpretationCe proverbe s' appliquait aux petits et aux faibles qui souffrent des oppressions : ils attendent que Dieu leur fasse justice. [2.415 #22]

Proverb 16Boka homan-jabora ka ny tanany no mandina aloha. [2.558]
Boka homan-jabora : ny tanany no mihosina aloha. [2.415 #1947, 2.653 #773]
French translationLépreux qui mange de la graisse : sa main est toute salie avant qu' il ait pu en manger un peu. [2.415 #1947]
French interpretationAllusion à ce qu'il n' a plus de doigts. [2.415 #1947]

Proverb 17Boka nandray tanana, ka ny fanahy misy ihany fa ny tanan-kandray no tsy misy. [2.558]
Boka nandray tanana : ny fanahy misy ihany, fa ny tanan-kandray no tsy misy. [2.415 #1981, 2.653]
French translationLépreux qui veut donner une poignée de mains : ce n' est pas l' intention qui lui manque, c' est la main. [2.415 #1981]
French interpretationSe disait des gens de bonne volonté, mais sans moyens. [2.415 #1981]

Proverb 18Boka nangala-pary, ka ny fary tsy azo, ary ny tanana feno lay. [2.165]
Boka nangala-pary ka ny fary tsy azo fa ny lay no nanenika. [2.558 #935]
Boka nangala-pary : ny fary tsy azo ho an' ny tena, ny tanana feno lay. [2.415 #1984]
Boka nangala-pary: ny fary tsy azo, ny tanana feno lay. [2.653 #807]
French translationLépreux qui a volé une canne à sucre : il ne peut pas saisir la canne et il a la main pleine de ses piquants. [2.415 #1984]
Un lépreux qui voulait voler de la canne à sucre: il n' a pas pu avoir la canne, mais il a eu les mains pleines de piquants. [2.165]
French interpretationSe disait de ceux qui étaient punis de leurs mauvaises actions. [2.415]

Proverb 19Dian-dambo, ka izay alehan-tanany no alehan-tongony. [2.415 #1501, 2.165]
Dian' omby ka ny alehan-tanany no alehan-tongony. [2.558]
French translationLa marche d' un sanglier: où passent ses pieds de devant, passent aussi ses pieds de derrière. [2.165]
Marche de sanglier : où les pieds de devant passent, les pieds de derrière passent aussi. [2.415 #1501]
French interpretationCe que les parents font, les enfants le font aussi. [2.165]
Tel père tel fils. [2.415 #956]

Proverb 20E! Andriamanitra nahary tongotra aman-tanana. [2.415 #25]
Zanahary nahary tongotra aman-tanana. [2.415 #25]
French translationÔ Dieu qui nous avez créés, pieds et mains. [2.415]

Proverb 21Fakana amboan-tSakalava: tanana amy ny vavany ihany vao mety mihinana. [2.653]
Fakana amboan-tSakalava : tanana amin' ny vavany ihany vao mihinana. [2.558]

Proverb 22Fanambadian' Imanontalahy: ariary no vodiondry, ka voamena no fahatelon-tanana. [2.653]
Fanambadian' Imanontalay : ariary no vodiondry, ka voamena no fahatelon-tanana. [2.415 #1369, 2.558]
French translationMariage d' Imanontalay : il a donné cinq francs comme présent de noces à ses beaux-parents, et il n' a plus que quatre sous pour donner à sa femme au jour du divorce pour la payer du tiers des biens mis en commun. [2.415 #1369]
French interpretationAu jour du divorce, la femme répudiée devait recevoir le tiers des biens mis en commun, mais parfois il ne restait rien ou presque rien ; le sens général est : tel commence bien qui finit mal. [2.415 #1369]

Proverb 23Hady voanjo ny fanompoana, ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin' ny tany koa hohazan-tanana, hamenoana ny harona. [2.415 #373]
Tahaka ny hadi-voanjo ny fanompoana: ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin' ny tany hohazan-tanana koa mba hamenoana ny harona. [2.165 #1527]
French translationLa corvée est comme la récolte des arachides: on ne met pas dans la corbeille seulement celles qui tiennent encore à la tige, mais aussi celles qui sont tombées à terre et qui doivent être ramassées à la main afin de remplir la corbeille. [2.165]
La corvée est comme les arachides qu' on arrache de la terre : on ne met pas seulement dans le panier ce qui vient avec la tige, mais les mains fouillent dans la terre et cherchent ce qui reste afin de remplir le panier. [2.415 #373]
French interpretationCe proverbe disait les recherches scrupuleuses qui étaient faites pour remplir le nombre des escouades destinées à la corvée. [2.415 #373]

