|
|
|
|

Entry1  Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy
Elementary words  2 firaketana, 3 fiteny, 4 zavatra, 5 malagasy
Part of speech  6  name (book title) [Full list]
Explanations in Malagasy  7 Fitadidy momba ny "Firaketana" 1937-1963.
8 
9 Tamin' ny volana Zanvie 1937 no niseho ny antakelaka voalohany amin' ny boky "Firaketana".
10 Ireo mpiadidy ny gazetim-boky "Fiainana" -- izay mbola mitohy miseho hatramin' izao ary nivoaka
11 voalohany kosa tamin' ny taona 1928 -- ireo no nifarimbona, nampian' ny namana maro
12 eran' ny Nosy ary araka ny hevitrasy toro-lalana nitarihan' Itompokolahy Ravelojaona azy;
13 antakelaka niseho isam-bolana no niandohan' ny Firaketana ary dia mbola izany no endrika
14 tanany hatramin' izao. Ireto no anaran' ireo mpiadidy ny fanoratana tary am-piandohana tary
15 (ny efa nodimandry dia tsarovana amim-panajana sy fankasitrahana) :
16 H. Rabeony,
17 J. Ratsima,
18 H. Randzavola,
19 Ravelojaona,
20 J. Ramambasoa,
21 F. Ratrema,
22 G. Andriamanantena,
23 F. Rajaobelina,
24 Joseph Rakotovao (mpitandrina),
25 Rabevazaha,
26 F. Gabriel Rajonah,
27 Rahajason (mpampianatra).
28 
29 Ny tena tonian' ny fanoratana hatrany am-boalohany dia Itompokolahy Ravelojaona (1937-1956)
30 sy Andriamatoa F. Gabriel Rajonah (1937 ka mbola mitohy hatramin' izao).
31 Ny ray aman-dreny teo anatrehan' ny fanjakana:
32 1937-1939: Prof. E. Kruger
33 1939-1942: Pasteur Ch. Bonzon
34 1943-1953: It. H. Randzavola, mpitandrina
35 1953-1956: It. Ravelojaona, mpitandrina
36 1956 ka mbola mitohy hatramin' izao: Atoa F. Gabriel Rajonah, professeur.
37 Ny Mpiandraikitra. -- Ny fikarakarana ny famoahana ny boky amin' ny lafiny samy hafa
38 (amin' ny ara-bola sy amin' ny fampielezana azy, ets.) dia It. Ravelojaona koa no nitana izany toerana izany hatrany
39 am-piandohana ka hatramin' ny fodiany mandry (1937-1956).
40 Nanomboka hatramin' ny 1956 dia ny zazany Atoa Rambelosoa, ampian' izy mivady dia Atoa Samuel Andrianjafintrimo
41 sy Rtoa Razafindravao, no nandimby an-drainy. [1.10#K.404]
Explanations in French  42 vaste dictionnaire encyclopédique des mots et des choses malgaches, qui commence à paraître
43 sous sa [Ravelojaona] direction en 1937 [1.11]
Vocabulary  44  Literature: books
Author  45 Rajonah Gabriel
46 Randzavola Henri
47 Ravelojaona
Publishings  48  Imprimerie Industrielle. 1937. Height: 23cm. Width: 15cm. Pages: 4256.

Updated on 2025/11/13