Index

Proverbs : hanina

Proverb 1Akoholahy maneno an-tsena: tsy hery, fa alahelo ny tanana nilaozana. [2.653 #63]
Akoholahy maneno an-tsena : tsy hery fa hanina ny tany nilaozana. [2.558]

Proverb 2Atao adala ka tezitra: vary misy ro ka haronina, sisan' Idalo ka hanina. [1.1]
Atao adala ka tezitra: vary misy ro ka haronina, sisan' ny Idalo ka hanina. [2.165 #1652]
Atao adala ka tezitra, vary misy ro ka haronina, tanan-tsy mioza ka enti-mitsabaka. [2.653 #291]
Atao ho adala ka tezitra, nefa vary misy ro ka haronina, sisan' Idalo ka hanina. [2.415 #2060]
Atao ho adala ka tezitra, nefa vary misy ro ka haronina, tanan-tsy mioza ka enti-mitsabaka. [2.415 #2060]
Malagasy interpretationEnti-milaza olona tezitra raha atao hoe adala, kanefa ny toetra amam-pombany rehetra mitory toetran' olona adala. [1.1]
French translationIl s' irrite de ce qu' on le traite de sot, et cependant il met la main dans le riz cuit avec de la sauce, il la plonge sans s' être lavé et il mange les restes d'Idalo. [2.415 #2060]
On le traite d' imbécile et il se fâche: pourtant il prend avec la main du riz sur lequel on a mis de la sauce, et il mange les restes d' Idalo (nom de quelqu' un de malpropre, très probablement). [2.165]
French interpretationSe disait de ceux qui protestent contre ce qu' on dit d' eux et qui cependant, par leur conduite, montrent la vérité de ce qui est allégué contre eux. [2.415 #2060]

Proverb 3Aza atao hala maina, hoatry ny vorondolo : tsy hohanin-kena, tsy hosotroin-dro, fa vonoim-poana. [2.415 #5645]
Aza atao hala maina ohatra ny vorondolo: tsy ho hanin-kena, tsy hosotroin-dro, fa vonoim-poana. [2.165]
Aza atao hala maina toa vorondolo : tsy ho hanina, tsy halain-dro fa vonoim-poana. [2.558]
French translationNe haïssez pas sans motif comme on hait le hibou ; on ne le mange pas, on n' en fait pas de bouillon, mais on le tue pour rien. [2.415 #5645]
Ne haïssez pas sans raison comme on hait le hibou; on ne le mange pas, on n' en fait pas du bouillon, mais on le tue pour rien. [2.165]

Proverb 4Aza manao tahaka ny ambiaty hianao : mahalala ny taon-kamoazana, fa tsy manam-boa. [2.653 #507]
Aza manao tahaka ny ambiaty : mahalala taon-kamoazana fa tsy manam-boa. [2.558 #580]
Toy ny ambiaty : mahalala taona fa tsy misy voany ho hanina. [2.558 #274]

Proverb 5Aza manao voan-tapia : iray no hanina telo no aloa. [2.558 #636]
Aza manao voatapia : iray no arapaka ka telo no aloa. [2.415 #5650, 2.653 #549]
French translationQue ce ne soit pas comme le fruit du tapia : on en avale un, ou en crache trois. [2.415 #5650]
French interpretationEsprit de contradiction. [2.415]

Proverb 6Hanina am-bolony. [2.415 #286]
French translationTraiter les affaires sérieuses sans examen et sans discernement, c' est comme si l' on mangeait une poule avec les plumes. [2.415 #286]

Proverb 7Hanina azy fa toa tsy hahazo, hoy ilay boka manani-boara. [2.558 #1271]
Hanina azy, toy ny boka manani-boara. [2.415 #1999]
Hanina azy, toy ny boka nanani-boara. [2.653]
French translationPur regret, comme le lépreux qui est monté sur un figuier. [2.415 #1999]
French interpretationSe disait de l'impuissance. [2.415 #1999]

Proverb 8Hanina omena andevolahy : tsy tian-kano, tian-kano. [2.415 #552, 1.3]
Toy ny hanina omena andevo : "Tian-kano, tsy tian-kano". [2.165 #1564, 2.653 #3195]
Toy ny hanina omena mpanompo : tian-kano, tsy tian-kano. [2.558 #4283]
French translationComme la nourriture qu' on donne aux esclaves: qu' ils l'aiment ou qu' ils ne l' aiment pas, il faut qu'ils la mangent. [2.165]
Nourriture donnée à un esclave: qu'elle soit bonne ou mauvaise à manger, il est obligé de la manger. [1.3]
Nourriture qu' on donne à l' esclave : qu' elle soit bonne ou mauvaise, il est obligé de la manger. [2.415 #552]
French interpretationIl faut se contenter de tout ce qui vient des supérieurs. [1.3]
Ils n' ont pas le choix. [2.165]
Se disait des travaux qu'on était obligé de faire. [2.415 #552]

