Entry misafo (safo)
Part of speech   active verb
Malagasy definition   Mampandalo moramora ny tanana eo ambony zavatra iray: Misafo ny lohany mandrakariva io zazalahy io rehefa hiteny
¶ Manotra: Iza no nisafo ny tongotrao narary?
¶ Teny ilazana ny vehivavy bevohoka mitondra ny kibony hojeren' ny dokotera na ny mpampivelona: Tonga misafo isan-tapa-bolana eto amin' ny hopitaly io Ramatoa io. [Vocabulary: Health]
¶ Mandalo mba hijery ny fandehan-javatra, mba hanara-maso: Hisy lehibe hisafo ny trano fitsaboana rahampitso
¶ Mijery taratra: Nisy lehilahy nisafo ny tanana omaly mba hangalatra [Rajemisa 1985]
Morphology  
misafo
nisafo
hisafo
misafoa
Compound words, titles, names  

Entry misafo
Part of speech   active verb
Malagasy definition   [Taisaka] misasa [Rakotosaona 1972]
   [Sihanaka, Tanala] misasa tava, misasa maso [Rakotosaona 1972]

Updated on 2010/05/06