|
|
|
|

Entry1  adaoro
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3 faharoa amin' ny filaharan' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny
4 anaran' ny antokon' ny kintana, izay ataon' ny Arabo hoe Eth-thoür (Taureau).
5 Zana-bintana eo atsimon' ny Alahamady ny Adaoro. Eo no toerana ao an-trano fametrahana ny fandriana.
6 Ny tonon' andro Adaoro dia atao hoe "andro mena" na "andron' afo"; ka ninoana ho fi-may
7 na halam-baratra, ny trano aorina amin' ny tonon' andro Adaoro.
8 Ny masoandro dia natao ho Adaoro, satria mandoro ny zavatra rehetra izy.
9 Ny trano vao vita, na dia tsy natomboka tamin' ny tonon' andro Adaoro aza, dia tsy maintsy nandalo
10 izany tonon' andro izany ihany teo am-panaovana; ka alohan' ny hidirana voalohany ao dia andrehetana
11 afo miroborobo ao anatiny, sady misy miantsoantso hoe: "May ny trano! May ny trano!"
12 Dia afak' izay, hono, ny herin' ny afo. Ho fanampin' izany anefa dia fadirana tain-kodinato sy
13 vonin-tsongotsongo koa ny trano vao vita, ary isoronana akoholahy mena. Samy mena ireo, ka mandresy ny afo.
14 Ny zaza teraka amin' ny vava-Adaoro dia atahorana ny afo, ka tsy maintsy alana vintana.
15 Toy izao no fanao amin' ny toy izany: misy rano tomboka kely atao amin'ny mololo, na horona,
16 dia entin' ny reniny miditra amin' io trano tomboka io ilay zazakely. Rehefa tafiditra ao izy mianaka
17 dia tsoloana afo amin' izay ilay trano tomboka, ary mitsoaka mamandositra faingana ravehivavy mitondra ny zazakely;
18 dia vitan' ny afo, hono, ilay zaza! Ho fanampin' izany dia ampiambozonina vakana tsileondoza
19 (vakana mena mivolon' afo) koa ilay zazakely ho fanefitry ny afo, hono!
20 Ny zaza teraka amin' ny vodi-Adaoro dia heverina ho tsara vintana. Raha zazalahy izy dia
21 hahay mikabary; ary raha zazavavy dia ho tsara fanahy.
22 Ny vintana Alakarabo no mifandratra amin' ny Adaoro; ary ny mihataka eo amin' ny Adimizana no iarenany. [1.10]
23 
24 
25 
61 
123 
159 
160  [3.1]
161 Anaran' ny volana faharoa amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, manarakaraka ny Alahamady ary alohan' ny Adizaoza, ka ny toerana nomen' ny Ntaolo azy tao an-trano dia eo amin' ny lafin-drindrina atsinanana, ilany avaratra, ka eo no fametrahana ny fandriana. Ny tononandro Adaoro dia atao hoe andro mena na andron' afo ka natahorana amin' ny afo ary halam-baratra ny trano aorina amin' ny Adaoro
162 Fanandroana: Ny zaza teraka vava adaoro dia atahorana afo ka alana vintana; ny teraka vody adaoro, tsara fa hidaoro (hidoboka) tsara: mahay mitondra ny tenany, mahay miteny; raha lehilahy dia mpikabary; raha vehivavy, mahay mitondra tena [1.1]
Explanations in English  163 The name of the second month of the Malagasy year. [Ar. Atz-tzauru - Taurus.] [1.2]
Explanations in French  164 La seconde lune et le second mois de l'année malgache [1.3]
Examples  165  Ary tamy ny andro Alakamisy 1 adaoro, 26 May 1892. [2.59]
Vocabulary  166  Time 167  Beliefs
Hyperonym 
Co-hyponyms 
Tables and plates  243  Measure of Time

Updated on 2025/11/20