Index

Proverbs : fara

Proverb 1Alao ho ahy ny tringitringiny, fa izaho no avo indrindra ; aiza koa ho ahy ny vodiny, fa ny taranako no ho tompon' ny farany. [2.415 #182]
French translationJe me réserve la bosse du boeuf, car je suis le plus grand ; et je me réserve la culotte du boeuf, parce que mes descendants seront maîtres de l' avenir. [2.415]
French interpretationParoles proverbiales du roi Ralambo lorsqu'il fit abattre le premier boeuf pour être mangé. [2.415]

Proverb 2Amin' ny zavatra rehetra mba mitsapa ny ho farany. [2.415 #6203]
Aza mandroso tsy mitsapa ny farany. [2.415 #6219]
French translationEn toutes choses regardez la fin. [2.415 #6203]
N' avancez pas sans prévoir l' avenir. [2.415 #6219]

Proverb 3Angidi-miriorio, ka ho any an-kady no farany. [2.415 #2990]
French translationLibellule qui promène çà et là son vol égaré, finit dans le fossé. [2.415 #2990]
French interpretationTêtes légères se conduisant au hasard. [2.415 #2990]

Proverb 4Arivo tatatra, zato renirano; faran' ny rano Ikopa ihany. [2.165 #456, 2.653]
Renirano zato, sakeli-drano arivo : Ikopa ihany no farany. [2.974 #165]
Renirano zato, sakeli-drano arivo : Matsiatra ihany no farany. [2.974 #165]
Renirano zato, tatatra arivo, fa Ikopa ihany no farany. [2.558]
Renirano zato, tatatra arivo: Ikopa ihany no farany. [2.653]
Tatatra zato, sakelidrano arivo, faran' ny rano any Matsiatra. [2.558 #4113, 2.653 #3048]
French translationMille canaux, cent rivières: leur fin à tous est l' Ikopa. [2.165]
French interpretationLe mensonge finit toujours par être dévoilé. [2.165]

Proverb 5Atodin-taitso : sady farany, lohany. [1.147 #A110]
Atodin-tetso: sady farany, lohany. [2.165]
Malagasy interpretationAtodin-taitso: sady farany no voalohany. [2.165]

Proverb 6Aza manao tovolahy mahita fotsimbary, ka arotsahy ihany. [2.558 #597]
Toy ny tovolahy mahita fotsimbary, ka "Arotsahy, arotsahy ihany" . [2.165 #1920]
Tovolahy mahazo fotsimbary, ka " arotsahy ihany " . [2.415 #1590]
Tovolahy mahita fotsimbary : tsy mitsapa izay ho farany, fa ny "arotsahy ihany". [2.558 #4232]
Tovolahy mahita fotsimbary : tsy mitsapa ny farany, fa " arotsahy ihany " . [2.415 #1590, 2.653]
French translationComme un jeune homme trouvant du riz blanc (c.à.d. décortiqué) et disant: "Mettez-le dans la marmite" . [2.165]
Jeune homme qui a du riz décortiqué : il ne songe pas à l' avenir mais il dit : faites-en toujours cuire, et il le consomme. [2.415 #1590]
French interpretationCe n' est pas lui qui a eu la peine de le produire, et il ne pense pas non plus au lendemain. [2.165]
Se disait des prodigues et des imprévoyants. [2.415 #1590]

Proverb 7Aza mitaitay hihina-menaka fa ho lamoka ihany amin' ny farany. [2.558 #789]
Aza mitaitay homamenaka fa ho lamoka ihany amin' ny farany. [1.1]
Aza mitaitay homa-menaka, fa ho lamoka ihany no farany. [2.165 #1251]
Aza mitaitay homa-menaka, fa ho lamoka ihany no ho farany. [2.653]
Malagasy interpretationAza maimaika ny hahazo izay tadiavina fa mety hanenenanao any aoriana. [1.1]
French translationNe soyez pas trop avide de graisse, car à la fin vous en serez dégoûté. [2.165]
French interpretationLa graisse était considérée par les Malgaches comme un aliment fortifiant. [2.165]

Proverb 8Aza tsy tia vady, fa tsy ny voalohany no vady, fa ny farany. [2.165 #1794]
French translationAimez la femme que vous avez maintenant, car ce n' est pas elle qui sera votre femme jusqu' à la fin. [2.165]
French interpretationAllusion au divorce; si vous aimez la femme que vous avez maintenant une autre femme, celle que vous aurez en dernier lieu, vous aimera aussi à son tour. [2.165]

