Proverbs : lela

Proverb129 Akoholahy mitelin-koto : raha mahay mitelina dia tohan' aina , raha tsy mahay dia singotry ny lela . [Veyrières 1913 #3537]
Akoholahy mitelin-koto : raha mahay mitelina , dia tohan' aina ; raha tsy mahay mitelina , dia singotry ny lela . [Houlder 1895]
Akoholahy nitelin-koto , ka ny natao hanin-kahavoky no tonga singotry ny aina . [Veyrières 1913 #3537]
Akoholahy nitelin-koto : mahay mitelina , tohan' ny aina , tsy mahay , singotry ny lela . [Rinara 1974]
Akoholahy nitelin-koto : raha mahay mitelina , dia tohan’ ny aina ; raha tsy mahay, dia singotry ny lela. [Cousins 1871 #66]
French translation Coq qui a mangé de l' étoupe, ce qu'il a pris pour lui servir de nourriture devient sa perte. [Veyrières 1913 #3537]
Coq qui avale de l' étoupe : s' il parvient à l' avaler, c' est une nourriture ; s' il n'y parvient pas, sa langue s' y prend et il en crève. [Veyrières 1913 #3537]
Un coq avalant de l' étoupe: s' il peut l' avaler, elle le nourrira; mais s' il ne peut l' avaler, elle lui embarrassera la langue. [Houlder 1895]
French interpretation Se disait de ceux qui portent la parole et qui s' y embarrassent. [Veyrières 1913 #3537]

Proverb850 Aza atao toy ny angady , ka ny lelany mitomboka tany , sasana amin' ny rano , fa ny zarany tsy mikasi-potaka , hosorana menaka . [Rinara 1974 #418]

Proverb1080 Aza manao lela -menarana ka feno ny ratsy rehetra. [Rinara 1974 #542]
Aza manao lela menarana ka feno ny ratsy samy hafa. [Houlder 1895 #571]
Manao lela menarana , ka vaky samihafa . [Veyrières 1913 #4871, Cousins 1871 #1548]
French translation Avoir une langue de vipère : elle est fourchue. [Veyrières 1913 #4871]
N' ayez pas une langue de serpent pleine de toute sorte de mal. [Houlder 1895 #571]
French interpretation Se disait des mauvaises langues disant blanc à l'un et noir à l'autre, et semant la discorde. [Veyrières 1913 #4871]

Proverb1081 Aza manao lelan' omby : sady hitsabaka am-bava no hitsabaka an' orona . [Veyrières 1913 #4978, Cousins 1871 #479]
Aza manao lelan' omby : sady hitsabaka ny am-bava no hitsabaka ny an' orona . [Rinara 1974 #543]
French translation Ne faites pas comme la langue du boeuf : elle plonge et dans la bouche et dans le nez. [Veyrières 1913 #4978]
French interpretation Se disait des gens qui jouent double jeu ou sont des deux partis à la fois. [Veyrières 1913 #4978]

Proverb1151 Aza manao tantanan-droa lela. [Nicol 1935 #76, Houlder 1895]
Aza manao tantanan-droa lela , ka mahay atsy, mahay aroa. [Rinara 1974 #585]
French translation Ne pas imiter le pic à double face ; pointu des deux côtés. [Nicol 1935 #76]
Ne soyez pas comme un marteau à deux têtes. [Houlder 1895]

Proverb1346 Aza mialoha lelany ohatra ny angady . [Rinara 1974 #732]
Aza mialoha lelany , toy ny fangady . [Cousins 1871 #601, Nicol 1935 #197]
French translation Ne marchez pas la langue la première, comme la bêche. [Nicol 1935 #197]

Proverb1480 Aza mivadibadika toy ny lela may . [Houlder 1895 #533, Veyrières 1913 #5330]
Mivadibadika ohatra ny lela may . [Rinara 1974]
French translation Ne tournez pas à tout vent, comme la langue qui se tourne et se retourne sans cesse lorsqu' elle se brûle. [Veyrières 1913 #5330]
Ne vous retournez pas de tous les côtés comme une langue qui s' est brûlée. [Houlder 1895]

Proverb1791 Didian’ ny antsy no misy romoromo, fa ny didian’ ny vava tsy mba misy romoromo. [Cousins 1871 #840]
Didian' ny antsy no misy romoromo , fa ny didian' ny vava tsy misy romoromo . [Rinara 1974 #985]
Ny didian' ny antsy mbola misy romborombo , fa ny didian' ny lela tsy mba misy romborombo . [Veyrières 1913 #3285]
Ny didian' ny antsy mbola misy romoromo , fa ny didian' ny lela tsy mba misy romoromo . [Veyrières 1913 #3285]
French translation Ce que le couteau a coupé offre toujours quelques aspérités mais ce que la langue tranche et coupe n'en offre pas. [Veyrières 1913 #3285]
French interpretation Une chose dont on convient est arrêtée et conclue. [Veyrières 1913 #3285]

