Entry menaka
Part of speech noun
Malagasy definition Tsiranorano matevintevina nefa malemy, mihanaka eran' ny tsiratsira-nofon' ny olona na biby matavy
¶ Tsiranorano matevintevina avy amin' ny biby na zavamaniry ampiasaina amin' ny fanendasana: Mena-kisoa, mena-boanio [Rajemisa 1985]
English definition fat, oil [Hallanger 1973]
French definition graisse, huile [Hallanger 1974]
Examples 
1misolitika ny menaka ny tongotra aman-tanan' ny ankizy. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 13]
2Nony tsy nisy solitany, labozy gasy, afon-jabora, jiro menaka no nampiasain' ny olona. [Andraina: Mitaraina, page 115]
3Ary ny laolana angalana menaka anaovan'andriana sy ny zanakandriana volo. [Callet: Tantara, page 125]
Quotes 

2012/03/23