|
|
|
|

Entry (1/2)1  alahasaty
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3 
4 laharana fahadimy amin' ny volana malagasy izany. Zana-bintana trotroin' ny Asorotany izy; ary eo
5 am-pitotoam-bary (atsinananan' ny andry atsimo) no anjara toerany. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny
6 antokon' ny kintana ataon' ny Arabo hoe El-asad (Lion, Liona).
7 Andro mainty ny Alahasaty, ary vinta-mpamosavy sy andron' ody; ka ny zaza teraka vava-Alahasaty,
8 indrindra fa raha amin' ny misasakalina, dia atahorana ho tonga mpamosavy mpivoaka alina, na ho mpitana
9 ody mahery. Koa dia tsy maintsy nalàm-bintana ny zaza toy izany. Ny odifoana (karazan' ahitra)
10 no fanalam-paditra ny vintana Alahasaty, mba hahafoana izay ratsy, hahafoana izay tsy soa!
11 Ny mosavinkena koa no faditra Alahasaty, mba ho lasan' iny ny mosavy rehetra!
12 Ary rehefa afa-paditra ny zaza dia ampiambozonina volakizo (masombola tsy tapaka) sy vakamainty,
13 atao hoe tsiambohitrinimanana sy maizinkitro, ary dia asaina miompy akoho mainty.
14 Tsy mba fanaovan-javatra ny vava-Alahasaty, afa-tsy ny fanandratana ody ihany; koanefa ny vodi-Alahasaty
15 dia tsara ho fanantaran-javatra sy fampakarambady, fa vintan' ny maintimolaly io.
16 Ny vintana Alahasaty dia mifandratra amin' ny Adalo, fa miarina kosa eo amin' ny Adijady. [1.10]
17 
18 
19 
20 
51 
113 
144 
145  [3.1]
146 volana aogositra (volana faha-5) [Taimoro] [1.78]
147 Anaran' ny volana fahadimy amin' ny volana malagasy merina, aorian' ny Asorotany ary alohan' ny Asombola, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia amin' ny lafin-drindrina atsimo, ilany atsinanana
148 Fanandroana: Vinta-mpamosavy ny Alahasaty; vavany: raha tsy mpamosavy ny teraka misasakalina dia mpitana ody mahery; vodiny: tsara kosa, tratra antitra, ho maintimolaly [1.1]
Explanations in English  149 the name of the fifth month of the Malagasy year. [Al. Al-asadu - Leo major.] [1.2]
Explanations in French  150 nom d'un destin [1.3#20]
Examples  151  Ny Adalo, ny alahasaty no mifandratra aminy. [2.857]
152  Tamy ny andro Alarobia 16 alahasaty 4 Janoary 1882. [2.59#89]
Vocabulary  153  Time 154  Beliefs
Hyperonym 
Co-hyponyms 
Proverbs  230  Proverbs containing that word
Tables and plates  231  Measure of Time

Entry (2/2)232  alahasaty
Part of speech  233  noun
Analogs  234  sikidy
Text  235 [CR][CR] [CR] [CR] [CR][CR]

Updated on 2025/11/13