Entry mamaly (valy)
Part of speech active verb
Malagasy definition Manome valiny: Tsy mbola namaly ny fanontaniako ihany ve ianareo?
¶ Manome (zavatra) ho setriny: Aza mamaly ratsy ny ratsy
¶ Manome valin-teny tsy amimpanajana, manohitra: Aza mba mianatra mamaly mpampianatra toy izao ise fa tsy tsara [Rajemisa 1985]
Morphology 
mamaly
namaly
hamaly
mamalia
Examples 
1Mba te hamaly azy ihany i Lidy nefa tsapany fa tsy haharesy azy na oviana na oviana izy [Rakotonandrasana: Tantsaha]
2Rehefa tapitra ny tenin'ny mpiampanga vao mamaly hianareo, hoy izy [Rajohanesa: Kintana]
3Ny zava-maneno voakitika mahalankalana no namaly ny teniny [Andriamalala: Ranomasina]
4Tsy namaly I Feno [Andraina: Mitaraina]

Entry mamaly (faly)
Part of speech active verb
English definition  [Provincial] to shoot [Richardson 1885]

Updated on 2011/07/02