Proverb 9Hanina voaray maty afo ka ny vava tsy mba maizina. [2.558]
Hanina voaray maty afo : ny vava tsy mba maizina. [2.415 #4489, 2.653 #1027]
Hanina voaray maty jiro ka ny vava tsy mba maizina. [2.558]
French translationNourriture prise au moment où le feu s' éteint : la bouche n' est jamais dans l' obscurité. [2.415 #4489]
French interpretationLes Malgaches prenaient leur repas autour du feu et restaient ensuite à causer ; le feu s' éteignait peu à peu. Le sens est qu' il n'y a pas besoin d'y voir pour manger. [2.415 #4489]

Proverb 10Hoatry ny taizan-drenibe : voky hanina, fa tsy mitombo saina. [2.415 #971]
Hoatry ny zaza taizan-drenibe : voky hanina, fa tsy mitombo saina. [2.415 #971]
Zaza taizan-drenibe : voky hanina fa votsa saina. [2.558 #5102]
French translationEnfant élevé par sa grand-mère : il est bien repu, mais il ne grandit pas en sagesse. [2.415 #971]
French interpretationSe disait des enfants auxquels on laissait de la fortune mais qu' on avait mal élevés. [2.415 #971]

Proverb 11Ilaozanao mbola tsy manaritra aho, ka hanina anao no androatokon' aretina. [2.558 #1396]
Ilaozanao mbola tsy manaritra aho, ka ny hanina anao no androatokon' aretina. [2.165 #1990]
Ilaozanao mbola tsy manaritra aho, ka ny hanina anao no androa-tokon' ny aretina. [2.415]
French translationVous me laissez avant que je sois guéri, et le désir que j' ai de vous voir fait les deux tiers de ma maladie. [2.415 #2793]
Vous me quittez avant que je sois guéri, et l' ennui de vous forme les deux tiers de ma maladie. [2.165]

Proverb 12Irery tena manan-tsoavaly : sady mitaingina no mamahy. [2.653 #1144]
Irery tena manan-tsoavaly : sady mitaingina no manome hanina azy. [2.558 #1444]

Proverb 13Kamboty tsy mba midongy sao lanin' ny velondray aman-dreny ny hanina. [2.558 #1596]

Proverb 14Lokan' ankizy, ka izay azo dia hanina. [2.415 #2381]
Lokan' ankizy ka ny azo dia hanina. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny loka omena eo no ho eo. [1.1]
French translationJeux d'enfants : ce qu' ils attrapent, ils le mangent. [2.415 #2381]
French interpretationSe disait des gens ne sachant pas économiser, mais dépensant l' argent à mesure qu' ils en ont. [2.415 #2381]

Proverb 15Mampisalasala ohatra ny mitsako vozon' akoho : hatelina toa taolana, haloa toa nofony. [2.558]
Mampisalasala, ohatra ny mitsako vozon’ akoho ; hatelina, toa taolana; haloa, toa nofony ihany. [2.653]
Manalasala ohatra ny vozon' akoho tanora. [1.1]
Manalasala ohatra ny vozon' akoho tanora; hanina toa taolana, avala toa nofony ihany. [1.1]
Salasala mivozon’ akoho tanora : haloa, toa nofony ; hatelina, toa taolana. [2.974 #280, 2.415]
Salasala toa vozon' akoho tanora : haloa toa nofony, hatelina toa taolana. [2.558 #3816]
Malagasy interpretationEnti-milaza zavatra tsy hita hatao ho tsara na ratsy ka manahirana ny saina ny manapaka na hitana na hamela azy. [1.1]
French translationAmbigu ou équivoque comme le cou d’un jeune poulet : le rejeter? mais c’est de la chair ; l’avaler ? mais c’est de Vos. [2.974 #280]
Ni l' un ni l' autre, tel le cou d' un poulet : si on veut le rejeter, il semble cependant que c' est de la chair ; si on veut l' avaler, il semble que c' est un os. [2.415 #4590]
French interpretationSe disait pour signifier l' incertitude, quand on se demandait par exemple si un procédé dénotait amitié ou hostilité. [2.415 #4590]

