Index

Proverbs : mangataka

Proverb 1Androngo mangataka, ka ny mody no ady. [2.558 #242]
Androngo nangataka ka ny mody no adiny. [1.1 #23]
Androngo nangataka : ny mody no adiny. [2.415 #703, 2.653 #224]
French translationLézard qui est allé chasser : le difficile c' est de rentrer chez lui. [2.415 #703]
French interpretationSe disait des concussionnaires, mais aussi du sens propre, de ceux qui revenaient après une chasse. [2.415 #703]

Proverb 2Aza atao tompony mangataka atiny. [2.415 #278, 2.653 #367]
Aza atao tompony mangataka ny atiny. [2.558 #417]
Aza manao tompony mangataka atiny. [2.165 #2248]
Tompony mangataka atiny. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza olona tsy manam-pahefana intsony na kely aza amin' ny zavatra efa namidiny – olona iharan' ny tsy rariny amin' ny fananany ka izy tompony indray no mihafihafy mangataka amin' ireo mpandroba na mpifetsifetsy. [1.1]
French translationNe faites pas comme le propriétaire (du bœuf) qui demande qu' on veuille bien lui donner le foie. [2.165]
Ne traitez pas le souverain comme un boucher qui serait obligé de demander le foie pour lui ; ne le traitez pas comme un maître qui n' administre pas ses biens. [2.415 #278]
French interpretationIl n' a pas besoin de le demander, c' est son droit. [2.165]
Paroles par lesquelles le roi Andrianampoinimerina recommandait aux chefs et aux conseillers, son fils Radama ; on les disait en général de tout maître qui n'avait pas la disposition de ses biens ou qui était trop débonnaire. [2.415 #278]

Proverb 3Be loha mangataka ka mandra-pitsidika, lany ny hanina. [2.558 #870]
Be loha nangataka: mandra-pitsidika lany ny hanina. [2.653 #751]

Proverb 4Be loha nangataka : nambohoiny tankambohony nitodika, lany ny an-dam' ana. [1.147 #B5]

Proverb 5Jamba mividy hena : miady varotra ny hohanina fa tsy mangataka ny hatao jiro. [2.558]

Proverb 6Kibo noana tsy mangataka andro. [2.558 #111]

Proverb 7Lehibe nangataka : ny miloa-bava mora ihany, fa ny mamerin-tanana tsy mahazo no henatra. [2.653]
Lehibe no mangataka : ny miloa-bava mora ihany fa ny mamerin-tanana no tsy toha. [2.558]

Proverb 8Malahelo, ka nony maraina fivoaka toy ny hangataka, ary raha hariva fivoaka, heverin' ny sasany hisakan-dalana. [2.558]
Malahelo mivoaka maraina : ataon' ny olona hangalatra ; mivoaka hariva : ataon' ny olona hisakana. [2.165 #1454, 2.415 #2518]
French translationLe pauvre qui sort le matin, on dit qu' il va voler ; il sort le soir, on dit qu' il va détrousser les gens. [2.415 #2518]
Quand un pauvre sort le matin, les gens disent qu' il va voler; et s' il sort le soir, on pense que c' est pour détrousser quelqu' un. [2.165]

Proverb 9Mangataka arahaba toa zaza-hova. [2.165 #1579, 2.653 #1614]
French translationImplorer une salutation, comme un "enfant-Hova" . [2.165]
French interpretationC' était un homme déchu de son titre d' homme libre, étant esclave pour dettes. [2.165]

Proverb 10Mangataka, mahazo ; nony angatahana, tsy azahoana. [2.415]
Mangata-mahazo ; angatahan-tsy ahazoana. [2.415]
French translationQuand il demande, il obtient ; quand on lui demande, à lui, on n' obtient pas. [2.415 #5387]
French interpretationC' est un égoïste. [2.415 #5387]

Proverb 11Mividy mahazo, mangataka omena, ka nony anontaniana hitokija! [2.558 #2522]
Mividy mahazo, mangataka omena : ka nony ierana hitokija. [2.415 #6513, 2.653 #1920]
French translationQuand vous achetez, vous recevez ; quand vous demandez, on vous donne ; mais quand il s'agit d' un avis, vous trouvez bouche close. [2.415 #6513]
French interpretationUn avis est plus difficile à donner. [2.415 #6513]

