Index

Proverbs : laoka

Proverb Aza marary be vezovezo fa ny laoka tsy misy. [Rinara 1974 #701, Cousins 1871 #590]

Proverb Aza misaosao fa loha valala no laoka. [Rinara 1974 #790]
Aza misaosao, fa tango lena no laoka. [Veyrières 1913 #2423]
French translation Ne vous prélassez pas dans du linge empesé, car en rentrant chez vous, vous trouverez comme nourriture des ailes et des pattes de sauterelles à enlever. [Veyrières 1913 #2423]
French interpretation Se disait de ceux qui dépensent beaucoup pour la toilette et n' ont pas ce qui est nécessaire à la vie. [Veyrières 1913 #2423]

Proverb Aza mitabataba tonga rafozana : akoho iray no hovonoina ka telo lahy no asaina mindram-pamaky. [Rinara 1974]
Aza mitabataba tonga rafozana : akoho iray no vonoina, ka fito lahy no mitsangana. [Veyrières 1913 #1439, Cousins 1871 #645]
Aza mitabataba tonga rafozana : atodi-akoho no laoka, ka antsy solanga no zahana. [Rinara 1974 #783]
Aza mitabataba tonga rafozana : atodiakoho no laoka, ka famaky no tadiavina. [Veyrières 1913 #1440, Cousins 1871 #644]
Mitabataba tonga rafozana, akoho iray no vonoina, ka dimy no mamono. [Rajemisa 1985]
Malagasy interpretation Mihetsiketsika be, nefa tsy hita izay vita, lasan-ko vavany. [Rajemisa 1985]
French translation Ne faites pas tant de bruit comme une bru qui reçoit la visite de sa belle-mère : il y a des oeufs pour manger avec le riz, et elle demande une hache pour les casser. [Veyrières 1913]
Ne mettez pas tout sens dessus dessous comme un gendre qui reçoit la visite des beaux-parents : sept hommes se lèvent pour tuer une poule. [Veyrières 1913 #1439]
French interpretation Ce proverbe disait l' empressement des gendres à recevoir les beaux-parents ; il se disait aussi des gens parlant haut et troublant tout. [Veyrières 1913 #1439]
Se disait des gens qui parlaient haut et voulaient dominer. [Veyrières 1913 #1440]

Proverb Dedaka tonga rafozana : ka famaky no indramina ary sikina no henjanina, nefa akoho no ho laoka. [Rinara 1974]

Proverb Fidiny ve ka ho tranon' amalona (rano) no laoka. [Rinara 1974 #1163]

Proverb Izay very tandroho, very laoka. [Rinara 1974 #1527]

Proverb Lany maina ohatra ny sakafon--dRandrahona. [Rinara 1974]
Lany maina toy ny laokan-Radrahona. [Veyrières 1913 #3925, Cousins 1871 #1330]
French translation Mangé sans être accompagné de riz comme les mets de Radrahona. [Veyrières 1913 #3925]
French interpretation Se disait des gloutons qui sont trop pressés de manger. [Veyrières 1913 #3925]

Proverb Rafotsibe lany laoka aho, ka mitsahatra amy ny be efa lany. [Cousins 1871 #2601]
Rafotsibe lany laoka aho, ka mitsahatra amin' ny be efa lany. [Veyrières 1913 #1892]
Rafotsibe lany laoka, ka mitsahatra amin' ny be efa lany. [Rinara 1974 #3498]
French translation Je suis une pauvre vieille qui a dépensé ses provisions de bouche : je m' arrête à ce que j' ai dépensé, cela me suffit. [Veyrières 1913 #1892]

Proverb Raha izy no mahandro patsa, tsy maninon-tsy maninona; fa raha izahay no mba mitono toho, ovany ho mandany laoka. [Cousins 1871 #2664]
Raha izy no mahandro patsa, tsy maninon-tsy maninona, fa raha izahay no mitono toho, dia ovany ho mandany laoka. [Rinara 1974 #3585]
Raha izy no mahandro patsa, tsy maninon-tsy maninona ; raha izahay no mba mitono toho, ovany ho mandany laoka. [Veyrières 1913 #4565]
French translation Quand c'est lui qui fait cuire des chevrettes il n'y a rien à dire, mais quand c' est nous qui faisons griller des poissons toho c' est bien différent et il dit que nous gaspillons les met. [Veyrières 1913 #4565]
French interpretation C' est un égoiste, qui trouve bien ce qu' il fait, et mal ce que font les autres. [Veyrières 1913 #4565]

Proverb Raha kamboty tsara laoka, ary malahelo ary fady, dia mba isan' ny mpanan-karena ihany. [Veyrières 1913 #1039, Cousins 1871]
Raha kamboty tsara laoka, ka malahelo àry fady, dia isan' ny mpanana ihany. [Rinara 1974 #3589]
French translation Orphelin qui trouve une bonne nourriture, et malheureux qui ne manque de rien : c' est comme s' ils étaient riches. [Veyrières 1913 #1039]
French interpretation Ce proverbe se disait des bonnes aubaines. [Veyrières 1913 #1039]

Proverb Tanora ratsy fihary: antitra vao maka kitay. [Rajemisa 1985]
Tanora, ratsy fihary: antitra, vao ratsy laoka. [Veyrières 1913 #1862, Cousins 1871 #3020]
Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka. [Houlder 1895 #1919, Rinara 1974 #4062, Rajemisa 1985]
Malagasy interpretation Enti-milaza fa izay manao an-tsirambina amin' ny fitadiavana raha tanora dia hahantra sahirana raha antitra. [Rajemisa 1985]
Izay tsy manao ny hahatsara fivelomana azy ra ha mbola tanora, rehefa antitra vao mijaly na sahirana. [Rajemisa 1985]
Tokony hitsinjo ny ho avy; izay tsy mba mihevitra ny hanangona fony tanora, hahantra tsy mba hanana ny metimety rehefa antitra. [Rajemisa 1985]
French translation Celui qui ne sait pas amasser dans sa jeunesse est réduit à se contenter d' une mauvaise nourriture lorsqu' il est atteint par la vieillesse. [Veyrières 1913 #1862]
Ne guère amasser pendant sa jeunesse, et n' avoir guère à manger dans sa vieillesse. [Houlder 1895]
Un jeune qui ne sait pas épargner, finira dans sa vieillesse par se contenter d’aliments détestables. [Nicol 1935 #110]
French interpretation Se disait des jeunes gens paresseux et prodigues. [Veyrières 1913 #1862]

Proverb Tonga ranaotra, tsy misy laoka ; lasa ranaotra, vonoiny ny omby. [Veyrières 1913 #1165]
Tonga ranaotra, tsy misy ny laoka; lasa ranaotra, vonoiny ny omby. [Cousins 1871 #3128]
Tonga Ranaotra tsy misy ny laoka, lasa Ranaotra vonoy ny vositra. [Rinara 1974 #4185]
Tonga Ranaotra vao lany ny laoka. [Houlder 1895 #955]
French translation Quand arrive le beau-frère il n' y a pas de mets à lui servir, et quand il est parti on tue un boeuf. [Veyrières 1913]
Quand le beau-frère (ou la belle-sœur) arriva, on venait de finir la viande. [Houlder 1895]
French interpretation Phrase servant à s' excuser auprès de ses parents de ne pouvoir leur offrir un meilleur repas. Ils sont arrivés trop tard! [Houlder 1895]

Proverb Tsy misy na inona na inona ohatra ny laoka sirahazo. [Rinara 1974]

Index