Proverb 16Manafaingana tena toy ny marary be tsy homan-kanina. [2.415 #2800]
Manafaingan-tena ohatra ny marary tsy homan-kanina. [2.558]
Manafaingan-tena ohatra ny marary tsy mahatelin-kanina. [2.558]
Manafaingan-tena toy ny marary be tsy homan-kanina. [2.165 #2110, 2.653 #1488]
Marary be tsy mahatelin-kanina, ka manafaingana ny ainy. [2.165 #2003, 2.415 #2804]
French translationCelui qui est gravement malade et ne peut plus rien avaler accélère sa fin. [2.165]
Hâter sa fin comme un malade qui ne mange plus rien. [2.165 #2110]
Hâter sa perte comme un malade qui ne mange même plus les choses qu' il aimait. [2.415 #2800]
L' homme gravement malade qui ne peut plus prendre de nourriture hâte sa fin. [2.415 #2804]
French interpretationCelui qui ne pouvait plus manger allait mourir. [2.415 #2804]
Les malgaches pensent que quand quelqu' un ne peut plus manger, il doit être près de sa mort. [2.165]
On faisait manger beaucoup les malades ; quand un malade refusait de manger, son entourage disait qu'il hâtait sa mort ; ce proverbe se disait de ceux qui ne font pas leur possible pour se tirer d' embarras. [2.415 #2800]

Proverb 17Mangahazo mangidy malemy: hanina amin' ny lemim-panahiny. [1.1]
Mangahazo mangidy malemy, ka hanina amin' ny lemim-panahiny. [2.165 #383, 2.415 #5960, 2.558 #2100]
Malagasy interpretationRaha tsy maintsy mandray vola na zavatra manana toetra mifangaroharo, ny toetra tsara ananany no jerena. [1.1]
French translationLe manioc amer et tendre: c' est sa tendreté qui le fait manger. [2.165]
Le manioc amer et tendre, on le mange à cause de sa tendresse. [2.415 #5960]

Proverb 18Maniry hanina an-tenda, hoatry ny amboa miambozon-koditra. [2.415 #5859]
Maniry manitra ohatra ny alika miambozon-koditra. [1.62, 2.558, 1.1]
Nahoana no maniry manitra tahaka ny alika miambozon-koditra ? [2.558 #179]
Malagasy interpretationEntina milaza olona mitsiriritra zava-tsoa izay lavitra azy sy mety ho sarotra ny hahazoana azy nefa tsy lavitra azy dia efa misy an'io zavatra tsiriritiny io saingy tsy azony alaina ho azy akory. [1.62]
Entina milaza olona tsy lavitra zava-tsoa iray, nefa tsy afaka haka azy fa mitsiriritra lava eny. [1.1]
Eo akaikin' ny zavatsoa iray lalandava, nefa tsy afaka hanararaotra. [1.1]
Maniry hahazo zavatra mahafinaritra izay eo akaikin' ny tena lalandava, nefa tsy ho azo na oviana na oviana. [1.1]
French translationDésirer une nourriture qu' on a à la gorge, c' est comme le chien qui a un collier en peau. [2.415 #5859]

Proverb 19Matin-kenamaso, ka homam-barim-boka. [2.415 #6306, 1.1]
Matin-kenamaso, ka homan-kanina voa mosavy. [2.415 #6305]
Matin-kenamaso ka mihinam-barim-boka. [2.165 #1118, 2.558 #2180, 2.653 #1678]
Malagasy interpretationEnti-milaza olona apanaikinaiky foana noho ny henatra, na dia zava-dratsy aza no atolotra azy. [1.1]
French translationPar fausse honte, il mange le riz d' un lépreux. [2.165]
Victime du respect humain, il mange des mets ensorcelés. [2.415 #6305]
Victime du respect humain, il mange les restes de riz d' un lépreux. [2.415 #6306]
French interpretationRefuser de manger avec quelqu' un est très impoli; pour ne pas l'être, on mange avec un lépreux, ce qui est regardé avec horreur; de deux maux, choisir non le moindre, mais le pire. [2.165]
Se disait des gens qui s'exposent imprudemment par respect humain. [2.415 #6306]
Se disait du respect humain. [2.415 #6305]