Proverb 12Nangataka hianao nomeko, nividy nanaovako mora, ka no nitsirika ny ao am-bilany indray, ka inona kosa no mba ho an' ny zanako? [2.558]
Nangataka nomeko, nividy hianao nanaovako mora, ka nitsirika ny ao am-bilany indray, ka inona kosa no mba ho any ny zanako ? [2.653 #2082]
Nangataka, nomeko ; nividy ihanao, nanaovako mora ; ka nitsirika ny ao am-bilany indray, ka inona kosa no mba ho an' ny zanako ? [2.415 #4542]
French translationQuand vous avez demandé je vous ai donné, quand vous avez acheté je vous ai vendu à bon compte, et voici que vous regardez encore ce qu' il y a dans la marmite ; alors que restera-t-il pour mes enfants ? [2.415 #4542]
French interpretationRéponse aux gens trop exigeants. [2.415 #4542]

Proverb 13Ny mangala-mahafaty ; fa ny mangata-mahavelona. [2.165 #1066, 2.653 #2325]
Ny mangalatra mahafaty, ny mangataka mahavelona. [2.558 #3112]
French translationVoler fait mourir, mais mendier fait vivre. [2.165]
French interpretationProverbe souvent cité par les mendiants pour s' excuser ou se justifier. [2.165]

Proverb 14Ny mangataka am-bava leo ihany, fa ny mangata-maso no tsy tanty. [2.165 #2240, 2.415 #5124, 2.653]
Ny mangataka am-bava leo ihany, fa ny mangata-maso no tsy toha. [2.558 #3113]
French translationDemander en paroles n' est pas terrible, mais mendier (approbation ou compliments) du regard (et ne rien obtenir!) est insupportable. [2.165 #2240]
On peut résister à celui qui demande en paroles ; on ne résiste pas à celui qui demande avec les yeux. [2.415 #5124]
French interpretationSe disait de la passion. [2.415 #5124]

Proverb 15Ny tompom-pasana indray no atao an-iritra. [2.415 #2231, 2.558 #3310, 2.653 #2510]
Tsy mety raha ny tompom-pasana indray no atao aniritra, na ny tompony no atao mangataka ny atiny. [2.558 #4665]
Tsy mety raha ny tompom-pasana indray no hatao aniritra. [2.415 #3879, 2.653 #3479]
French translationIl ne convient pas que le maître du tombeau soit mis dans une tombe provisoire. [2.415 #3879]
Voilà que le maître du tombeau est placé dans une tombe provisoire. [2.415 #2231]
French interpretationLe maître doit jouir de son bien. [2.415 #3879]
Se disait de celui qui n'a pas l'usage de son bien. [2.415 #2231]

Proverb 16Raha haka ny an' ny olona mivelatra ohatra ny tafoben-trano, fa nony hanefa, mihorona toy ny tapenaka. [2.558]
Raha haka ny an' olona, mivelatra hoatry ny tafoben-trano, ka nony handoa, mihorona hoatry ny tapekana. [2.415 #4447]
Raha haka ny an’ olona, mivelatra ohatra ny tafoben-trano, ka nony handoa, mihorona ohatra ny tapenaka. [2.653]
Raha hangataka, mivelatra ohatra ny tafontrano; raha hangatahina, mihorona ohatra ny tapenaka. [1.1]
Malagasy interpretationEntiamilaza ny olona tia tena: rehefa hangataka aminao izy, miseho ho toy ny olona tsara, malala-tanana; rehefa hangatahanao zavatra kosa izy, tsy hahitanao mangirana. [1.1]
French translationQuand on emprunte, on s' ouvre comme la grande couverture du toit, et quand il s' agit de rembourser, on se rétrécit comme le pignon. [2.415 #4447]
French interpretationFacile pour emprunter, difficile pour rembourser. [2.415 #4447]

Proverb 17Raha manan-karen-drahavavy tsy tia: raha miditra, ataony hangataka; raha mivoaka, ataony hangalatra. [2.653 #2686]

Proverb 18Raha te-hihinam-boasary hianao, mankanesa any amin-dRainibako any Namehana; fa ny mangataka, omeny malazo ; ny mividy, ivarotany ny manta ; izy tom-pony homana ny masaka. [2.415 #5407, 2.653 #2715]
Raha te-hihinam-boasary hianao, mankanesa any amin-dRainibako eny Namehana, fa ny mpangataka omeny malazo, ny mividy ivarotany ny manta, fa izy tompony homana ny masaka. [2.558 #3661]
French translationSi vous voulez manger des oranges allez chez Rainibako à Namehana : à ceux qui demandent, il donne des oranges passées ; à ceux qui achètent, il donne des oranges vertes ; et lui le propriétaire, il mange des oranges mûres. [2.415 #5407]
French interpretationPrendre pour soi ce qu'il y a de meilleur. [2.415 #5407]

Proverb 19Teren-doza, sa enjehin' antambo, no zanaky ny mpanan-karena ka mangataka ? [2.415 #2562, 2.653 #3083]
French translationEst-on pressé par un malheur ou poursuivi par quelque calamité pour mendier, alors qu' on est enfant de riche? [2.415 #2562]

Index