|
|
|
|

Entry (1/3)1  lalana
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  Soritra namboarina hatao fandehanana mampitohy toerana na tanàna roa: Tsara ny lalana mankany Mojanga / Manaraha mandrakariva ny lalan' ny fahamarinana
Zavatra tsy maintsy atao mba hahatongavana amin' izay kendrena: Ny fikezahana no lalana mitondra amin' ny fahombiazana
Fahazoana manao zavatra iray, fahazoam-pahefana hanao zavatra iray: Iza no nanome lalana anao hiditra ato amin' ny sahako? (diso ny mampiasa ny teny hoe "alalana" amin' ny fehezan-teny toy io): Mangata-dalana handeha izahay, tompoko.
Teny misy hevitra ifandraisany: Lalan-kely, lalan-tsarety, lalam-be, arabe, lalam-boahangy, kizo, soritra, diantsarety, sakeli-dalana, kihondalana, fihaonan-dalana, sampan-dalana, hodimirana, finlahana, fivilian-dalana, lalamasaka, kizo tokana, lalantampina [1.1]
Explanations in English  4  a road, a way, a path [Mal. jalan; Jav. Dalan] see alalana, andalana, for many derivatives [1.2]
5  a road [1.7]
Explanations in French  6  route, chemin [1.8]
7  voie, rue [1.13]
8  [lalaña] chemin [Sakalava-Mayotte] [1.405]
Examples  9  lalany ihany ny lohasaha firaofany. [2.470]
10  Sarotra amin'izy efa-mianaka mihitsy ny manaraka ny lalana|dalana, fa efa feno ny mpandositra, ka dia ny manavatsava manao hitsin-lalana|dalana no nataony. [2.324]
11  Nihantsy ady taminy aho, hanova azy ho lalan' ny Fahafahana, saingy toa ho resiny. [2.471]
Morphology 
12  Simple :
13  Prefixed :
Derivatives 
Names :
Adverbs :
All compound words  16  89 combinations of lalana
Proverbs  17  Proverbs containing the word lalana
Article  18  Randzavola: lalana ao amin' ny Baiboly (=> varotra sy ranto)

Entry (2/3)19  lana
Part of speech  20  noun
Explanations in Malagasy  21  Fitsipika na amboaram-pitsipika tsy maintsy arahin' ny olon-drehetra, avoakan' ny mpitondra fanjakanà, na voaraikitry ny fomba amam-panao hatra ny fahagolan-tany, na ataon' ny solombavambahoaka: Fantatrao ve ny lalàna momba ny fifidianana? / Makà hevitra amin' ny olona mpahay lalàna ianao
Fepetra arahina amin' ny sokajin-javatra na fahaizana manokana: Araka ny lalànan' ny fitsipipitenenana malagasy dia tsy asiana / amin' ny fanakambanon-teny, raha ka na tra no iafaran' ny teny voalohany: Kara-pifidianana [1.1]
Explanations in English  22  [French la loi] a law [1.7]
Explanations in French  23  [français la loi] loi [1.8]
Morphology 
24  Simple :
25  Prefixed :
All compound words  26  31 combinations of lalana
Proverbs  27  Proverbs containing the word lalàna
Article  28  Randzavola: lalàna ao amin' ny Baiboly

Entry (3/3)29  Lalana
Part of speech  30  name (book title) [Full list]
Vocabulary  31  Literature: books
Author  32  Rakotoson Michèle

Anagrams  33 Lalana, lalàna, lalana

Updated on 2025/09/20