Proverb 9Borizano tanora ka miaramila no farany. [2.558 #958]
Borizano tanora, miaramila no farany. [2.415 #415, 2.653 #826]
French translationJeune citoyen finira par être militaire. [2.415 #415]
French interpretationSe disait à l' époque des grandes levées de soldats. [2.415 #415]

Proverb 10Diamangam-boka : hehy no farany. [2.415 #1996, 2.653 #831]
Diamangam-boka ka hehy no farany. [2.558 #975]
French translationCoup de pieds entre lépreux: on finit par des éclats de rire, car ils ne peuvent pas se faire de mal. [2.415]
Coups de pieds entre lépreux : on finit par des éclats de rire, car ils ne peuvent pas se faire de mal. [2.415 #1996]
French interpretationSe disait des disputes sans beaucoup d' effet. [2.415 #1996]

Proverb 11Dihizina am-boalohany, hoatry ny fanambadian-dratsy, ka itomaniana am-parany. [2.415 #5531]
Dihizina am-boalohany, ohatra ny fanambadian-dratsy, ka itomaniana am-parany. [2.653]
Dihizina am-boalohany toy ny fanambadian-dratsy, fa itomaniana am-parany. [2.558 #999]
Ny fanambadiana andihizana am-boalohany, ary itomaniana no farany. [2.415 #1215]
Ny fanambadiana andihizana am-boalohany fa isahiranana am-parany. [2.558 #192]
French translationC' est comme dans les mariages malheureux : on commence par la danse et on finit par les larmes. [2.415 #5531]
Le mariage commence par une danse de joie et finit dans les larmes. [2.415 #1215]
French interpretationBien commencer et mal finir. [2.415 #5531]
Sens général : heureux commencement, mauvaise fin. [2.415 #1215]

Proverb 12Hainandro hariva ka ny avo no trany farany. [2.558 #1245]
Hain' andro hariva : ny avo ihany no trany. [2.653, 2.415]
Hain' andro, ka ny avo ihany no vonjena. [2.415]
Toy ny hainandro, ka ny avo ihany no vonjeny. [2.165]
Toy ny hainandro ka ny avo ihany no vonjeny aloha. [2.558 #4282]
Toy ny hainandro: ny avo ihany no vonjeny. [2.653]
French translationChaleur du soleil : ce sont les régions élevées qui sont secourues. [2.415 #765]
Pareil au soleil, qui n' éclaire (d' abord) que les endroits élevés. [2.165]
French interpretationLes grands seuls et non les petits sont l' objet d' égards. [2.415 #765]

Proverb 13Hiran-dRamomba : ranomaso no farany. [2.558 #89]
Hiran' Ikalamomba, ka ranomaso no farany. [2.415 #1761, 2.653 #1075]
French translationChants d'Ikalamomba la stérile : cela finit toujours par des larmes. [2.415 #1761]
French interpretationLa stérilité était un grand chagrin pour la femme. [2.415 #1761]

Proverb 14Homeko azy ny anio tontolo andro, fa ny farany ho ahy. [2.415 #3643]
French translationJe lui donne le présent en échange de l' avenir. [2.415 #3643]
French interpretationParoles du roi Andriantompokoindrindra en faveur de son frère Andrianjaka, pour assurer à ses descendants, certains avantages stipulés ; elles sont passées en proverbe. [2.415 #3643]

Proverb 15Hovalahy tsy mivadi-belirano : tompon' ny farany. [2.558 #1385]

Proverb 16Izay fatra-pandà ihany no manaiky. [1.1]
Malagasy interpretationMatetika ireo mikiribiby manda mafy ihany no milefitra manaiky amin' ny farany. [1.1]
Ny ela manova zavatra ka ny nolavina mafy tamin' ny voalohany lasa ekena atý aoriana. [1.1]

Proverb 17Kalon' antitra ka tany no farany. [1.1]
Kalon' antitra ka tany (tomany) no farany. [2.558 #1591]
Toy ny kalon' antitra, ka ranomaso no farany. [2.558 #4293]
Toy ny kalon' antitra, ka tomany no farany. [2.165 #1940]
Toy ny kalon' antitra : tany no farany. [2.415 #1867, 2.653 #3203, 2.974 #232]
Malagasy interpretationIlazana ny hira fanaon' ny antitra mitanisanisa ny fotoan-dasa ka mahatonga azy hanembonembona ary mazàna miafara amin' ny tomany. [1.1]
French translationChanson de vieux : à la fin ce sont des larmes. [2.974 #232]
Chants de vieillards : chants de plainte qui se terminent par des larmes. [2.415 #1867]
Comme le chant des vieux, il finit par des larmes. [2.165 #1940]
French interpretationIls passent le temps à regretter le passé. [2.415 #1867]

