| Explanations in Malagasy |
3 Anaram-bola malagasy ampahefatra amby roapolon' ny ariary, izany hoe mitovy amin' ny 0,fr 20 amin' ny vola ankehitriny.
4 -- Ny voamena no ampahan' ny ariary nalaina ho fototra ho an' ny vola hatramin' ny lavoamena ka hatramin' ny lasiroa, izany hoe:
5 ny lavoamena (ilan' ny voamena: 0,fr 10),
6 ny latsakafitoventy (voamena latsaka varifitoventy: 0,fr 15),
7 ny latsapaheniny (voamena latsaka faheniny: 0,fr 17),
8 ny voamena (0,fr 20),
9 ny fitoventisivoamena (0,fr 25),
10 ny lasiray (ilan' ny voamena sy iray voamena: 0,fr 30),
11 ny roavoamena (0,fr 40),
12 ny lasiroa (ilan' ny voamena sy roa voamena: 0,fr 50).
[1.1]
|