|
|
|
|

Entry (1/3)1  adijady
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3 laharana fahafolo amin' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy amin' ny anaran' ny antokon-kintana izay ataon' ny Arabo hoe El-djadi (Chevreau). Ny Adijady dia reni-vintana mitrotro ny Adalo sy mibaby ny Alakaosy. Eo anjorom-baravarankely (avaratra-andrefana) no filaharany. Ny zaza teraka amin' ny vava-Adijady, hono, dia jadijadina, izany hoe, sady vitsy teny no jinijinina; nefa kosa izay teraka amin' ny vontony sy ny vodiny dia heverina ho tsara vintana ihany. Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadona tokoa; ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin' izany. Io no tonon' andro tsara ho fampidiram-pananana, na andevo hovidiana, na biby hopiana, na vary hatao an-davaka, na vola hotehirizina an-kitapo. Io koa no tonom-bintana fangalana vohitra sy fanorenan-trano. Ny Adijady koa no heverina ho andro tsara hampakaram-bady, fa savihin' ny andro mafy ka tsy ho afaka hisara-belona: "Lamban' akoho" ny fanambadiana atao Adijady, "ka faty no isarahana." Ny Asorotany no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adijady, fa samy henjana ireo, ka tsy mahay miaraka; koa dia ny mitanila eo amin' ny Alahatsy sy ny Adizaoza no iarenany sy iandrianany. Ny ranon' erika dia atao ho Adijady, fa mahamerika andro ny Adijady, ka be vaky siny ny mpantsaka, misy mirodona ny tokotany. Miantomboka mitomany ny tompon' ireo, ary mitohy amin' ny Adalo be ranomaso izany.. [1.10]
4 . [3.1]
5 Anaran' ny volana fahafolo amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Alakaosy ary alohan' ny Adalo, ka ny toerana nomen' ny Ntaolo azy ao antrano dia eo amin' ny zorony avaratra andrefana (zorom-baravarankely). Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadina mafy, ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin' io.
6 Fanandroana: vavany: alam-bintana fandrao dia mijadina loatra ka tsy miteny; vontony: tsara ihany; vodiny: tsara ihany. [1.1]
Explanations in English  7 The name of the tenth month in the Malagasy year. [Ar. Al-dschadiu - Capricorns.]. [1.2]
Explanations in French  8 Nom de la dixième lune et du dixième mois de l'année malgache. [1.3]
Examples  9  ny adijady amin' ny andrefana-avaratra, an-jorom-barava-ran-kely. [2.296#]
10  fa nony Asabotsy 28 Janoary, 11 adijady dia namely mafy ny rivotra; [2.59]
Vocabulary  11  Time 12  Beliefs
Hyperonym 
Co-hyponyms 
Proverbs  88  Proverbs containing that word
Tables and plates  89  Measure of Time

Entry (2/3)90  adijady
Part of speech  91  noun
Explanations in Malagasy  92 zana-pehintany 23°27'30" atsimon'ny fehibe. [1.13]
Explanations in French  93 tropique du Capricorne. [1.13]
Vocabulary  94  Geography: (in general)
Analogs  95  asorotany, 96  zanapehintany
Illustrations 

Entry (3/3)97  adijady
Part of speech  98  noun
Explanations in Malagasy  99 latsa, fanalikalikana, ompa. [Taimoro] [1.78]

Anagrams  100 adijady, 101 adijidà

Updated on 2025/11/11