Proverb 18Malemy amy ny voalohany, fa sarotra amy ny farany. [2.653 #1462]
Malemy amin' ny voalohany fa sarotra amin' ny farany. [2.415 #6231, 2.558 #1936]
French translationFacile dans les débuts, mais difficile à la fin. [2.415 #6231]

Proverb 19Mifankatia tsy mifamarafara: ady no farany. [2.165 #301, 2.653 #1757]
Mifankatia tsy mifamarafara ka ady no farany. [2.558 #2304]
French translationS' aimer sans s entendre: ça finit par des querelles. [2.165 #301]

Proverb 20Miriorio foana ny angidina fa any anaty rano ihany no iafarany. [1.1]
Miriorio foana ny angidina, fa any an-kady ihany ny iafarana. [2.653]
Miriorio foana ny angidina, fa any an-kady ihany no farany. [2.165 #857]
Miriorio foana ny angidina, fa any an-kady ihany no hiafarana. [2.974 #220]
Miriorio foana ny angidina fa any an-kady ihany no hiafarany. [2.558 #154]
Miriorio foana ny angidina, fa any an-kady ihany no iafarana. [2.415 #4016]
Mivezivezy hoatry ny rano miriorio hoatry ny angidina. [2.415 #3043]
Mivezivezy ohatra ny rano; miriorio ohatra ny angidina. [2.165]
Mivezivezy toa rano, miriorio toa angidina. [2.558 #2521]
Malagasy interpretationNa inona na inona atao, ny hiafarana dia any amin' izay efa faleha araka ny fombany avy ihany. [1.1]
French translationAller de côté et d' autre comme un cours d' eau, rôder comme une libellule. [2.165]
Errer de côté et d' autre comme l' eau, rôder comme une libellule. [2.415 #3043]
La libellule vole çà et là en vain, car elle finira quand même dans le fossé. [2.165]
La libellule voltige à droite et à gauche, mais elle finira par le fossé. [2.974 #220]
Les libellules ont beau errer partout, elles finissent bien par aller dans le fossé. [2.415 #4016]
French interpretationIl faut travailler. [2.415 #3043]
Se disait des marchands qui finissent par revenir dans leur patrie ; se disait aussi de ceux qui, après bien des errements, reviennent dans leur famille. [2.415 #4016]

Proverb 21Mitery omby tsy mirohy ohatra an-dRabemalo : ho fatin' ny daka no farany. [2.653, 2.415]
Mitery omby tsy mirohy ohatra an-dRabemalo, ka ho fatin' ny daka no farany. [2.165]
Mitery omby tsy mirohy toa an-dRabemalo, ka ho fatin' ny daka ihany no farany. [2.558 #2455]
French translationSi vous allez traire une vache qui n' est pas attachée, comme Rabemalo (le timide), vous finirez par être tué d' un coup de pied. [2.165]
Traire une vache sans l' attacher, comme Rahemalo : on finira par être assommé de ses ruades. [2.415 #6311]
French interpretationQui aime le danger y périra. [2.415 #6311]

Proverb 22Mpamosavy novovozin' ny alika : ho azy ihany no farany. [2.558 #2568]
Mpamosavy novovozin' ny amboa : ho azy ihany no farany. [2.415 #163, 2.653]
French translationUn chien aboie contre un sorcier, à la fin il l' aura. [2.415 #163]
French interpretationLe chien mangera le cadavre du sorcier qui n' aura pas de tombeau après sa mort ; le destin le plus fort finit toujours par l' emporter. [2.415 #163]

Proverb 23Mpandova angaha aho no hiandry ny farany? [2.558]

Proverb 24Na hevitra inona na hevitra inona no atao, ho avy ny andro farany. [2.415 #2888]
French translationQuel que soit l' expédient qu' on emploie, le dernier jour viendra. [2.415 #2888]
French interpretationLa mort est certaine. [2.415 #2888]

Proverb 25Ny alahelo toy ny vary an-tsompitra : ahafahana iray fatambary isan' andro, ka ho levona ihany no farany. [2.415 #2639, 2.653]
Ny alahelo toy ny vary an-tsompitra : ahafahana isan' andro, ka levona ihany no farany. [2.558 #2848]
Ny alahelo toy ny vary an-tsompitra: ka ahafahana iray fatambary isan-andro, dia ho levona ihany no farany. [2.165 #1019]
French translationLa tristesse est comme la provision de riz dans le grenier : tous les jours on en enlève une petite mesure, et à la fin il n' en restera plus rien. [2.415 #2639]
Le chagrin est comme le riz dans le grenier: chaque jour il diminue d' une petite mesure, et à la fin il n' en reste plus. [2.165]
French interpretationLe temps est un grand maître. [2.165]
Le temps vient à bout des chagrins. [2.415 #2639]

