Entry hevitra
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Fahazoana an-tsaina zavatra iray, eritreritra, fisaintsainana zavatra: Manjohy ahy foana izany hevitra izany
Zavatra na tetika foronin' ny saina, fieritreretana, fandinihana: Nahita hevitra tsara izay namorona ity milina ity
Saina: Manao azy ho be hevitra ny anao
Fomba fahazoana, fahitana, fitsarana zavatra: Izao no hevitro momba io raharaha io
Fisainana: Tsy misy mahatakatra ny hevitr' Andriamanitra
Fanorotoroana, anatra: Tokony harahinao ny hevitra omeko anao
Mitovy hevitra: torohevitra
Dikany, zavatra tiany holazaina: Lazao ny hevitry ny teny hoe miantsorona
Fomba ampiasaina, tetika: Tsy hitako izay hevitra hialana amin' ity toerana ity
Fikasana: Manankevitra ny handositra izany ianao?
Antony, fotony: Tsy misy heviny ity zavatra nataonao ity
Vidy, vidiny: Inty ny hevitry ny andro niasanao [1.1]
Explanations in English Thought, thinking an idea [1.7]
Explanations in French Pensée, idée [1.3, 1.8]
 Opinion: Izao ny hevitro (Voici mon opinion)
Sentiment: Raha momba ny fivavahana dia tsara hevitra izy (Il a de bons sentiments au sujet de la religion)
Jugement: Tsy misy mahatakatra ny hevin' Andriamanitra (Personne ne peut comprendre les pensées, les jugements de Dieu)
Intelligence: Be hevitra izy (Il a beaucoup d'intelligence)
Conseil: Tokony harahinao ny hevitra nomeny anao (Vous devez suivre le conseil qu'il vous a donné)
Sens: Izao no hevitr' io teny io (Voici le sens de ce mot)
Signification: Lazao ny hevitr' io fanoharana io (Dites la signification de cette parabole)
Projet: Manan-kevitra mba handositra izy (Il a formé le projet de s'enfuir)
Expédient: Nahita hevitra aho hialako amin' ny fahasahiranana (J'ai trouvé un expédient pour sortir d'embarras)
Ruse: Nanao hevitra, nanao an-kevitra izy mba tsy handoa hetra (Il a usé de ruse pour ne pas payer l'impôt)
Motif: Misy heviny ny zavatra rehetra nataon' Andriamanitra na dia izay kely indrindra aza (Ce n'est pas sans motif que Dieu fait même les plus petites choses)
Raison, bon sens: Tsy misy heviny ny teninao (Ce que vous dites est contre la raison, le bon sens) ~ Tsy misy heviny ny nataony (Ce qu'il a fait est contre le bon sens, absurde)
Prix: Ity ny hevitry ny andro niasanao (Voici le prix de vos journées de travail)
Récompense: Mbola ho azonao ny an-kevitry ny asanao (Vous aurez plus tard la récompense de votre travail)
Valeur: An-kevitry ny volanao iny akanjo iny (Cet habit est la valeur de l'argent que je vous doit)
Complément: Ity ny iraimbilanja sisa an-kevitry ny karamanao (Voici le franc qui reste en complément de votre salaire)
Rapport: Ara-kevitry, an-kevitry ny halehiben' ny famarana ny vidin-javatra (Le prix des denrées est en rapport avec la grandeur de la mesure)
Proportion: Ara-kevitry, an-kevitry ny asa vita ny vola azo (L'argent qu'on gagne est en proportion du travail qu'on fait) [1.3]
Examples 
1Aiza no ananako hevitra amin' izany! [2.4]
2Ataontsika izay hevitra rehetra mety. [2.470]
3Manan-kevitra lalina izy (Il a des pensées profondes) [1.3]
4Rekitra ao an-tsainy izany hevitra izany (Cette idée est fixée dans son esprit) [1.3]
Vocabulary 
Morphology 
Simple : hevitra, hevitro, hevitrao, heviny, hevitsika, hevitray, hevitrareo, hevitr', hevi-, hevitry
Prefixed : -kevitra, -kevitro, -kevitrao, -keviny, -kevitsika, -kevitray, -kevitrareo, -kevitr', -kevi-, -kevitry
Derivatives 
Compound words 
Proverbs 

Updated on 2023/03/25