Proverb 24Hanetsa ka mandrora tanana. [2.653 #1026, 2.558]

Proverb 25Hianao toy ny lafa mihazona ny raty, ary soroka isavilian’ ny sandry. [2.415 #813, 2.653 #1066]
Hianao toy ny lafa mihazona ny raty ary soroka isavilian' ny tanana. [2.558]
French translationVous êtes comme le filament qui retient l' écorce de bananier, et l'épaule où les bras sont accrochés. [2.415 #813]
French interpretationParoles dites aux protecteurs. [2.415 #808]

Proverb 26Isambilo no miavon-karena, ka Renisabotsy no marary tanana. [2.415 #1282, 2.653]
Isambilo no miongo-kerana ka Renisabotsy no marary tanana. [2.558]
French translationC' est Isambilo qui devient fier et ne veut plus travailler de ses mains parce qu' il se croit riche, et c' est Renisabotsy sa femme qui prétend avoir mal à la main. [2.415 #1282]
French interpretationSe disait des ménages de paresseux ; sens plus général : à chef paresseux, inférieurs paresseux. [2.415 #1282]

Proverb 27Izaho mandoa haba an-tanana sy kavina an-tsofina ! [2.415 #2433]
French translationIl faut que je donne bracelets et boucles d' oreille ! [2.415 #2433]
French interpretationLe sens est : je suis obligé de payer tout. [2.415 #2433]

Proverb 28Izay mahay manana dia manana indroa, fa izay tsy mahay manana, dia foan-tanana. [2.415]
Izay mahay manana dia manan-droa, fa izay tsy mahay manana, dia foana avokoa. [2.415]
Izay mahay manana dia manan-droa; fa raha tsy mahay manana dia foana avokoa. [2.653 #1185]
Izay mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, ny tanan-droa foana avokoa. [2.165 #754]
Izay mahay manana, manan-droa, fa raha tsy mahay manana, votso-droa. [2.558 #1497]
Raha mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, votso-droa. [1.1]
Raha mahay manan-droa, fa raha tsy mahay foan-tanan-droa. [2.558]
Malagasy interpretationEnti-mampitandrina an' ireo be faniriana loatra ta hahazo betsaka amin' izay ataony nefa mety tsy hahazo na iray amin' iteo aza. [1.1]
Enti-milaza olona be famaritra loatra ka mety hahazo betsaka na tsy hahazo na inona na inona akory. [1.1]
French translationCeux qui savent tirer parti de ce qu' ils ont le possèdent à double, mais ceux qui ne le savent pas perdent bientôt tout. [2.165]
Savoir garder ce qu' on a et en profiter, c' est le posséder deux fois ; ne pas savoir, c' est le posséder inutilement. [2.415 #2191]

Proverb 29Izay manan-dity mahazo vorona. [2.415 #1633, 2.653]
Izay manan-dity, mahazo vorona, ny tsy manan-katao milalao tanana. [2.558]
French translationCelui qui a de la glu attrape les oiseaux. [2.415 #1633]
Quiconque a de la glu est en état de prendre des oiseaux. [2.974 #323]
French interpretationEn y mettant les moyens, on arrive au but que l' on poursuit ; se disait de la recherche d'une épouse. [2.415 #1633]

Proverb 30Izay mitsingina no avo tehezana ary izay be fandraoka no be tonon-tanana. [2.415 #1634, 2.653 #1198, 2.558]
French translationCelui qui fait le délicat a la taille fine, et celui qui travaille à ramasser à pleines mains a les noeuds des doigts très gros. [2.415]

Proverb 31Kapoka alikan-dRainibelanonana : voa ny tongony, voa ny tanany. [2.558]

Proverb 32Latsa-bato an-tanana. [2.415 #2712]
French translationCelui qui perd un bien acquis, est comme celui qui laisse échapper la pierre qu' il tenait dans la main. [2.415 #2712]

Proverb 33Lehibe nangataka : ny miloa-bava mora ihany, fa ny mamerin-tanana tsy mahazo no henatra. [2.653]
Lehibe no mangataka : ny miloa-bava mora ihany fa ny mamerin-tanana no tsy toha. [2.558]