Proverb1803 Didio ihany fa aza ny lelany no adidy fa ny vohony . [Rinara 1974 #993]
Didio ihany, ka aza ny lelany no adidy , fa ny vohony . [Houlder 1895 #1093]
Didio ihany, ka aza ny lelany no adidy , fa ny vohony no adidio . [Cousins 1871]
French translation Coupez seulement, mais pas avec le tranchant (de la lame), mais avec le dos. [Houlder 1895]
French interpretation Punissez-moi, mais pas trop rudement. Ne me tuez pas. [Houlder 1895]

Proverb2069 Fatra-pitia rafozana , ka ny lela no atao jono . [Veyrières 1913 #1444]
French translation Ils cherchent à plaire avec excès à leurs beaux-parents : ils font de leur langue un appât. [Veyrières 1913 #1444]
French interpretation Ils ne voient pas que tôt ou tard cela leur jouera un mauvais tour ; le proverbe tire sa comparaison de la pêche des poissons. [Veyrières 1913 #1444]

Proverb2101 Fy ny toho , fy ny amalona fa ny lelako tsy ataoko jono . [Houlder 1895 #1147, Cousins 1871 #975, Rinara 1974, Rajemisa 1985]
Fy ny toho , fy ny amalona , fa ny lela tsy ataoko jono . [Veyrières 1913 #2181]
Fy ny toho , fy ny amalona , fa ny lela tsy azo atao jono . [Veyrières 1913 #2181]
Na fy aza ny amalona , ny lelako tsy ataoko jono . [Rajemisa 1985 #57]
Na mamy aza ny amalona , ny lelako tsy ataoko jono ? [Rinara 1974 #2725]
Na tiako aza hianao, ny lelako tsy hataoko jono . [Veyrières 1913 #1111]
Malagasy interpretation Enti-milaza fahamalinana: na toy inona na toy inona hasoan' ny zavatra iray, tsy tokony hatakalo an' io na oviana ny aina. [Rajemisa 1985 #57]
French translation J' ai beau vous aimer, je ne sacrifierai pas ma langue à servir d' appât pour vous. [Veyrières 1913 #1111]
Les poissons nommés toho sont bons, les anguilles sont délicieuses, cependant la langue n' est pas un appât qu' on puisse sacrifier pour les prendre. [Veyrières 1913 #2181]
Le "toho" est excellent, l' anguille est délicieuse, mais je n' employerai quand même pas ma langue comme appât (pour les prendre). [Houlder 1895]
French interpretation Il y a une limite à tout, même aux sacrifices à faire pour les parents ; comparaison tirée de la pêche des poissons. [Veyrières 1913 #1111]
Les richesses sont agréables mais il ne faut pas sacrifier sa vie pour les obtenir. [Veyrières 1913 #2181]

Proverb2565 Ingahy banga nihinana atodiakoho : ny filemodemoky ny vavany leoko ihany, fa ny fifalihavanjan' ny lelany no tsy tantiko. [Rinara 1974 #1437]
Ingahy banga nihinana atodiakoho : ny filemodemoky ny vavany leoko ihany, fa ny fifalihavanjan' ny lelany no tsy tohako. [Veyrières 1913 #1816, Cousins 1871]
French translation Vieillard édenté qui mange des oeufs : quand sa bouche se serre, je peux encore me tenir de rire ; mais quand sa langue frétille, je ne peux plus. [Veyrières 1913]
French interpretation Se disait, en manière de plaisanterie, des vieux qui n' ont plus de dents. [Veyrières 1913 #1816]

Proverb2806 Ka manao sajoa roe lela . [Poirot & Santio: Vezo]
Manao sajoa roe lela : mampilitse ro mampiboake . [Poirot & Santio: Vezo]
French translation Faire comme un cruche à deux becs : faire entrer puis faire sortir. [Poirot & Santio: Vezo]
Ne soyez pas comme une cruche à deux têtes. [Poirot & Santio: Vezo]
French interpretation Bien parler avec quelqu'un, puis dire du mal dans son dos. [Poirot & Santio: Vezo]

Proverb3157 Lelan’ omby, ka miraoka ahitra ho any ny trafony . [Cousins 1871 #1364]
Lelan' omby : miraoka ahitra ho an' ny trafony . [Rinara 1974 #1785]
Lel' omby, ka miraoka ahitra ho an' ny trafony . [Houlder 1895]
French translation La langue du bœuf (zébu): c' est pour la bosse quelle broute l' herbe. [Houlder 1895]

