| Entry | 1 jejy |
| Part of speech | 2 noun |
| Explanations in Malagasy |
3 Zavamaneno misy tadiny roa ka hatramin' ny enina, kitihina mitovitovy amin' ny gitara, henjanin' ny tohan-kazo vita sokitra, ary voatavo siny izay mifatotra eo akaikin' ny tendrony ilany no manamafy ny feony. Mikarantsana somary kentsona ny feon' ny jejy -- tsy itovizany amin' ireo zavamaneno misy tadiny; aankina amin' ny traira na ny kibo ilay voatavo siny fanamafisam-peo no mahatonga izay feo anankiroa samy hafa izay; miova araka ny faritany ny anarany: jejo na zezo (Antandroy ary ny faritany atsimo rehetra), jenjy (Betsimisaraka sy faritany atsinanana), lokanga voatavo na jejy voatavo (Imerina sy Betsileo)
[1.1] |
| Explanations in English |
4 a guitar made with a stick and a gourd
[1.7] |
| Explanations in French |
5 [Tankarana] espèce de guitare (taper sur cordes) (faite avec une calebasse).
[1.19] 6 espece de guitare montée sur une moitié de citrouille ou de calebasse [1.3#294] 7 sorte de guitare faite d'un bâton et d'une calebasse [1.8] |
| Examples |
8 Nitendry jejy izy ka nandehandeha nangataka;
[2.69#]
|
| Derivatives |
|
| Vocabulary | 10 Music: instruments |
| Other spellings | 11 jenjy |
| Hyperonym |
|
| Co-hyponyms |
|
| Combinations | 134 3 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word jejy |
| Illustrations |
|
| Updated on 2026/02/26 |
|