Index

Proverbs : toetra

Proverb Amboadia mitafy hodi-janak' ondry : ny tenany no takona, fa ny toetrany tsy miova. [Rinara 1974 #160]

Proverb Endrika itoviana fa toetra samy hafa. [Rinara 1974 #1034]

Proverb Jiri-dahy nahazo fanganga ka toetra itoviana no azo. [Rinara 1974 #1568]

Proverb Mandoka ny ratsy, manao toetr’ eso ; manaratsy ny tsara, manao volohala. [Cousins 1871 #1591]

Proverb Mandrebireby ny taona hoatry ny tsaramaso mamoa ririnina. [Veyrières 1913 #3127]
Mizaha mandrebireby ny taona, ohatra ny tsaramaso mamoa ririnina. [Cousins 1871]
Mizaha toetra (mandrebireby) ny taona tahaka ny tsaramaso mamoa ririnina. [Rinara 1974 #3]
Mizaha toetra ny taona hoatry ny tsaramaso mamoa ririnina. [Veyrières 1913 #3127]
Mizaha toetra ny taona, ohatra ny tsaramaso mamoa ririnina. [Cousins 1871]
French translation Tenter ou troubler la saison comme les haricots qui donnent des fruits en hiver. [Veyrières 1913 #3127]
French interpretation Se disait des choses arrivant hors de saison. [Veyrières 1913 #3127]

Proverb Ny anarana no itoviana, fa ny toetra no tsy sahala. [Rinara 1974 #2872]

Proverb Ny tarehy no tsy azo ovana, fa ny toetra mora ovana. [Rinara 1974 #3269]
Ny tarehy ratsy no tsy azo ovana, fa ny fanahy ratsy azo ovana. [Veyrières 1913 #3053, Rajemisa 1985]
Ny tarehy ratsy no tsy azo ovana, fa raha ny fanahy mora foana. [Veyrières 1913 #3053]
Malagasy interpretation Enti-milaza fa ny bika aman' endrika dia sarotra ovana satria efa izao no nanaovan' ny Nahary azy, fa ny toetra amam-panahy kosa dia miankina amin' ny sitrapon' ny tena ny mahatsara na maharatsy azy. [Rajemisa 1985]
French translation Une vilaine figure ne peut pas être changée mais une mauvaise conduite peut facilement être changée. [Veyrières 1913 #3053]
French interpretation On peut corriger sa conduite. [Veyrières 1913 #3053]

Proverb Ny toetra masonkarena, ny fahazarana sari-monina. [Rinara 1974 #3301]

Proverb Ny zaza fito tsy mahafehy trano: fa ny fanahy fito no mahafehy trano. [Veyrières 1913 #1397, Cousins 1871]
Ny zaza fito tsy mahafehy trano, fa ny fanahy soa no mahafehy trano. [Rinara 1974 #3378]
Zaza fito tsy mahafehy trano, fanahy fito no mahafehy trano. [Rajemisa 1985]
Zaza fito tsy mahafehy trano, ny toetra soa mahari-monina. [Rinara 1974]
Malagasy interpretation Tsy ny hamaroan' ny zanaka akory no mety hahasakana ny mpivady tsy hisaraka fa ny toetra soa maro sy ny hatsarampanahy ananany. [Rajemisa 1985]
French translation Sept enfants ne suffisent pas à fermer la porte de la maison et à rendre stable le foyer des époux ; il faut encore sept qualités d' esprit et de caractère. [Veyrières 1913 #1397]
French interpretation Les enfants eux-mêmes ne suffisent pas à empêcher le divorce. [Veyrières 1913 #1397]

Proverb Ondrilahy tsara toetra : sady be mangy no lava hofaka; ka manatrika, matin’ ny manginy; miamboho, matin’ ny hofany. [Veyrières 1913 #2234, Rinara 1974 #3455, Cousins 1871 #2581]
French translation Bélier de belle apparence : il a la nuque charnue et la queue longue et grosse ; s' il regarde en face on le tue à cause de la grosseur de sa nuque ; et s' il se retourne on le tue à cause de sa queue. [Veyrières 1913 #2234]
French interpretation Se disait des gens victimes de leur prospérité et de leurs biens. [Veyrières 1913 #2234]

Proverb Sompitra tsy misy vary, ka sady manety trano no mampihambo toetra ny tompony. [Rinara 1974 #3943]
Sompitra tsy misy vary : sady manety trano no mampihambo toetra ny tompony. [Veyrières 1913 #6039, Cousins 1871 #2933]
French translation Immense corbeille à riz, vide : non seulement elle encombre la case, mais elle laisse supposer que son maître veut paraître ce qu' il n' est pas. [Veyrières 1913 #6039]
French interpretation Double embarras. [Veyrières 1913 #6039]

Proverb Vady ka mifankahita tenda (toetra). [Rinara 1974 #312]
Vady mifankahita tenda. [Houlder 1895 #1787, Veyrières 1913 #1352, Cousins 1871 #3591]
French translation Des époux n' ont pas de secrets l' un pour l' autre. Litt. se voient la gorge l' un à l' autre. [Houlder 1895]
Les époux se laissent voir l' un à l' autre le fond de la gorge et n' ont pas de secrets l' un pour l' autre. [Veyrières 1913 #1352]
Les époux se voient jusqu’au fond de la gorge. [Nicol 1935 #134]
French interpretation Se disait des personnes s' entendant bien, se disant tout et se comprenant à demi-mot parce quelles se connaissent à fond. [Veyrières 1913 #1352]

Proverb Vady nahita tenda (toetra) ka sarotra hanasana vava. [Rinara 1974 #315]

Proverb Vorondolo toetra ny reniny, ka kary fiaina ny zanany. [Rinara 1974 #5046]

Index