Proverb3158 Lelan' omby : mankao am-bava , mahay; mankao an' orona , mahay . [Rajemisa 1985]
Malagasy interpretation Enti-milaza ny olona mahay milaza tsara sy mahay milaza ratsy ny hafa. [Rajemisa 1985]

Proverb3159 Lelan' omby : milelaka ny trafo , mahay; milelaka ny tongotra , mahay ihany koa. [Rinara 1974 #1784]

Proverb3163 Lena an-trano toa lela . [Houlder 1895 #2215]
French translation Être mouillé chez soi comme la langue, qui est toujours humide dans la bouche. [Houlder 1895]

Proverb3182 Lohan' omby notanehina tamin' ny afon- tain' omby , ka mba masaky ny nalain' ny vavany ihany. [Veyrières 1913]
Loha-omby notanehin-taikomby : masaky ny noraofin' ny lelany . [Veyrières 1913]
Loha omby notenehin-taikomby : masaky ny noraofin’ ny lelany . [Rinara 1974 #125, Cousins 1871 #1370]
French translation Tête de boeuf cuite sur un feu de bouse de boeuf : elle cuit avec ce que sa bouche a pris elle-même à terre. [Veyrières 1913]
French interpretation On est puni par où on a péché. [Veyrières 1913 #2704]

Proverb3254 Mahay roa hoatry ny lelan' omby : sady ho ao am-bavany no ho ao an' orony. [Veyrières 1913 #5001]
Mahay roa ohatra ny lelan’ omby, sady ho ao am--bavany no ho ao an-orony . [Cousins 1871]
Mahay roa ohatra ny lelan' omby : sady ho ao am-bava no ho ao an' orona . [Rinara 1974]
French translation Celui qui est double et sait se faufiler dans les deux partis est comme la langue du boeuf qui sert pour la bouche et pour le nez. [Veyrières 1913]

Proverb3396 Mamangy rafozana jamba , ka ny manome lamba tsy hitany, fa ny manome sira kely no ankasitrahany . [Veyrières 1913 #1449]
Mamangy rafozana jamba , ka ny manome lamba tsy hitany fa ny manome sira tsaroan' ny lelany no ankasitrahany . [Rinara 1974 #130]
Mamangy rafozana jamba , ka ny manome lamba tsy hitany, fa ny nanome sira kely no ankasitrahany . [Cousins 1871 #1468]
French translation Visitez votre belle-mère aveugle et donnez-lui un lamba, elle ne le voit pas ; donnez-lui un peu de sel, cela lui est agréable. [Veyrières 1913 #1449]
French interpretation Le tout n'est pas de donner, il faut savoir donner ; autre sens : oublier un grand service et se montrer reconnaissant d'un petit service. [Veyrières 1913 #1449]

Proverb4689 Na dia mamy aza ny trondro , ny lela tsy azo atao hanin-jono . [Veyrières 1913 #6237]
French translation Le poisson trondro a beau être excellent, on ne consentirait pas pour l' attraper, à mettre sa langue au bout de l' hameçon. [Veyrières 1913 #6237]
French interpretation Les richesses sont agréables, mais il faut être prévoyant et ne pas leur sacrifier l'honneur ou la vie. [Veyrières 1913 #6237]

Proverb4886 Ny alain' ny vavany maningotra ny tenany , ary ny alain' ny lelany maningotra ny lohany . [Cousins 1871 #2142, Rinara 1974]

Proverb5615 Ny tratrany anivon’ ny sandriny ; ary ny lelany anivon’ ny nifiny. [Veyrières 1913 #1689, Cousins 1871]
Ny tratrany anivon' ny sandriny ary ny tendany anivon' ny lelany . [Rinara 1974 #3324]
French translation La poitrine est entre les bras, et la langue au milieu des dents. [Veyrières 1913 #1689]
French interpretation Le sens est qu' on a besoin de protection. [Veyrières 1913 #1689]

Proverb5996 Rafozana jamba , ka aleony sira ren' ny lelany toy izay lamba tsara . [Rinara 1974 #3540]
Rafozana jamba : ny manatitra lamba tsy hitany, fa ny manatitra sira no isaotsaorany . [Rajemisa 1985]
Malagasy interpretation Enti-milaza ny olona mahatsiaro ny soa kely fa tsy mahatsiaro ny soa lehibe atao azy. [Rajemisa 1985]