Proverb 34May volon-tanana, ohatra ny mpisorona afo. [2.653]
May volon-tanana sahala amin' ny mpisoron' afo. [2.558]

Proverb 35Mamia fotaka malemy : giazana mafy, miporiatra amy ny elnkela-tanana; hazonina moramora, lany mitsika. [2.653 #1475]
Mamia fotaka malemy : giazana mafy, miporiatra amin' ny elakela-tanana ; hazonina moramora, lany mitsika. [2.415 #293]
Mamia fotaka malemy : giazana mafy miporitsaka, tazonina mora lany mitsika. [2.558 #1950]
French translationSerrer dans les mains de la vase coulante : si on la serre fortement, elle s' échappe par les intervalles des doigts ; si on la retient mollement, elle s' en va tout entière goutte à goutte. [2.415 #293]
French interpretationLe gouvernement des hommes est difficile : il faut éviter les excès de sévérité et de faiblesse. [2.415 #293]

Proverb 36Mandray tsy mahazo menatry ny tanana, mitsaha-tsy voky menatry ny vava. [2.558]
Mandray tsy mahazo, menatry ny tanana; mitsako tsy voky, menatry ny vava. [2.415 #6451, 2.653 #1594]
French translationCelui qui tend la main sans recevoir, est tout confus à cause de sa main ; celui qui mâche et n' est point rassasié, est tout confus à cause de sa bouche. [2.415 #6451]
French interpretationLa honte vient à la suite d'un projet qui n' a pas réussi. [2.415 #6451]

Proverb 37Mandrohy moka, mamatotra aloy : ary tongotra aman-tanana fa tsy misy tena hodidiana. [2.415]
Mandrohy moka, mamatotra aloy: ary tongotra aman-tanana, kanefa tsy misy tena hodidiana. [2.653 #1596, 2.165]
Mandrohy moka, mamatotra aloy, àry tongotra, fa tsy misy tena hodidiana. [2.558 #140]
French translationAttacher un moustique, lier un moucheron: les deux ont bien des pieds et des mains (les pattes) mais n' ont pas de corps à découper. [2.165]
Garrotter des moustiques, attacher des moucherons, c' est butin de pattes et d' ailes, mais de substance à partager, point. [2.415]
French interpretationIl n' y rien à prendre, ce n' est pas comme un bœuf (que l' on attache pour le tuer). [2.165]
Se disait des poursuites engagées contre des gens qui n' ont rien : on en est pour les frais. [2.415 #3353]

Proverb 38Miroborobo ny afo tsy mba mamindro, ka lany ny kitay vao mamihin-tanana. [2.415 #3273, 2.653 #1821]
Miroborobo ny afo tsy mba namindro, fa efa lany ny kitay vao mamihin-tanana. [2.558]
French translationQuand le feu flambe on ne se chauffe pas, et quand il est consumé on se met à joindre les mains et croiser les doigts pour se chauffer. [2.415 #3273]
French interpretationSe disait de ceux qui manquent l' occasion. in conduit l' eau sur un versant, choses qui se perdent en route, des de l' argent en litige qui est absorbé. [2.415 #3273]

Proverb 39Misalasala hoatry ny mitoetra amin-drenikely : manoza tanana, mandany rano ; mitoetra amin' izao, zaza veta. [2.415 #5812]
Misalasala, ohatra ny mitoetra amin-drenikely : manoza tanana, mandany rano; mitoetra amin’ izao, zaza veta. [2.653]
Misalasala ohatra ny mitoetra amin-drenikely : mioza tanana lazaina ho mandany rano, mitoetra amin' izao, lazaina ho voretra. [2.558]
French translationÊtre dans l'embarras, comme l' enfant qui habite avec sa marâtre : s'il se lave les mains, elle dit qu' il gaspille l' eau ; s' il reste sans se laver, elle dit que c' est un enfant malpropre. [2.415 #5812]
French interpretationSe disait des gens toujours blâmés, quoi qu' ils fassent. [2.415 #5812]

Proverb 40Mitomboa tanana, mitomboa tongotra, mitomboa an-tsakany, mitomboa an-davany. [2.415 #4150]
French translationCroissez aux mains et aux pieds, en largeur et en longueur, que tout vous réussisse. [2.415 #4150]
French interpretationSouhait fait par le marchand à celui qui lui achetait un esclave ou un animal. [2.415 #4150]

Proverb 41Moana no tezitra ka sady mikapakapa ny tanana no midiridiry ny maso ary ny vava mikiakiaka dia manginy ihany. [2.558]