Proverb 20Ny ankizy no tia tsapa fatana, ny ray aman-dreny no tia tonotono. [1.1]
Ny zaza no tia tsapa-fatana, dia ry zareo vaventy no tia tono hanina. [2.558 #3381]
Ny zaza no tia tsapa fatana, ny ray aman-dreny no tia tono hanina. [2.415 #992, 2.653 #2534]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny toetran' ny lehibe izay tsy miafina amin' ny ankizy ka mazàna no alainy tahaka. [1.1]
French translationSi les enfants aiment à tripoter le feu, c' est que les parents aiment à manger des grillades. [2.415 #992]
French interpretationLes enfants imitent les parents. [2.415 #992]

Proverb 21Ny fitia aza atao tsy mivaly ohatra ny hanina nomena boka. [2.558]
Ny fitia aza atao tsy mivaly, toy ny hanina omem-boka. [2.165 #2034, 2.415 #5116]
French translationQue l' affection ne reste pas sans récompense, comme la nourriture qu' on donne à un lépreux. [2.165]
Que l' amour ne reste pas sans récompense comme la nourriture qu' on donne à un lépreux. [2.415 #5116]
French interpretationQuand on donne à manger à un lépreux, on ne désire pas qu' il vous rende la pareille! [2.165]

Proverb 22Ny jinjanay, ny ambeo no hanina, fo era. [2.415 #5816]
French translationLa récolte est brûlée, la réserve est mangée, que faire ? mon coeur est en délibération. [2.415]

Proverb 23Ny vitsika no keliray, ny fanompoana no mafy : mivoaka, mitondra tany ; miditra, mitondra hanina ; kanefa nony tonga, ny tsy naka no homana. [2.415 #731, 2.653 #2481]
French translationSi les fourmis sont chétives, c' est que leur corvée est rude : en sortant elles portent de la terre ; en rentrant elles apportent des provisions ; mais quand elles arrivent, c' est celui qui n' a pas amassé qui mange tout. [2.415 #731]
French interpretationCe proverbe qui s'appliquait aux exacteurs, fait allusion au serpent renimandotra ; les Malgaches disaient que ce serpent habitait les fourmilières et était nourri par les fourmis qui à leur tour mangeaient son cadavre. [2.415 #731]

Proverb 24Rafotsibe mihinam-boangory tokana : tapahina poritra, hanina amin' izao malaky lany. [2.558 #3514]
Rafotsibe mihinam-boangory tokana: tapahina, poritra; hanina, malady lany. [2.165]
Rafotsibe nihinam-boangory tokana: tapahina, poritra ; abosika, malady lany. [2.415 #1919, 2.653]
French translationLa vieille femme qui veut manger un unique hanneton: si elle le partage en deux, elle l' écrase; si elle n' en fait qu' une bouchée, il est bientôt avalé (et le plaisir est de bien courte durée). [2.165]
Vieille qui n' a qu' un hanneton à manger : si elle le partage, elle le presse et il ne reste plus que la peau ; si elle l'avale, il est vite mangé. [2.415 #1919]
French interpretationSe disait des pauvres. [2.415 #2500]

Proverb 25Raha noana hianao atakalonao hanina. [2.415 #5473]
French translationSi vous avez faim, vous m' échangerez pour ce qui se mange. [2.415 #5473]
French interpretationParoles de femmes, pour reprocher à un homme son peu d'amour. [2.415 #5473]

Proverb 26Rano tsy androana, tsy mahafatseroka, lamba tsy atafy, tsy mahafana, ny vary tsy hanina, tsy mahavoky, ny raharaha tsy atao, tsy lavorary. [2.558 #3714]
Rano tsy androana tsy mahafa-tseroka, ny lamba tsy atafy tsy mahafana, ny vary tsy hanina tsy mahavoky, ny raharaha tsy atao tsy mety lavorary. [2.165 #725, 2.415 #3969]
French translationL' eau dans laquelle on ne se baigne pas n' enlève pas la crasse; un vêtement qu' on ne met pas ne préserve pas du froid; le riz qu' on ne mange pas ne rassasie pas; le travail qu' on ne fait pas ne peut réussir. [2.165]
L' eau dans laquelle on ne se trempe pas n' enlève pas la crasse, le vêtement qu' on ne porte pas ne réchauffe pas, le riz qu' on ne mange pas ne rassasie pas, ainsi le travail qu' on ne fait pas ne réussit pas. [2.415 #3969]

Proverb 27Sorohitra, ka torahan-tsy ho hanina. [2.415 #2407]
French translationCe qu' on gâte sans en tirer profit, c' est comme une alouette qu' on tue d' un coup de pierre et qu' on ne mangera pas. [2.415 #2407]
French interpretationBeaucoup de Malgaches s' interdisaient superstitieusement de manger les alouettes. [2.415 #2407]