Proverb6004 Raha ambaka samy lela , avelao hikipaka . [Houlder 1895 #344, Rinara 1974 #3548, Cousins 1871 #2635]
French translation Si c' est une lutte avec la langue (c. à. d. en paroles), qu' elle soit écorchée (plutôt que de s' avouer vaincu). [Houlder 1895]
French interpretation Montre combien les gens tiennent au dernier mot. [Houlder 1895]

Proverb6152 Raha tany misy hotsaka , dia misy sahona ; ary raha tany misy loha , dia misy lela ; ary raha tany misy lela , dia misy havitra . [Houlder 1895]
Raha tany misy hotsaka , dia misy sahona ; ary raha tany misy loha , dia misy lela ; ary raha tany misy lela , dia misy hevitra . [Veyrières 1913 #307]
Raha tany misy hotsaka , dia misy sahona ; ary raha tany misy loha , dia misy lela ; ary raha tany misy olona , dia misy havitra . [Houlder 1895]
French translation Si dans un pays il y a des mares, il y a des grenouilles ; s' il y a des têtes, il y a des langues ; et s' il y a des langues, il y a des pensées. [Veyrières 1913 #307]
Si un pays contient des mares, il y a des grenouilles; et si un pays contient des têtes, il y a des langues; et si un pays contient des langues (ou: des gens), il s' y trouve des idées. [Houlder 1895]

Proverb6331 Reniny va no vakivaky nono sa ny zanany no maraorao lela ? [Houlder 1895 #1892, Veyrières 1913 #997, Cousins 1871 #2788]
Reniny ve no vakivaky nono , sa ny zanany no maraorao lela ? [Rinara 1974 #3751]
French translation Est-ce la vache qui a toujours eu des crevasses aux pis, ou est-ce le veau qui a la langue rugueuse, (et a ainsi causé les crevasses)? [Houlder 1895]
Est-ce sa mère qui a les mamelles gercées, ou bien l' enfant qui a la langue rugueuse? [Veyrières 1913 #997]
French interpretation A Madagascar on laisse les veaux téter leurs mères. [Houlder 1895]
Se disait des enfants qui étaient ingrats envers leurs parents. [Veyrières 1913 #997]

Proverb6582 Singam-bolo : am-bava singotry ny lela , voatelina singotry ny tsinay . [Rinara 1974 #3891]

Proverb6760 Tain' omby nahandroana ny lelany , ka masaky ny firaokan' ny vavany . [Rinara 1974 #3996]
Tain’ omby nandrahoana ny lelany , ka masaky ny finaokan’ ny vavany . [Cousins 1871 #2976]
Tain' omby nandrahoana ny lelany , ka masaky ny firaokan' ny vavany . [Veyrières 1913]
French translation Langue de boeuf qu' on fait cuire avec un feu de bouse : ce qu' a pris sa bouche, sert à la faire cuire. [Veyrières 1913]
French interpretation Se disait des gens pris par leurs propres paroles. [Veyrières 1913 #6250]

Proverb6876 Tanora nolatsain-kavana ka ny angady no atao lava lela . [Rinara 1974 #4061]

Proverb6972 Te-hilaza ka tsy mahay; te-hiteny ka bada lela . [Houlder 1895 #1658, Cousins 1871 #3058]
French translation Vouloir dire, et ne pas savoir; vouloir parler, et avoir la langue embarrassée. [Houlder 1895]

Proverb7607 Tsy mba ny rambony hanamavo aho, fa ny lelany hanamandina ny trafony . [Rinara 1974 #4559]
Tsy mba ny rambony hanamavo ny vodiny aho, fa ny lelany hanamandina ny trafony . [Houlder 1895]
French translation Je ne suis pas la queue qui salit le postérieur (du bœuf), mais la langue qui lisse la bosse. [Houlder 1895]
French interpretation Et une belle bosse fait connaître un bon bœuf. [Houlder 1895]

Proverb7838 Tsy ny rambo izay mikapoka hanavazina ny tena , fa ny lela izay milelaka hanamandina ny trafo . [Cousins 1871 #3568]
Tsy ny rambo mikapoka hanavazina ny tena , fa ny lela izay milelaka ny trafo . [Rinara 1974 #308]

Proverb8203 Vilian-Jafimamy : sady tongony no lelany . [Rinara 1974 #4951]
Vilian-Jafimamy : tongony dia lelany . [Cousins 1871 #3678, Houlder 1895]
French translation Les plats des Zafimamy: le dessous (litt. le pied) peut servir de dessus. [Houlder 1895]
French interpretation Ils sont, pour ainsi dire, réversibles, les deux côtés offrant une concavité. Se dit de ce qui sert à deux fins. [Houlder 1895]

Proverb8315 Volo vaky : lelany aby. [Samson 1965 #V92]

Index