Proverb 26Ny aloha koa may, ny farany tsofina. [2.415 #6315]
French translationQuand on s' est brûlé une fois, on souffle sur le reste. [2.415 #6315]
French interpretationInstruit par l' expérience. Chat échaudé, craint l' eau froide. [2.415 #6315]

Proverb 27Ny hazo tapahina manam-pototra; ny hazo vakina misy ilany; ny teny atao misy farany. [2.165 #563]
French translationUn arbre coupé a des racines; un morceaux de bois fendu a un côté; les paroles que l' on dit ont une fin. [2.165]

Proverb 28Ny omby jamba, ny tevan-dalina, ny mpandroaka adala, ka any an-kady no farany. [2.558 #3191]

Proverb 29Raha maniry ihany ny hazo, ho tonga any an-danitra no farany. [2.653, 2.165]
Raha maniry ihany ny hazo tonga any an-danitra. [1.1]
Raha mitohy ihany ny hazo, ho tonga any an-danitra no farany. [2.165]
Raha mitohy ihany ny hazo, tonga any an-danitra. [1.1]
Malagasy interpretationEntina mampiomana fa misy fetrany toy ny hazo maniry ny fanambinana, ny fahasoavana. [1.1]
Misy fetra ny fanirin' ny hazo; voafetra koa ny fanambinana fa tsy mitohy hatrany ka tokony hanararaotra ny soa izay sendra sao manenina. [1.1]
French translationSi l' arbre ne s' arrêtait pas de croître, il finirait par toucher le ciel. [2.165 #960]

Proverb 30Raha mpivady tsy mifandefitra, fandravana harena no farany. [2.558 #3631]

Proverb 31Raha tsy azoko anio ialahy ry ambolo bitaka, ry ambolo matavy, azoko rahampitso [2.470]
Zozoro miantaha rano, ka sangasanga no farany. [2.165 #1700, 2.415 #2127]
Zozoro miantaha rano, ka sangasanga no sisa. [2.558]
Zozoro miantaha rano : sangasanga no farany. [2.653 #3790]
French translationDes joncs qui ne profitent pas de l' eau, le panache seul sera utilisable (ou: restera). [2.165 #1700]
Joncs qui ne profitent pas de l' eau : il n' en restera que le panache. [2.415 #2127]

Proverb 32Sira be lanin’ andrana : fatiantoka ny farany. [1.147 #S37]

Proverb 33Tahaka ilay nihinana aviavy, ka ny farany no andrasana. [2.558 #3971]
Tahaka ilay nihinana aviavy: ny farany no andrasana. [2.165 #1146, 2.653 #2955]
French translationPareil à celui qui a mangé des figues: on attend la fin. [2.165]
French interpretationIl paraît que les figues dont il s' agit sont d' abord amères, puis produisent une saveur douce quand elles sont avalées. [2.165]

Proverb 34Toy ny rambon' omby, ka na hipelika aiza, na hipelika aiza, mbola ao an-traingovazana ihany. [2.165]
Toy ny rambon' omby, ka na hipelika aiza, na hipelika aiza, tsy miala, fa eo amin' ny traingo vazany ihany no farany. [2.415 #1136]
Toy ny rambon’ omby: na hipelika aiza, tsy hiala, fa ho an-traingovazana ihany no farany. [2.653]
Toy ny rambon' omby : na hipelika atsy na hipelika aroa, dia tsy aiza tsy akory fa eo an-traingovazana ihany. [2.558 #4343]
French translationC' est comme la queue du boeuf : elle a beau se balancer çà et là, elle ne s' en va pas et s' arrête au jarret. [2.415]
Comme la queue d' un bœuf: qu' elle s' agite à droite ou à gauche, elle retombe toujours sur ses jarrets. [2.165]
French interpretationCe proverbe se disait aux parents qui voulaient se tenir à l'écart. [2.415 #1136]

Proverb 35Tolañolo matin' añina, ñy farany matin-tsiotsiotra; foñofoño koa be ka mañahy aho. [2.165]
Malagasy interpretationNy matoa matin-drivotra; ny farany matin-tso-drivotra: rehefa be ny fonofono (fono faty) dia matahotra aho. + Añina : rivotra,- tsiotsiotra : rivotra malemy. [2.165]

Index