Index

Proverbs : alika

Proverb 1Akanga be tsy vakin' amboa. [2.415]
Akanga irai-dia tsy vakin’ amboa. [2.974 #411]
Akanga maro tsy vakin' amboa. [1.1 #41, 1.5, 1.3, 2.415, 2.558]
Ny akanga irai-dia tsy vakin’ alika. [2.653 #2133]
Ny akanga maro tsy vakin' amboa. [2.558 #2839]
Malagasy interpretationNy firaisana no hery. [1.1 #41]
French translationLorsque les pintades sont nombreuses, le chien n'en saisit aucune. [1.3]
Lorsque les pintades vont en troupe, le chien n' en saisit aucune. [2.415 #5160]
Pintades en troupe, un chien ne les disperse point. [1.5]
Une troupe de pintades est impénétrable au chien. [2.974 #411]
French interpretationL'union fait la force. [1.5, 2.415 #5205, 1.3]

Proverb 2Alika manerona ka miaro ny tsy ho an' ny tenany. [2.558 #145]
Alika manerona: miaro ny tsy ho any ny tena. [2.653 #115]
Alika manerona: miaro ny tsy ho an' ny tena. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza izay rehetra miaro zavatra na fananan' olona: tsy azy akory ilay zavatra dia maha-saropiaro azy. [1.1]

Proverb 3Alikam-balilahe tsy torahe. [1.68]
French translationOn ne lance pas des pierres au chien du beau-frère. [1.68]

Proverb 4Amboalahy miandry embok' akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena. [1.1 #62, 1.3]
Amboa niandry embok' akondro : ilaozan-toa hena, andrasan-tsy latsaka. [2.558 #19]
Toy ny alika miandry embok' akondro: andrasana, tsy latsaka: ilaozana, toa hena. [2.165 #948]
Toy ny amboa miandry embok' akondro : andrasan-tsy latsaka, ilaozana toa hena. [2.558 #4259]
Toy ny amboa miandry embok’ akondro : an-drasan-tsy latsaka, ilaozan-toa hena. [2.653 #3179]
Malagasy interpretationEnti-milaza olona manantena na nampanantenaina zavatra betsaka, nefa diso fanantenana. [1.1 #62]
French translationPareil à un chien qui attend un bouquet de bananier: ce qu' il espère avoir ne tombe pas, et s' il s' en va il lui semble perdre un morceau de viande. [2.165]
Quand un chien regarde le bouquet du bananier, il attend, mais en vain, qu’il tombe; s'il s'en va, c'est à regret pensant que c’est de la viande. [1.3]
French interpretationLe bouquet du bananier, c. à. d. la grande fleur composée d' où sortiront les bananes, est rouge, et peut ressembler vaguement à un morceau de viande. [2.165]
Souvent celui à qui on fait de belles promesses est déçu dans ses espérancos. [1.3]

Proverb 5Andevolahy maty hariva, ka vovon' alika no anjara tafondrony. [2.415 #522, 2.165]
French translationEsclave mort le soir : les aboiements du chien remplacent pour ses funérailles les coups de canon. [2.415 #522]
Un esclave mort le soir, ce sont les aboiements du chien qui remplacent pour lui les coups de canon des funérailles. [2.165]

Proverb 6Angaha varotr' alika no hifanerena ? [2.558 #257]
Dia varotra alika ve io no hifanerena. [2.558 #982]
Dia varotr’ alika va iny, ka hifanerena ? [2.653 #834, 2.165]
French translationEst-ce qu' il s' agit de vendre et d' acheter un chien, qu' il faille se presser ainsi l' un l' autre? [2.165]
French interpretationLes chiens n' avaient que peu de valeur et avaient peu d'amateurs; c' était une marchandise difficile à placer et facile à acheter. [2.165]

Proverb 7Aza atao aretin' alika, ka vitan-delaka ihany. [2.558 #377]
Aza atao hoatry ny aretin' alika, ka vitan-delaka ihany. [2.415 #5073]
Aza atao ohatra ny aretin’ alika, ka vitan-delaka ihany. [2.653]
French translationNe faites pas comme le chien malade qui se contente de lécher la partie malade. [2.415 #5073]
French interpretationIl ne faut pas se contenter de bonnes paroles pour assister un ami dans le malheur. [2.415 #5073]