Proverb 42Moa ny somisi-tanana dia mpanokona ary ny mpandeha maro mpanao be hariva? [2.558]
Moa ny somisi-tanana dia mpanokona ? Moa ny mpandeha maromaro dia mpanao behariva ? [2.415 #1667, 2.653 #1931]
French translationEst-on cuisinier, parce qu'on a la peau des mains qui s' écaille et se soulève? appartient-on à une bande de détrousseurs de nuit, parce qu' on va en bandes nombreuses? [2.415 #1667]
French interpretationIl ne faut pas se fier aux apparences. [2.415 #1668]

Proverb 43Mpivaro-tantely : nilela-tanana, mpandrafitra : nindran-tseza, ka voatondro molotra akaiky. [2.558]

Proverb 44Na be aza ny tetika, ny an-tanana indray ve no hariana. [2.558]

Proverb 45Nahoana no hilomano ka mandrora tanana? [2.415 #2096, 2.653 #2044]
Nahoana no hilomano ka no mandrora tanana ? [2.558]
French translationPourquoi cracher dans ses mains quand on va nager ? [2.415 #2096]
French interpretationC'est bien inutile. [2.415 #2096]

Proverb 46Natao ihany ny sikidy an-tanana, fa raha noana natakalo mangahazo. [2.415 #132, 2.653, 2.558]
French translationOn s' était bien promis de garder au bras ce que le devin avait commandé de porter, mais quand on a faim on le change pour du manioc. [2.415 #132]
French interpretationNécessité n' a pas de loi. [2.415 #132]

Proverb 47Na very fanahy mbola velona aza, tsy hihetsika ve ny tanana! [2.558]

Proverb 48Ny iray manampo fehin-tongotra, ny iray manampo fehin-tanana. [2.415 #2451]
French translationL' une désire et espère des anneaux pour les pieds, l'autre des bracelets. [2.415]
French interpretationL' une veut une chose, l'autre me autre. [2.415]

Proverb 49Ny lambolamboin' ny vava tsy araka ny tanana. [2.558]

Proverb 50Ny lasa tsy azo tanana, fa aoka ny teraka no hobabena. [2.415 #2775, 2.653 #2300, 2.558]
French translationLes morts qui sont partis, on ne peut plus les retenir, mais il faut porter sur le dos ceux qui naissent. [2.415 #2775]

Proverb 51Ombalahy tanimanga: mitrena soloan' ny vava, misoitra soloan' ny tanana. [2.558]

Proverb 52Rafotsibe tia zafy : "Inty ny sotro ho anao ; fa aoka aho hangaron-tanana". [2.653]
Rafotsibe tia zafy : inty ny sotro ho anao fa aoka aho hangaro-tanana. [2.558]
Tahaky ny ataon-dRafotsibe tia zafy hoe : inty ny sotro ho anao anaka, fa aoka aho hangaron-tanana. [2.415 #1935]
French translationC' est comme la vieille qui aime tendrement son petit-fils : prends la cuiller mon enfant, dit-elle, et moi je me servirai de mes mains pour manger. [2.415 #1935]
French interpretationSe disait des grands-parents qui traitaient trop bien leurs petits-enfants. [2.415 #1935]

Proverb 53Raha hihavana aminay aza milela-tanana. [2.558]
Raha mihavana aminay, aza milela-tanana. [2.165]
French translationLa terre est la première femme du Créateur: elle amasse les vivants et entoure les morts. Si vous voulez être de nos amis, ne vous léchez pas les mains. [2.165]
French interpretationAllusion à la polygamie: la première femme avait le soin des biens et cherchait à augmenter la fortune de la famille. [2.165]

Proverb 54Raha manao ka tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; fa raha miraviravy tanana tsy miasa, avelao hivarina amin-tany. [2.165 #667]
Raha manao ka tsy ambininy, omeo fa hava-malahelo, fa raha miraviravy tanana tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [2.415 #3967]
Raha manao ka tsy ambininy, omeo fa hava-malahelo ; fa raha miraviravy tanan-tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [2.653 #2688, 2.974]
Raha manao tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; fa raha miraviravy tanan-tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza fa izay miezaka – na tsy ambinina aza – dia mendrika ny hampiana, fa izay mitomoemoe-poana kosa, tsy tokony hokarakaraina. [1.1]
French translationLe travailleur qui n' a pas de chance doit être secouru, car c' est un parent malheureux ; mais le paresseux, il faut le laisser enterrer sans linceul de soie. [2.415 #3967]
Si le succès ne couronne pas ses efforts, aidez-le, car c’est un frère qui souffre ; mais s’il laisse pendre ses mains dans l’inaction, laissez-le choir. [2.974 #191]
Si quelqu' un travaille, mais sans profit, prêtez-lui, car c' est un malheureux; mais s' il se croise les bras sans rien faire, laissez-le souffrir. [2.165 #667]

