Entry borizano
Part of speech noun
Malagasy definition [frantsay bourgeois] anarana niantsoana taloha ny olona sivilina tsy miaramila
¶ ankehitriny, ny mpitondra posy sy filanjana ary ny mpitaona entana no lazaina amin' io teny io [Rajemisa 1985]
 tany am-bolahohany, ny nataon' ny Malagasy hoe borozano dia ny lehlahy rehetra tsy miaramila
¶ taoriana dia ny mpilanjy, ny mpitondra entana, ny mpitarika sarety na posiposy no natao izany [Ravelojaona 1937]
English definition civilians, the common people, those not employed in military service
¶ sometimes used for the carriers of goods from the coast to the capital [Richardson 1885]
French definition les civils
¶ on donne aussi ce nom aux porteurs de paquets ou de filanjana [Abinal 1888]
 tireurs de pousse-pousse [Rajaonarimanana 1995]
Other spellings 
Compound words, titles, names 
Examples 
1Reny fa mbola hadalain'ny kilonga amin'ny andrana sy fitarihana azy am-posy ilay borizanolahy nanatitra azy [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 54]
2Maika dia maika ny nisarahanay sy ireo borozano nilanja ahy ka tsy afaka nanontany azy ireo ny marina aho, sady tsy niserana tao an-tsaiko velively akory koa ny hanontany izany. [Andriamalala: Zazavavindrano]
Quotes 

Updated on 2020/07/31