Proverb 8Aza atao fihavanan' alika, ka taolana iray no isarahana. [2.558 #383]
Aza manao fihavanan' amboa, ka taolana iray no isarahana. [2.165 #206]
Aza manao fihavanan' amboa : taolana iray no isarahana. [2.415 #5327]
Manao fihavanan' amboa, ka taolana iray no isarahana. [2.558 #1990]
Manao fihavanan’ amboa: taolana iray no isarahana. [2.653 #1533]
French translationN' agissez pas envers vos amis, comme les chiens qui se séparent pour un os. [2.415 #5327]
N' aimez pas comme s' aiment les chiens, qui se séparent pour un os. [2.165]

Proverb 9Aza manao fandosi-dreniondry, ka tratran' ny alika eo am-pibahanana. [2.165 #945]
Aza manao fandosin-dreniondry, fa tratran' ny alika eo am-pibahanana. [2.415 #5749]
Aza manao tokin-dreniondry: enjehin’ alika vao mibahana. [2.415 #6216, 2.653 #518]
Aza manao tokin-dreniondry, ka enjehin' alika vao mibahana. [2.558 #591]
French translationNe faites pas comme une brebis qui s' est enfuie, et qui se laisse ensuite attraper par le chien au moment où elle regarde autour d' elle avec les jambes écartées. [2.165]
Ne faites pas comme une brebis qui s' est enfuie et qui se laisse prendre par le chien au moment où elle regarde, les jambes écartées. [2.415]
N' ayez pas la confiance de la brebis : c' est lorsque le chien la poursuit quelle commence à écarter les jambes et à se mettre en position. [2.415 #6216]
French interpretationIl faut s' y prendre à l' avance. [2.415 #6216]

Proverb 10Aza manendry tena ohatra ny alika ho any an-tsena. [2.165]
Manendry tena tahaka ny alika ho any an-tsena. [2.558 #138]
Manendry tena toy ny amboa ho any an-tsena. [2.415 #4244, 2.653 #1607, 2.974]
French translationNe vous mettez pas toujours en avant (litt. ne vous désignez pas vous-même), comme un chien qui ne demande qu' à aller au marché, - où il sait qu' il trouvera quelque chose à ramasser. [2.165]
Se désigner soi-même comme le chien qui va au marché. [2.415 #4244]
Se produire impudemment, comme un chien dans un marché. [2.974 #155]
French interpretationLe chien va au marché pour voler. Le sens est : se trahir soi-même. [2.415 #4244]

Proverb 11Aza te-hoderain' ny alika, ka mikiky taolana tsy misy hena. [2.165 #840]
Aza te-hoderain' ny alika ka mikiky taolan-tsy misy hena. [2.558 #813]
Te hoderain' ny amboa, ka mikiky taolan-tsy misy hena. [2.415 #2114]
French translationC' est sans doute pour se faire louer du chien qu' il rogne un os où il n' y a rien à prendre. [2.415 #2114]
Ne cherchez pas à être loué par les chiens en rongeant pour cela des os qui n' ont plus de viande. [2.165]
French interpretationSe disait des amateurs de louanges. [2.415]

Proverb 12Badolahy miantsena: siramamy ka atoraka alika. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza olona tsy ampy fiheverana, kely saina, ka tsy hainy akory ny manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny mahasoa sy ny tsy ilaina. [1.1]

Proverb 13Boka manankarena : mividiana alika mba hihinana ny sisa. [2.415 #1955, 2.653 #781]
French translationLépreux, si tu es riche, achète un chien pour manger les restes de ta table. [2.415 #1955]
French interpretationOn avait le dégoût et la peur des lépreux, personne n'aurait mangé leurs restes. [2.415 #1955]

Proverb 14Dongadonga ka ondrikelinay, fa raha kaozatina, alikan' ny hafa. [2.558 #1006]

Proverb 15Fahantitr’ alika: any an-tehezany no mikipaka aloha. [2.653 #881]
Fahantitr' alika : any an-tehezany no mikipaka mialoha. [2.558 #1051]
Manao fahantitr' alika, any an-tehezany no mikipaka aloha. [2.415 #1832]
French translationVieillir à la manière des chiens : ce sont les côtes qui se pèlent les premières. [2.415 #1832]