Proverb 28Tapian' Imamo : iray no hanina ka telo no aloa. [2.558 #4103]

Proverb 29Tendrom-pary avy amin' andriana tsy hanina irery. [2.415 #483]
French translationTête de canne à sucre donnée par le souverain ou par un seigneur : ce n' est pas seulement un mets, c' est un honneur. [2.415 #483]
French interpretationSe disait des cadeaux faits par le souverain, les seigneurs ou une personne de condition distinguée. [2.415 #483]

Proverb 30Toy ny rambon' osy : hanina mahavoafady, ariana rambon-karena. [2.558 #4315]

Proverb 31Tokantrano tsy ampoizina, ka hanin-tonta no hanina. [2.415 #1238, 2.653 #3108]
Tokantrano tsy nampoizina, ka hanin-tonta no hanina. [2.558 #4155]
French translationMénage qu' on ne soigne pas : on s' y nourrit de mets grossiers. [2.415 #1238]

Proverb 32Torahan-kariana toy ny sorohitra ambony fasana. [2.415 #2924]
Torahan-tsy hohanina, toy ny sorohitra ambony fasana. [2.165 #427, 2.653 #3143]
Torahin-tsy ho hanina tahaka ny sorohitra ambony fasana. [2.558]
French translationC'est comme l' alouette sur un tombeau : si elle est chassée avec des pierres et si elle est tuée, on ne peut pas la manger mais il faut la jeter. [2.415 #2924]
Qu' on tue sans vouloir le manger, comme une alouette sur un tombeau. [2.165 #427]
French interpretationC' était là une des nombreuses prescriptions superstitieuses ; se disait des gens sans pudeur. [2.415 #2924]

Proverb 33Tsy ankaninona toy ny trondro maimbon-dReningaraka : hanina, mahamaimbo rezatra ; ariana, zava-manasatra ; tehirizina, lo ; ahahy, anozonan' ny olona. [2.415 #6093]
French translationDont on ne sait quoi faire comme le poisson trondro de Reningaraka lorsqu' il sent mauvais : si on le mange, on a l' haleine mauvaise ; si on le jette, on le regrette comme une chose pour laquelle on s' est fatigué ; si on le conserve, il se pourrit ; si on le fait sécher, on est maudit par les gens. [2.415 #6093]
French interpretationLa juste mesure est difficile à atteindre. [2.415 #6093]

Proverb 34Tsy satrin' ny mpiasa ny ho be herikerika, fa ny mpanatitsakafo no mivezivezy. [2.558 #4790]
Tsy satrin' ny mpiasa ny miherikerika, fa ny mpitondra hanina no mivezivezy. [2.415 #3422]
Tsy satrin’ ny mpiasa no miherikerika, fa ny mpitondra hanina no mivezivezy. [2.653 #3577]
French translationSi le travailleur des rizières se retourne, ce n' est pas qu' il le veuille, mais c' est que le porteur de vivres rôde çà et là. [2.415 #3422]
French interpretationSe disait des envoyés qui changent les termes de la commission : ce n' est pas la commission qui veut être changée mais c' est le commissionnaire qui la change. [2.415 #3422]

Proverb 35Voalavo manaiki-by, ka ny tsy laitra hanina no hanihaniny. [2.415 #2125]
Voalavo manaiki-by ka ny tsy laitran' ny nify no vazivazina. [1.1]
Voalavo manaiki--by ka ny tsy laitry ny nify no hanihanina. [1.3 #843]
Voalavo manaiki--by, ka ny tsy laitry ny nify no vazivazina. [2.415 #6333]
Voalavo nanaiki--by : ny tsy laitry ny nify avy no inanina. [2.558 #4977]
Voalavo nanaiki-by: ny tsy laitry ny nify avy no mba hanihanina. [2.653 #3695, 2.974]
Malagasy interpretationEnti-milaza ireo manandranandram-poana ka ny tsy azo atao no naikanaikana. [1.1]
French translationCelui qui tente l' impossible est comme le rat qui veut ronger le fer et s' attaque à plus fort que lui. [2.415 #6333]
Rat qui ronge du fer : pourquoi s’attaquer à plus fort que ses dents ? [2.974 #291]
Tenter l' impossible, c' est faire comme le rat qui mord du fer : il veut manger ce qui ne peut pas être mangé. [2.415 #2125]
French interpretationSe disait de ceux qui voulaient l'impossible. [2.415 #2125]

Index