Index

Proverbs : miohatra

Proverb 1Adala izay mandany miohatra noho ny miditra. [2.415]
French translationInsensés ceux dont les dépenses dépassent les recettes. [2.415 #2340]

Proverb 2Andro ahamaizan' ny trano mitondra afo am-bilany kely, fa nony ampitso manao fanilo miohatra ny loha. [2.558]
Andro hamaizan' ny trano dia manao afo am-bilany kely, fa rahampitso manao afo am-borodamba. [2.165 #724]
Andro hamaizan-trano mitondra afo am-bilany kely; fa nony afaka eo, manao fanilo main’ andro. [2.415 #5324, 2.653 #217]
French translationLe jour de l' incendie de la maison on porte du feu dans une petite marmite ; ce jour passé, on porte des torches en plein soleil. [2.415]
Le jour où votre maison brûle vous portez du feu dans une petite marmite, mais le lendemain vous le portez dans un chiffon. [2.165]
French interpretationLe danser écarté, on oublie vite et on recommence à faire des imprudences. [2.415 #5324]
Les allumettes étaient autrefois inconnues à Madagascar. On allait chercher du feu chez le voisin - des braises - que l'on transportait dans une marmite ou un tesson, ou seulement dans un chiffon; ce manque de précautions pouvait causer l'incendie de la case au toit de chaume. [2.165]

Proverb 3Anio milelaka ny lefona, ka no rahampitso dia hiohatra ny mandà. [2.558]

Proverb 4Aretina tsy miohatra ny boka, biby tsy miohatra ny mamba. [2.415]
French translationPas de maladie pire que la lèpre, ni d'animal pire que le caïman. [2.415 #1944]
French interpretationSe disait des choses excessives, comme les malheurs. [2.415]

Proverb 5Atao vikin’ alina : aleo miohatra toy izay ho latsaka. [2.653, 2.974]
Ataovy vikin' alina, ka aleo miohatra toy izay ho latsaka. [2.165]
Vikin' alina ka aleo miohatra toy izay latsaka. [2.558]
French translationFaire comme celui qui saute de nuit un jossé : mieux vaut un saut trop long que trop court. [2.974 #214]
Faites comme lorsqu' on saute (un fossé) de nuit; il vaut mieux sauter trop loin que pas assez et tomber (dans le fossé). [2.165]

Proverb 6Aza manao sangy miohatra ny loha; na voso-jary tenany. [2.653]
Aza manao sangy miohatra ny loha; na vosotra dia zary tenany. [2.653]
Aza manao sangy miohatra ny loha, na vosotra zary tenany. [2.165]
Aza manao sangy zary tenany na vosotra zary tena izy. [2.558 #43]
French translationNe soyez pas inconvenant dans vos badinages, et ne dites pas des injures sous prétexte de plaisanteries. [2.165]

Proverb 7Aza manao saonjo miohatra akondro; aza manao sakeli-mihoa-joro. [2.653]
Aza manao saonjo miohatra akondro, na sakeli-mihoa-joro. [2.558]
Tsy anaovana saonjo miohatra akondro, tsy anaovana sakeli-mihoa-joro. [2.415]
French translationOn ne fait pas avec lui comme le songe comestible qui veut dépasser le bananier ou comme le rejeton qui veut dépasser l' arbre qui le produit. [2.415 #261]
French interpretationParoles d' Andrianampoinimerina aux chefs du peuple, sur Radama son fils et successeur ; passées en proverbe, elles signifient que les inférieurs ne doivent pas dépasser ni même atteindre les supérieurs. [2.415 #261]

Proverb 8Biby tsy miohatra ny mamba. [2.653, 2.165, 2.415, 2.558]
French translationAucun animal ne surpasse le caïman. [2.165]
Le caïman est le plus fort des animaux, aucun autre ne saurait le vaincre. [2.415 #197]
French interpretationDonc, n' en cherchez pas, ne demandez pas l' impossible. [2.165]
Paroles du roi Andrianampoinimerina passées en proverbe, pour signifier la force ou la puissance du souverain ou de toute autre personne. [2.415 #197]

Proverb 9Bonga tsy miohatra an’ Ankaratra. [2.653, 2.415]
Bonga tsy miohatra an' Ankaratra, lohasaha tsy miohatra an' Ilempona. [2.558]
French translationIl n' y a pas de montagne qui dépasse l'Ankaratra. [2.415 #4745]
French interpretationPour dire d'une personne ou d' une chose, quelle est au plus haut degré de perfection : on ne peut rien imaginer de mieux. [2.415 #4745]

Proverb 10Fahavalo tsy miohatra ny mosary. [2.558]

Proverb 11Fanirian-tsahondra, ka ny aloha tsy miohatra, ary ny aoriana manao izay hitoviana. [2.165]
Fanirin-tsahondra: ny aloha tsy miohatra, ny aoriana manao izay hitoviany. [2.653]
French translationLa croissance des fleurs de l' aloès: les premières ne s' élèvent pas trop (litt. ne dépassent pas), et les dernières tâchent de les rattraper. [2.165]

Proverb 12Fotsy tsy miohatra ny bobo, ody fitia tsy miohatra ny vola. [2.558]
Ny fotsy tsy miohatra ny bobo, ary ody fitia tsy miohatra ny vola. [2.165, 2.415]
French translationRien n' est plus blanc que le blanc, et aucun philtre d'amour ne dépasse l' argent. [2.415 #2221]
Rien n' est plus blanc que le blanc pur, et aucun philtre d' amour ne surpasse l' argent. [2.165 #741]