Proverb 16Fisoitra afom-bavy antitra : hita alika, kapohina ; mandroatra ny vary, haroina aminy indray. [2.415 #1873]
Fisoitr' afom-bavy antitra: hita alika, kapohina; mandroatra ny vary, haroina aminy indray. [2.653 #969]
French translationTisonnier entre les mains d' une vieille femme : un chien approche, elle s' en sert pour le frapper ; le riz écume, elle s' en sert pour le retourner et le mêler. [2.415 #1873]
French interpretationSe disait des choses qui servaient à plusieurs fins, et des gens qui étaient de deux partis. [2.415 #1873]

Proverb 17Fitiavako trandraka tsy hibabiako amboa. [2.165]
Fitiavako trandraka tsy ibabiako amboa. [1.147 #F30]
Malagasy interpretationFitiavako trandraka tsy hibabeko alika. [2.165]

Proverb 18Ka manao fañaterañ' alika : tsy misy fieñenañe. [1.68]
French translationNe faites pas comme le chien qui rapporte sans arrêt. [1.68]

Proverb 19Ka manao havintsiñañ' alika, tsy mañajare. [1.68]
Manao fihinañ' alika, tsy mañajare. [1.68]
French translationFaire comme le chien qui mange, il n' économise pas. [1.68]
Ne faites pas comme le chien rassasié qui n'économise pas. [1.68]

Proverb 20Kapoka alikan-dRainibelanonana : voa ny tongony, voa ny tanany. [2.558]

Proverb 21Katro-doha anjaran' ny ondry, kaikitra fanaon' ny alika, teny soa fanaon' ny hendry. [2.558 #108]

Proverb 22Kibobo sy alika mahay mihaza ka tsy avelan' ny vodi-ahitra tsy hihaona. [2.558 #1637, 2.653, 2.415]
French translationCaille et chien bon chasseur : les touffes d' herbe ne peuvent faire qu' ils ne se rencontrent. [2.415 #3014]
French interpretationSe disait au sens passionnel. [2.415 #3014]

Proverb 23Manao firañetañi ty ajañi alika, mifioke alika mbato, mibabe lambo mbaroa. [1.68]
French translationFaire comme l'amitié des chiots, siffler le chien par ici, porter sur le dos un sanglier par là-bas. [1.68]
French interpretationQuand on est riche, on a beaucoup d'amis. [1.68]

Proverb 24Manao sotrobe lava tango: mahay atsy, mahay aroa. [1.1]
Sotrobe lava tango, ka mahay atsy mahay aroa. [2.558 #3956]
Sotrobe lava tango : mahay atsy, mahay aroa. [2.653 #2946, 2.974 #282]
Sotrobe lava tango mahay atsy mahay aroana. [2.415 #5039]
Sotrobe lava tango, sady fikapohana alika no fangaroana anana. [1.3]
Sotrobe lava tango: sady mahay atsy no mahay aroa. [1.1]
Sotroben-dRatsiavanga, ka sady fikapohana amboa no fangaroana anana. [2.558 #3958]
Sotroben-dRatsiavanga: sady fikapohana akoho no fangaroana anana. [2.165]
Sotroben-dRatsiavanga : sady fikapohana amboa no fangaroana anana. [2.653 #2947]
Malagasy interpretationIlazana ny olona mihatsaravelatsihy izay tsy menatra ny hanaratsy rehefa any amin' ny ilany, ary hanao toy izany koa any amin' ny an-daniny. [1.1]
Manao izay hifankahazoana resaka amin' olona na antokon' olona roa mifanohitra na tsy mitovy hevitra, mihatsaravelatsihy. [1.1]
French translationCuiller à manche : elle peut puiser ici et là. [2.415 #5039]
La grande cuillère de Ratsiavanga: elle sert en même temps à frapper les poules et à brasser les légumes (dans la marmite). [2.165]
La grande cuillère qui a un long manche, sert à frapper les chiens et à mêler les herbes dans la marmite. [1.3]
Louche à long manche, qui atteint à droite et à gauche. [2.974 #282]
French interpretationQui sert à deux fins; qui sait mettre la discorde et aussi à réconcilier. [1.3]
Se disait des gens qui savaient se faire passer amis des deux partis. [2.415]

