Entry jejy
Part of speech noun
Malagasy definition Zavamaneno misy tadiny roa ka hatramin' ny enina, kitihina mitovitovy amin' ny gitara, henjanin' ny tohan-kazo vita sokitra, ary voatavo siny izay mifatotra eo akaikin' ny tendrony ilany no manamafy ny feony. Mikarantsana somary kentsona ny feon' ny jejy -- tsy itovizany amin' ireo zavamaneno misy tadiny; aankina amin' ny traira na ny kibo ilay voatavo siny fanamafisam-peo no mahatonga izay feo anankiroa samy hafa izay; miova araka ny faritany ny anarany: jejo na zezo (Antandroy ary ny faritany atsimo rehetra), jenjy (Betsimisaraka sy faritany atsinanana), lokanga voatavo na jejy voatavo (Imerina sy Betsileo) [Rajemisa 1985]
English translation a guitar made with a stick and a gourd [Hallanger 1973]
French translation  [Tankarana] espèce de guitare (taper sur cordes) (faite avec une calebasse). [David 1952 (takila J)]
 sorte de guitare faite d'un bâton et d'une calebasse [Hallanger 1974]
Vocabulary 
Derivations 
Origin Kiswahili: zeze.
Synonyms jenjy
Analogues  jejilava

Updated on 2020/07/31