Proverb 55Raha mitsirika ny tapany, mahalava tenda, raha mizara kely mahafohy tanana. [2.558]
Raha mitsirika ny tapany, mahalava tenda : raha mizara ny kely, mahafohy tanana. [2.415 #2556, 2.653 #2698]
French translationRegarder dans un récipient à moitié plein, cela allonge le cou ; partager le peu qu' on a, raccourcit les mains. [2.415 #2556]
French interpretationOn attend vainement quelque chose des pauvres, ils n'ouvrent pas facilement la main car ils n'ont rien. [2.415 #2556]

Proverb 56Saka lava tanana. [2.415 #4319]
French translationLe voleur est un chat à longues griffes. [2.415 #4319]

Proverb 57Sola tojo henatra, ka ny tanana no ampifamihinana, fa ny volo ho safoina tsy misy. [2.558]

Proverb 58Tahaka ny hady voanjo ny fanompoana : tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amy ny tany hohazan-tanana, mba hamenoana ny harona. [2.653]
Tahaka ny hady voanjo ny fanompoana : tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin' ny tany koa hohazan-tanana. [2.558]

Proverb 59Tanala mivaro-tantely, ka ny tompony indray no milela-tanana. [2.415 #3875]
French translationHabitant de la forêt qui vend son miel : il ne peut que se lécher les doigts de ce qui est son bien. [2.415 #3875]
French interpretationSe disait des gens qui ne veulent pas dépenser, et qui ainsi ne profitent pas de leurs biens. [2.415 #3875]

Proverb 60Tanana eo an-jorony efatra, ohatra ny fihinam-boatavo mahamay. [2.653]
Tanana eo an-jorony efatra toy ny fihinam-boatavo mahamay. [2.558]

Proverb 61Tanana havanana mikapoka ny havia : mahavoa maharary, saingy ny namana ihany. [2.558]
Tanana havanana nikapoka ny havia : nahavoa maharary, fa ny namana ihany. [2.415 #1128, 2.653]
French translationMain droite qui a frappé la gauche : elle a fait mal, mais c' est sa compagne. [2.415 #1128]
French interpretationSe disait des différends entre parents. [2.415 #1128]

Proverb 62Tanora nahita diavolana, ka ny an-tanana aza tsy zaka. [2.558]
Tanora nahita diavolana: ny an-tanana aza tsy zaka. [2.653 #3019]

Proverb 63Toy ny foza : mana-maso, manam-bava, manan-tanana, fa tsy manam-bozona. [2.558]

Proverb 64Tompo milela-tanana. [2.415 #6006]
French translationLe marchand de miel vend aux autres et ne fait que se lécher les doigts. [2.415 #6006]
French interpretationSe disait des propriétaires ne jouissant pas de leurs biens, et de ceux qui se dépensent pour les autres, ou sont exploités par eux. [2.415 #6006]

Proverb 65Tovony manaja tanana, ka antitra vao be fitsiriritana. [2.558]

Proverb 66Vakonim-bava maha-te-hijery, vakonin-tanana, ento mihodina any. [2.558]

Proverb 67Zarazarao ny raharaha : ny tapa-tanana miandry ondry, ny tapa-tongotra mitoto vary. [2.653 #3765, 2.974 #24, 2.415, 2.558]
French translationDivision du travail : le manchot garde les brebis, l’éclopé va piler le riz. [2.974 #24]
Qu' on distribue les travaux : que les manchots gardent les moutons et les culs-de-jatte pilent du riz. [2.415 #870]
French interpretationChacun doit s' employer suivant ses aptitudes. [2.415 #870]

Proverb 68Zato iray alinalina; arivo iray hetsihetsy. [2.653 #3766]
Zato iray alinalina, arivo iray hetsihetsy, mora lazaim-bava fa tsy araky ny tanana kiraina. [2.558]

Proverb 69Zatra ny miondan-tanana ka raha mionda-mololo mararin' ny sery. [2.558]

Index