Proverb 25Manao tokin-dreniomby : vovozin' alika vao mibehana. [2.558 #2015]

Proverb 26Maniry hanina an-tenda, hoatry ny amboa miambozon-koditra. [2.415 #5859]
Maniry manitra ohatra ny alika miambozon-koditra. [1.62, 2.558, 1.1]
Nahoana no maniry manitra tahaka ny alika miambozon-koditra ? [2.558 #179]
Malagasy interpretationEntina milaza olona mitsiriritra zava-tsoa izay lavitra azy sy mety ho sarotra ny hahazoana azy nefa tsy lavitra azy dia efa misy an'io zavatra tsiriritiny io saingy tsy azony alaina ho azy akory. [1.62]
Entina milaza olona tsy lavitra zava-tsoa iray, nefa tsy afaka haka azy fa mitsiriritra lava eny. [1.1]
Eo akaikin' ny zavatsoa iray lalandava, nefa tsy afaka hanararaotra. [1.1]
Maniry hahazo zavatra mahafinaritra izay eo akaikin' ny tena lalandava, nefa tsy ho azo na oviana na oviana. [1.1]
French translationDésirer une nourriture qu' on a à la gorge, c' est comme le chien qui a un collier en peau. [2.415 #5859]

Proverb 27Mañeno ty alika, ty pandeha manohy ty liañe. [1.68]
French translationLes chiens aboient, la caravane passe. [1.68]

Proverb 28Miala maina toy ny avy nandevina alika. [2.558 #2245]
Miala maina toy ny mandevina amboa. [2.415]
Miala maina toy ny mpandevim-boka. [2.415]
French translationS' en retourner les mains vides comme on était venu, à la façon de ceux qui ont enterré un lépreux ou un chien. [2.415 #2013]
French interpretationAllusion à ce qu' il n'y avait pas de distribution à ces sortes de funérailles ; on appliquait ce proverbe à ceux qui partaient sans avoir reçu de présents. [2.415 #2013]

Proverb 29Mihinana vavan-kisoa: mihaika ny alika. [2.653 #1773]

Proverb 30Mpamosavy novovozin' ny alika : ho azy ihany no farany. [2.558 #2568]
Mpamosavy novovozin' ny amboa : ho azy ihany no farany. [2.415 #163, 2.653]
French translationUn chien aboie contre un sorcier, à la fin il l' aura. [2.415 #163]
French interpretationLe chien mangera le cadavre du sorcier qui n' aura pas de tombeau après sa mort ; le destin le plus fort finit toujours par l' emporter. [2.415 #163]

Proverb 31Ny alika aza tsy azo fitahina, ka mainka fa ny olona. [2.165]
Ny alika aza tsy azo fitahina, ka mainka fa olona. [2.558 #187]
French translationLes chiens mêmes ne se laissent pas tromper, et encore bien moins les hommes. [2.165 #477]

Proverb 32Ny alika jamban' ny taolana, ny olona jamban' ny vola. [2.558 #2855]

Proverb 33Ny alika miady no misy am-bazivazy. [2.415 #3498, 2.558 #186, 2.653 #2144]
French translationChiens qui combattent : c' est là souvent qu' il n' y a que jeu. [2.415 #3498]

Proverb 34Ny amboa no be aina, fa raha voky ran-kena, mandry ilalana. [2.165 #824, 2.415]
Ny amboa no be aina fa raha voky ran-kena mandry lalana. [2.653 #2148, 2.558]
Tsy misy be aina noho ny alika, fa raha voky ran-kena, mandry ilalana. [2.415]
Tsy misy be aina ohatra ny alika, fa raha voky ran-kena mandry lalana. [2.558]
French translationLe chien est un animal bien vigoureux, mais quand il est repu de sang, il couche en chemin avant d' arriver au terme. [2.415 #4543]
Un chien est très vigoureux; mais quand il est repu de sang de viande, il se couche en route. [2.165 #824]
French interpretationParoles dites par l' invité pour dire qu' il est rassasié. [2.415 #4543]

