Entry saka
Part of speech   noun
Malagasy definition   Enti-milaza fihalorana foza na orana amin' ny tanana ao anaty lavany
¶ ilazana ny vehivavy maridray ny ankasarotana eo am-piadiana amin' ny lehilahy [Rajemisa 1985]
Derivations  
Quotes  

Entry saka
Part of speech   noun
Malagasy definition   Karazam-biby mampinono, tia nofom-biby, mitovitovy habe amin' ny bitro ary misy karazany roa lehibe: ny saka dia, atao koa hoe kary, ary ny saka fiompy, izay mihaza voalavo ao an-trano. [Rajemisa 1985]
English definition   a cat; cf. piso, kary [Hallanger 1973]
French definition   chat [Rajemisa: Vakoka, SLP: Voambolana]
French definition   chat; cf. piso, kary [Hallanger 1974]
Vocabulary  
Synonyms   piso
Compound words, titles, names  

Entry saka
Part of speech   noun
Malagasy definition   [Taisaka] anarana iantsoana ny biby mbola tanora: sakaomby, sakandahy, sakambositra, ets [Rakotosaona 1972]
Vocabulary  

Entry saka
Part of speech   noun
Malagasy definition   [Bara] sakelidrano, lemaka anelanelanny havoana roa, lohasaha [Rakotosaona 1972]
Vocabulary  

Entry saka
Part of speech   noun
Malagasy definition   [Taisaka] sakana, fisakanana [Rakotosaona 1972]

Entry saka
Part of speech   noun or adjective
Malagasy definition   Habe mifanohitra amin' ny lavany: Ohatrinona no haben' ity efitrano ity? -- Fito metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany
¶ Habe salasalany, antonintoniny
¶ Lehibe, vantotra, tsy mbola tena lehibe nefa tsy kely intsony koa: Sakan-jaza, sakan' ombivavy
¶ Salasalany, atriatry: Sakan-karona [Rajemisa 1985]
French definition   largeur [SLP: Voambolana]
Vocabulary  
Synonyms   ampohy
Compound words, titles, names  

2016/10/03