Entry kipantsona
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Takela-barahina mitapelaka roa izay ampiadina ka mamoaka feo mikarantsana.
Fonjam-by ahantona ary velezina amin' ny tapa-by ihany; maro karazana izy io rehefa ampiasaina amin' ny fiarahan-javamaneno araka izay feo ilaina: misy toy ny takotra manify, misy tariby vaventy afolaka indroa, ary misy karazana lakolosy kely atambatra vitsivitsy. (Taloha nampiasaina ho toy ny lakolosy fiantsoana ny kipantsona, ary ankehitriny ampiasaina amin' ny Fanabeazana fototra araka ny fomba fampianarana vaovao eo amin' ny mozika aman-kira) [1.1]
 Karazan-javamaneno mikarantsana rehefa velezina [1.13]
Explanations in French Cymbales [1.3, 1.13]
Examples Ary ny fitondran'ny zanadRalambo tamin'izany kosa, dia mively amponga sy kipantsona. [2.59]
Vocabulary 
Hypernym zavamaneno
Co-hyponyms adabo, ambio, ambioka, amponga, ampongabe, ampongantaolo, ampongavilany, anakidory, angaroa, angorodao, angorodaovava, anjomara, anjombona, antsiva, antsodiny, antsoly, armonia, atranatra, atranatrana, bakora, barakoma, belahara, belela, bengilahy, bezoma, bingona, bingy, dedeboka, detra, diapazona, doka, dombolo, doribe, dory, dretra, farara, fararantsaonjo, faray, fikasihandokanga, filiotra, garadoboky, gitara, gorodo, harpa, hatrotrobe, hazolahy, jazy, jejelava, jejevoatavo, jejilava, jejy, jejyvoatavo, jenjy, jinjilava, jy, kabaosa, kabaosy, kabiro, kabiry, kabosa, kabosy, kahamba, kahiamba, kiatsody, kidedra, kilakila, kilangay, kilarinety, kilerao, kiloloka, kitrivo, korintsana, kotra, kovabe, lakolosy, langoroana, langoroany, langorony, lokanga, lokangahisatra, lokangambazaha, lokangavava, lokangavoatavo, makasa, manandria, manandrialahy, manandriavavy, maromaso, marovany, morarava, nlapa, nlapabe, organa, piano, pirango, piripity, pisto, pitikilangy, pitsofaoro, raloba, rimorimo, rondro, sarinety, silingary, silongary, sobaba, sodina, takoritsoka, tambovo, taralila, tary, trompetra, trotrobe, tsikadraha, tsirivo, tsotsoka, valiha, valihajihyvy, valihamarovany, valihatoryfolo, valihatorytenany, valihatsimihety, valihavata, valihavero, zezo

Entry kipantsona
Part of speech adjective
Explanations in Malagasy Entina milaza ny olona vavèna [1.1]
Explanations in French Bavard, loquace, hâbleur [1.3]

Updated on 2023/03/19