Proverb 35Ny anaran' alika no miarak' adala ; fa ny olona tsy tokony hiarak' adala. [2.165 #1625, 2.415 #2100]
Ny anaran' alika no misy miarak' adala, ka tsy tokony hiaraka adala. [2.558 #2870]
French translationLes noms de chien son tous ensemble stupides; mais il ne faut pas que les gens soient tous ensemble stupides. [2.165 #1625]
Tous ensemble les noms de chiens sont stupides, mais il ne faut pas que les gens soient tous ensemble stupides. [2.415 #2100]

Proverb 36Ny nenina tsy aloha hananatra, fa aoriana handatsa. [2.415 #6428]
Ny nenina tsy eo aloha hojerena, fa aoriana handatsa. [2.558 #3169]
Ny nenina tsy mba aloha hananatra fa avy aoriana handatsa. [1.1]
Ny nenina tsy mba mipetraka hatao mbay lalana, tsy mitsidika hatao mandrosoa, tsy aloha hananatra, fa aoriana handatsa. [2.415 #6429]
Ny nenina tsy mba roahina eo aloha, tahaka ny ondry ; fa avy manaraka, tahaka ny alika. [2.653 #2362, 1.1]
Ny nenina tsy mba roahina eo aloha, tahaky ny ondry ; fa avy manaraka tahaka ny alika. [2.974 #454]
Ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaky ny ondry, fa avy manaraka tahaky ny alika. [2.415]
Ny nenina tsy mipetraka hatao "Mbay làlana" , ary tsy mitsidika hatao "Mandrosoa" , fa aoriana vao mandatsa. [2.165]
Toy ny nenina : tsy mitsidika hatao mandrosoa, tsy mipetraka atao mbay lalana, fa aoriana vao avy mandatsa. [2.558]
French translationLe regret n' est pas assis pour qu' on lui dise: "Laissez-moi passer" , et il ne frappe pas à votre porte pour qu' on lui dise: "Entrez" , mais ce n' est qu' après qu' il' vous insulte. [2.165]
Le regret ne vous précède pas, comme font les brebis, il vous suit comme font les chiens. [2.974 #454]
Le remords ne marche pas en avant comme les brebis qu' on pousse devant soi, il suit comme les chiens. [2.415 #6430]
Le remords n' est pas comme quelqu' un d' assis à qui on demande la permission de passer, ce n' est pas quelqu' un qui fait visite et à qui on dit d' entrer : il ne vient pas avant l' acte pour avertir, mais après pour reprocher. [2.415 #6429]
Le remords n' est point un conseiller prévenant, mais un critique de ce qui a été fait. [2.415 #6428]
French interpretationC. à. d. il arrive à votre insu et en ennemi. [2.165]
Il ne vient qu' après l' action. [2.415 #6430]

Proverb 37Ny ondry voatsipy taolana, ary ny amboa voatsipy vilona: tao ihany fa nifanolana. [2.165 #1688]
Ny ondry voatsipy taolana, ny alika voarotsa-bilona: tao ihany fa nifamadika. [2.558 #3202]
Ny ondry voatsipy taolana, ny amboa voatsipy vilona : tao ihany fa nifanolana. [2.415 #3733, 2.653]
French translationAu mouton on a jeté un os, et au chien de l' herbe: les deux choses étaient bien là, mais pas à leur place respective. [2.165]
Au mouton on a jeté un os, et au chien de l' herbe : tout y était, seulement il y a eu confusion. [2.415 #3733]
French interpretationSe disait de ceux qui font les choses à rebours. [2.415 #3733]

Proverb 38Ny osy, na mitsangan-tandroka ho omby aza, na mibarareoka ho ondry aza, na maniry somotra ho olona aza, na midingin-drambo ho alika aza, na mitsangani-bovona ho lambo aza, tsy miala, fa osy ihany. [2.653]
Ny osy, na mitsangan-tandroka ho omby aza, na miharareoka ho ondry aza, na maniry somotra ho olona aza, na midingin-drambo ho alika aza, na mitsangam-bovona ho lambo aza, tsy miala fa osy ihany. [2.974]
Ny osy : Na mitsangan-tandroka ho omby, na mibarareoka ho ondry, na midingin-drambo ho alika, na manangam-bovona ho lambo, na maniry somotra ho olona, dia tsy miala fa osy ihany. [2.558 #3207]
French translationLa chèvre a beau avoir des cornes comme le bœuf, bêler comme le mouton, avoir une barbe comme l’homme, une queue comme le chien, une crinière comme le sanglier, elle restera toujours une chèvre. [2.974 #159]