Proverb 13Hasambarana tsy miohatra ny mionona. [2.558]

Proverb 14Miohatra ny tokonana tsy afaka, ka miohatra ny rindrina vao afaka ! [2.165]
French translationVous n' avez pas réussi en passant sur le seuil, et vous réussiriez en passant par-dessus le mur! [2.165]

Proverb 15Na dia noana aza, tsy miohatra ny lovia. [2.653]
Na dia noana aza tsy miohatra ny vilia ! [2.558]

Proverb 16Na manara aza, tsy miohatra ny toko. [2.653]

Proverb 17Ny roatra no miohatra ny vilany fa ny vary akory tsy mankaiza. [2.558]

Proverb 18Ody fitia miohatra ny vola : mosavy. [2.558]

Proverb 19Olon-tiana tsy miohatra ny zanaka. [2.558]

Proverb 20Papango miohatra an' i Lohalambo : aleo tsy miohatra toy izay mihoa-menatra. [2.653, 2.415, 2.558]
French translationOiseau de proie qui essaie de passer par-dessus la montagne Lohalambo : mieux vaut ne pas passer que de passer avec honte. [2.415 #6322]
French interpretationSe disait des présomptueux. [2.415 #6322]

Proverb 21Raha fotsy noho ny Vazaha, bobo; ary raha ody fitia miohatra noho ny vola, mosavy. [2.653, 2.415]
Raha fotsy noho ny vazaha : bobo; ny ody fitia miohatra ny vola : mosavy. [2.558]
French translationUn homme plus blanc qu' un Européen, c' est un albinos ; un philtre ou talisman d' amour qui est plus fort que l' argent, c' est un sortilège. [2.415 #16]
French interpretationLe sens général est un sens d'excès. [2.415]

Proverb 22Raha mamatra miohatra ny feno, raraka; raha mihinana miohatra ny voky manevika; raha mamindro miohatra ny toko, may; raha mandry miohatra ny farafara, mianjera. [1.1]
Malagasy interpretationTokony hahalala onony amin' izay rehetra atao, fa raha tsy izany, fahavoazana no mety ho hita. [1.1]

Proverb 23Ray ka mahanatranatra, reny ka mahadinidinika, fa lainga raha fitia no miohatra an' Idada sy Ineny. [2.558]

Proverb 24Rivotra an-kadilanana : ny avy avy ihany, ny tsy avy misesika ihany koa. [2.558 #3758]
Rivotra an-kadilanana : ny tsy avy avy, ny avy dia miohatra. [2.415]
Toy ny rivotra an-kadilanana : ka manao tsy omby aloha (ny eo aloha tsy lasa ny aoriana misesika ihany. [2.558]
Toy ny rivotra an-kadilanana: ny avy avy, ary ny tsy avy misesika ihany. [2.165 #2273]
Toy ny rivotra an-kadilanana: ny tsy avy avy, ny avy miohatra. [2.653]
Toy ny rivotra an-kadilanana : ny tsy avy avy, ny avy miohatra ihany. [2.558]
Toy ny rivotra an-kadilanana: ny tsy avy avy, ny sisa manaraka ihany. [2.653]
French translationComme le vent dans un étroit passage: ce qui vient, vient, et ce qui reste suit aussi. [2.165]
Vent dans un passage qui n' est pas abrité : ce qui ne souffle pas encore soufflera, et ce qui souffle passera par-dessus. [2.415 #2744]
French interpretationIl y aura toujours du vent dans ce passage ; de même on ne peut pas éviter les vicissitudes de la vie. [2.415 #2744]
Un malheur ne vient jamais seul. [2.165]

Proverb 25Sakely mihoa-joro ary saonjo miohatra akondro. [2.558]

Proverb 26Sangy miohatra ny loha, tsy mba an' olon-tiana. [2.558]

Proverb 27Saonjo miohatra akondro. [2.415]
French translationGouet qui cherche à dépasser le bananier. [2.415 #1164]
French interpretationSe disait d' un cadet ou d'un inférieur dépassant l'ainé ou le supérieur. [2.415 #1164]

Proverb 28Tany mena miohatra, ka tsy takona afenina. [2.165, 2.415]
Tanimena miohatra: tsy takona afenina. [2.653, 2.558]
French translationDe la terre rouge qui domine (le pays d' alentour) ne peut pas être cachée. [2.165]
Terre rouge et à cheval sur un sommet : on ne peut pas la cacher, elle se voit de loin. [2.415 #2978]
French interpretationOn ne peut pas cacher le bien ou le mal qu' on fait. [2.415 #2978]
Une grande partie du sol des hauts plateaux de Madagascar est formé de latérite rouge. [2.165]

Proverb 29Toy ny ratsy natao, ka dia miohatra ny tanteraka. [2.415]
French translationC' est comme le mal qu' on a fait, cela dépasse ce qu' on croyait. [2.415 #6256]
French interpretationSe méfier des conséquences des mauvaises actions. [2.415 #6256]

Proverb 30Tsy misy loza miohatra ny faty. [2.558]
Tsy misy loza miohatra noho ny faty. [2.653, 2.415]
French translationIl n' y a pas de plus grand malheur que la mort. [2.415 #2928]

Proverb 31Vatsy tsy miohatra ny marina, soa tsy miohatra ny vola. [2.558]

Index