Entry hay
Part of speech interjection [full list]
Explanations in Malagasy Tenim-piontanana: Enti-milaza fanontaniana: Hay! tonga sahady ianao
Enti-milaza toa figagana noho ny fahatongavan-javatra na toe-javatra tsy araka ny nampoizina: Natao hitsikitsika hivavahana, hay, Papango nipaoka ny akoho [1.1]
Explanations in English An exclamation of surprise or scorn. Really! Truly! Indeed! It is repeated frequently as an encouragement to warriors. [1.2]
 Really! indeed! [1.7]
Explanations in French Oh! vraiment! [1.8]
Examples Hay, hoy ny mpanjaka. [2.606]
Compound words 

Entry hay
Part of speech participle
Explanations in Malagasy  [Taisaka] fantatra [1.78]
 Azo, azo averina, fantatra (saingy ilazana indrindra zavatra ilana fianarana): Efa hainao va ilay tsianjery? (Ny hevitra fotsiny hoe "fantatra", tsy ilana fianarana, dia tsy fiteny loatra afatsy any an' indran-tany, na dia miha-mahazo vahana aza ankehitriny: Aiza ho aiza eto ny tranon-dRatsima, ry zaza? -- Tsy haiko, tompoko)
Fantatra ny fanaovana azy: Aoka hataoko fa raharaha haiko raha izany foana
Mety ho vita: Tsy mba hain' ny zanako, tompoko, ny mandainga
Azo, tanty: Tsy hay leferina ny hoso-dratsy avy amin' ny havanta
Azo ifampiraharahana, azo akekezina: Tsy haiko io olona io fa ianao no aoka hiresaka aminy
Voafehy: Tsy hain' ny vadiny Rasoa. [1.1]
Explanations in English Possible, able to, can be done by. In the provinces, to know, to be acquainted with. [1.2]
 Known; within one's capabilities [1.7]
Explanations in French  [Taisaka] Connu [1.82]
 Connu; dont on est capable [1.8]
Examples 
1Izay manapotsitra sy misintona lohanono koa ve dia tsy ho haiko [2.117]
2Hay izany no anton-diany! [2.499]
Morphology 
Present : hay, haiko, hainao, hainy, haintsika, hainay, hainareo, hain', hain-, haim-
Past : hay, haiko, hainao, hainy, haintsika, hainay, hainareo, hain', hain-, haim-
Future : ho hay, ho haiko, ho hainao, ho hainy, ho haintsika, ho hainay, ho hainareo, ho hain', ho hain-, ho haim-
Derivatives 
 
Compound words 
Titles Inona hay ny mivavaka
Proverbs 

Entry hay
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Fahaizana (teny miditra amin' ny famoronan-teny maromaro ka ny heviny hatrany dia hoe fahaizana, fahalalana) [1.1]
Derivatives 
Compound words 
Phytonyms 

Entry hay
Part of speech noun
Explanations in Malagasy  [Sihanaka] May, kilan'ny afo [1.78]
 Hafanana, firehetana na fahamaizana vokatry ny afo na ny masoandro, doro: Hain-trano, hain-tanety; hain' andro (hainandro). [1.1]
Explanations in English Burning. A word not used alone, but in compounds [1.2]
 Heat, fire [1.7]
Explanations in French  [Taisaka] Chaleur [1.82]
 Chaleur; feu [1.8]
 (toute l'île) (comparer au sanscrit kashai : brûler ; au vietnamien : ray : culture sur incendie, etc. ; des mots de même origine existent dans toutes les langues de l'océan Indien et des rives du Pacifique). Substantif : feu, incendie. On dit notamment hain-tanety: incendie des herbes, feu de brousse, mais périodiquement pour le renouvellement des pâturages. C'est une pratique désastreuse pour la végétation et le maintien de l'équilibre biologique. [1.196]
Derivatives 
 
Compound words 
Phytonyms 

Entry hay
Part of speech noun or adjective
Explanations in Malagasy  [Tambahoaka] Tany foana [1.78]
 Tanety na lohasaha ngazana tsy misy ala na ahitra lava fa efa nodorana [1.1]
Explanations in English An exposed situation, an open space near a forest, or surrounded by forest.
Open, exposed [1.2]
Explanations in French  [Merina] Dénudé, dont on a brûlé la végétation. La région dite Ankay tirait son nom de ce que toutes les forêts y avaient été brûlées pour faire du charbon de bois ; la métallurgie du fer à la mode malgache se faisait au charbon de bois ; et aussi pour créer des pâturages [1.196]
Vocabulary 
Compound words 

Entry hay
Part of speech noun
Explanations in English  [Provincial] The name of an insect found in rice [1.2]
Explanations in French  [Tankarana] Insecte parasite du riz [1.19]
 Nom générique des maladies des plantes qui se traduisent par un dessèchement des feuilles, comme si elles avaient été brûlées ; que ces maladies soient dues à des parasites végétaux ou animaux. Par exemple, haim-bary = haombary : « le pou du riz », mais aussi les dégâts dus à des attaques cryptogamiques, etc. [1.196]
Vocabulary 

Entry hay
Part of speech noun
Explanations in English  ahimaina [1.2]
  vilona, ahitra maina [1.17]

Anagrams 

Updated on 2023/10/17