Proverb 39Ny taolana mahajamba ny alika, ny hena mahajamba ny adala, ny vola mahajamba ny hendry. [2.415 #2229]
French translationUn os aveugle un chien, un morceau de viande aveugle et passionne les sots, l' argent aveugle et passionne les gens sages. [2.415 #2229]
French interpretationOn est prêt à toutes les folies pour acquérir les richesses. [2.415 #2229]

Proverb 40Ny volon-tany samy hafa: fa raha any aminay izany, dia vovon' alika, fa atý aminareo angaha no olona. [2.165]
Ny zon-tany samy hafa angaha, fa raha any aminay izany dia vovòn' amboa, fa aty aminareo angaha no olona. [2.558 #3384]
French translationAutres pays, autres mœurs: chez nous ce serait un aboiement de chien, mais ici, chez vous, c' est peut-être un homme. [2.165]
French interpretationOn parle des paroles de quelqu' un, qui n' auraient aucune importance dans un endroit, mais qui en ont dans un autre. [2.165]

Proverb 41Nokekerin' amboa tany Imamo, ka any Ambatomanga mbola mikapoka alika ihany. [2.415 #6404, 2.653]
French translationMordu par un chien dans l'Imamo, il frappe encore les chiens lorsqu' il est à Ambatomanga dans l'Imerina. [2.415 #6404]
French interpretationSe disait de ceux qui n' oublient pas. [2.415 #6404]

Proverb 42Raha jerena, toa olon-kendry, tantely fiandry andriana; kanjo nony dinidinihina, fanambonim-bary fiandry alika. [2.165 #478]
Raha jerena, toa tantely fiandry andriana, fa nony dinihina, dia hay fanambonim-bary fiandry alika. [2.558]
French translationA le voir, on l' aurait pris pour un sage, pour du miel digne d' un roi; mais, à l' examen, c' était le dessus du riz, bon pour un chien. [2.165]
French interpretationLa partie supérieure du riz cuit dans la marmite et souvent couverte de suie et sent la fumée, et on la donne aux chiens. [2.165]

Proverb 43Raha ny hazakazaka no nahazoan-karena, dia nanam-be ny alika. [2.558 #236]

Proverb 44Raty koa ty fa raty, hoy ty alika, nangetotse an-dolo. [1.68]
French translationPourri ce qui est pourri, dit le chien, qui a pété au cimetière. [1.68]

Proverb 45Tahaka ny katsaka: izay iainana misy ta-hanimba avokoa: maitso, hanin’ ondry; mibaby, ian-tsampazan’ ny alika; main-dambana, itomanian’ ny ankizy. [2.653 #2959]
Tahaka ny katsaka ka izay iainana misy te-hanimba : maitso hanin' ny ondry, mibaby iantsapazan' ny alika, main-dambana itomanian' ny ankizy. [2.558 #3976]
Tahaky ny katsaka : izay iainana misy ta-hanimba avokoa ; maitso, hanin' ny ondry ; mibaby, iantsampazan' ny alika ; main-dambana, itomanian' ny ankizy. [2.415 #5726]
French translationC' est comme le maïs : il y a toujours à craindre pour sa vie : encore vert, il est brouté par les moutons ; quand il porte des épis, les chiens sautent après lui ; lorsqu' il est mûr, il excite la convoitise des enfants. [2.415 #5726]
French interpretationSe disait des pauvres gens qui sont toujours sur le qui-vive. [2.415 #5726]

Proverb 46Tany Imano re no nokekerin' alika fony fahavaratra, ka ambaraka ny efa aty Ilavatehezana avy ankehitriny no malonilony manenjika amboa mba hivaliana faty. [2.415 #6384]
French translationIl a été mordu par un chien dans l'Imano pendant l' été, et à Ilavatehezana maintenant il poursuit les chiens pour se venger. [2.415 #6384]
French interpretationIl n' oublie pas. [2.415 #6384]

Proverb 47Tezitra vao mivanika, toy ny alika. [2.415 #5633, 2.653 #3087]
Tezitra vao mivanika, toy ny amboa. [2.558 #4126]
French translationMontrer les dents, quand on is' irrite, comme les chiens. [2.415 #5633]

Proverb 48Tovolahy tsy mahalala ho an-tena, sakafon' ny alika gaigy. [2.165 #1921, 2.558 #4234]
Tovolahy tsy mahalala ho an-tena, sakafon' ny amboa gaigy. [2.415 #1592, 2.653 #3167]
French translationJeune homme imprévoyant : il sera la pâture des chiens enragés. [2.415 #1592]
Un jeune homme qui ne sait pas se conduire deviendra la proie des chiens enragés (c.à.d. de mauvais compagnons). [2.165]
French interpretationL'imprévoyance conduit à la ruine et au déshonneur. Ne pas recevoir de sépulture, était considéré comme un mal redoutable. [2.415 #1592]

Proverb 49Tsy azon' ny olona ny lambo, raha tsy ny alika. [2.415 #5415]
French translationOn ne peut pas prendre le sanglier si l' on n' a pas de chien. [2.415 #5415]
French interpretationOn a souvent besoin d'un plus petit que soi. [2.415 #5415]

Proverb 50Tsy manan-karon-kasiana, hoatry ny alika. [2.415 #2414]
Tsy manan-karon-kasiana, ohatra ny alika. [2.165]
Tsy manan-karon-kasiana ohatra ny amboa. [2.558 #4526]
French translationLe prodigue est comme le chien qui n' a pas de panier pour amasser. [2.415 #2414]
Ne pas avoir de panier pour y amasser, comme le chien. [2.165]
French interpretationSe dit des gens qui dépensent aussitôt ce qu' ils ont gagné. [2.165]

Proverb 51Tsy mba ny kary manao ny nahim-pony, fa ny alika mandry amim-pively. [2.165 #1099, 2.653 #3394]
French translationIl n' est pas comme un chat sauvage qui peut faire tout ce qu' il lui plaît (n' ayant pas de maître), mais comme un chien couche près du bâton (celui de son maître). [2.165 #1099]

Proverb 52Tsy mety raha mihazakazaka tsy hihaino teny, hoatry ny alika. [2.415 #1735]
Tsy mety raha mihazakazaka tsy hihaino teny, ohatra ny alika. [2.653]
Tsy mety raha mihazakazaka tsy hihaino teny ohatra ny amboa. [2.558]
French translationIl ne sied pas de courir pour ne pas entendre un ordre donné comme font les chiens. [2.415]
French interpretationSe disait de ceux qui n'écoutaient pas les ordres ou partaient avant d'avoir entendu. [2.415 #1735]

Proverb 53Tsy misy be aina noho ny alika, fa raha manodidina any Itasy, valaka. [2.653 #3509]
Tsy misy be aina noho ny alika, fa raha manodidina an' Itasy, valaka. [2.415 #4035]
Tsy misy be aina ohatra ny alika, fa raha manodidina an' Itasy valaka. [2.558]
French translationPersonne n' a autant de force que le chien, et pourtant quand il fait le tour du lac Itasy, il est fatigué. [2.415 #4035]
French interpretationParoles d'excuses. [2.415 #4035]

Proverb 54Tsy misy be aina noho ny alika, fa raha voky ran-kena, mandry lalana. [2.653 #3510]

Proverb 55Vavan’ alika feno taolana : tsy hanina hahavoky, fa henamaso ny be. [2.653 #3645]
Vavan' alika feno taolana : tsy hanin-kahavoky fa henamaso ny betsaka. [2.558 #4903]

Proverb 56Vovòn' alika tsy hery fa tahotra. [2.653, 2.165, 2.974, 1.1]
Vovòn' amboa, tsy hery fa aro-tena. [2.415]
Vovòn' amboa : tsy hery fa tahotra. [2.415, 2.558]
Malagasy interpretationEnti-milaza ireo tsy maty am-bavany nefa maivana ady. [1.1]
Entina milaza ireo be vava izay be feo fotsiny nefa kanosa tsy sahy miroso hifanandrina. [1.1]
French translationAboiement de chien: ce n'est pas courage mais peur. [2.974 #40]
Des aboiements de chien: ce n' est pas de la force, c' est de la peur. [2.165 #810]
French interpretationCeux qui ont le verbe haut, mais peu de courage, sont semblables au chien qui aboie non par force et courage, mais par peur et pour se sauver. [2.415 #6058]

Index