Index

Proverbs : resy

Proverb 1Adin' ombalahin' ny mpianakavy: ny mahery tsy hobena, ny resy tsy akoraina. [1.1 #437]
Adin' ombalahin' ny mpianakavy: ny mahery tsy hobina, ny resy tsy akoraina. [1.1 #437]
Adin' ombalahin' ny mpianakavy, ny resy tsy akoraina, ny mahery tsy hobena. [1.1 #780]
Adin' ombilahin’ ny mpianakavy : ny mahery tsy hobena, ny resy, tsy akoraina. [2.653 #17]
Malagasy interpretationRaha misy olona roa na antokon' olona roa tonta samy tiana mifaninana, izay mandresy aminy tsy tokony hoderaina mihoapampana, ary toraka izany koa, izay resy aminy tsy tokony hoesoina izaitsizy. [1.1 #437]
Raha mpihavana no miady eny amin' ny fitsarana, noho ny fitsimbinana ny fihavanana, dia tsy akoraina izay resy ary tsy hobena izay maharesy. [1.1 #780]

Proverb 2Aleo maty reniomby mahia, toy izay resy tohika. [2.558 #129]
Aleo maty reniomby toy izay ho resy tohika. [1.1]
Aleo maty reniomby, toy izay resy tohika. [2.415 #6338, 2.653 #101]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny olona be didoha tafaohatra ka aleony iharam-patiantoka bevava toy izay ho resy lahatra. [1.1]
French translationIl vaut mieux perdre une vache que de céder quand on s' est entêté. [2.165]
L' obstiné est semblable à celui qui aime mieux perdre sa vache plutôt que céder. [2.415 #6338]

Proverb 3Angady mondro sy reniakoho: izay mananda no resy. [2.558, 1.1]
Angady mondro sy reniakoho, ka izay mananda no resy. [2.415 #4362]
Toy ny angady mondro sy ny reniakoho, ka izay mananda no resy. [2.165 #1197]
Toy ny angady mondro sy reniakoho : izay mananda no resy. [2.653 #3181]
Toy ny angadimondro sy reniakoho, ka izay mananda no resy. [2.558 #4260]
Malagasy interpretationEnti-milaza zavatra roa mitovitovy vidy; ka raha ampifanakalizana dia resy izay manampy zavatra hafa. [1.1]
Izany hoe zavatra roa mitovy vidy izy roa ireo ka raha misy olona roa mifanakalo azy ireo, izay mbola manome sandany, na fanampiny, an' ilay iray hafa dia azo heverina ho resy, namaty antoka. [1.1]
Zavatra roa mitovy ka tsy tokony hisy hihevi-tena ho voa na mahavoa izay mahazo ny anankiray aminy. [1.1]
French translationComme une bêche usée et une poule (qu' on échange), celui qui donne quelque chose en plus y perd. [2.165]
Quand une vieille poule est échangée avec une bêche usée, c' est celui qui ajoute un supplément qui perd à l' échange. [2.415 #4362]
French interpretationCe proverbe signifiait : de même valeur. [2.415 #4362]
Parce que les deux choses sont considérées comme ayant exactement la même valeur. [2.165]

Proverb 4Aza atao fiantontana raha resy ny havana. [2.558]
Aza atao filana raha tsy mahita, na fiantontana raha resy ny havanao. [2.415 #806, 2.165]
Aza atao filana raha tsy mahita ny havana. [2.558]
French translationN' allez pas demander à vos parents quand vous n' avez rien trouvé ailleurs, et n' ayez pas recours à eux quand vous êtes battu. [2.165]
N' attendez pas de n' avoir rien trouvé ailleurs pour demander à vos parents, n' attendez pas d' être vaincu pour recourir à eux. [2.415 #806]

Proverb 5Aza atao resy momba mahery. [2.558 #34]
Aza atao resy momba ny mahery. [2.165 #351, 2.415 #619]
French translationNe dites pas : c' est un vaincu qui suit son vainqueur. [2.415 #619]
Que les forts auxquels je me suis attaché ne me laissent pas être battu. [2.165]
French interpretationSe disait des mauvais traitements infligés par les chefs. [2.415 #619]

Proverb 6Aza mihomehy resy. [2.415 #2698]
French translationNe vous moquez pas de celui qui subit une défaite. [2.415 #2698]
French interpretationCar votre tour pourra venir. [2.415 #2698]

Proverb 7Efa resy, ka mbola minaonaona ihany : izay hitany dia ilazany avokoa. [2.415 #3337]
French translationIl a perdu son procès et cependant il ne fait que clabauder et en entretenir tous ceux qu' il rencontre. [2.415 #3337]
French interpretationBattu et pas content. [2.415 #3337]

Proverb 8Izay tia, resy ; izay manina, adala. [2.415]
Ny tia, resy ; ny manim-boafady. [2.558 #3298, 2.415, 1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny fandeferana lehibe ananan' ny efa tia, ka tsy sahy mamalivaly na manohitra firy. [1.1]
French translationAimer, c' est être vaincu ; regretter, c' est être fou ou déshonoré. [2.415 #5094]

Proverb 9Mizara hana amin' olo-maditra: ka aleo resy kely toy izay maintimainty. [2.165]
Mizara hena amin' ny olo-maditra, ka aleo resiny kely toy izay maintimainty. [2.558 #2532]
Mizara hena amin' olo-maditra : ka aleo resy toy izay maintimainty. [2.415 #6366]
French translationPartage de viande avec les têtus : mieux vaut une petite part propre, qu' une grande part sale. [2.415 #6366]
Partager de la viande avec des gens têtus; il vaut mieux en avoir un peu moins que sa part, plutôt que de l' avoir toute sale. [2.165]
French interpretationDans la dispute la viande est salie. [2.415 #6366]
Parce que s' il y a dispute, la viande tombera dans la poussière. [2.165]

Proverb 10Ny mahery, torotoro ; ny resy, montsamontsana. [2.415 #3360]
French translationLe vainqueur est écrasé ; le vaincu est brisé. [2.415 #3360]
French interpretationSe disait des procès où celui qui gagne a dû faire beaucoup de dépenses pour réussir, et celui qui perd, outre les dépenses qu' il a dû faire, perd le bien en litige. [2.415 #3360]

Proverb 11Ny manantena no tsy resy am-bolony. [2.558 #3105]

Proverb 12Ny maty no resy, fa ny velona manao tondra-dro. [2.165 #2119, 2.415 #1680, 2.653, 2.558]
French translationLes morts sont (comme) des vaincus, mais les vivants font de grands festins. Il faut jouir de la vie. [2.165 #2119]
Les morts sont des vaincus, mais les vivants mangent du riz inondé de jus. [2.415 #1680]
French interpretationIl faut profiter de la vie. [2.415 #1680]

Proverb 13Ombilahy miady amin-dreniomby : mandresy tsy mahazo akora, raha resy afa-baraka. [2.558 #3412]

Proverb 14Resy andriana narahina. [2.415 #822]
Resy andriana ombana. [2.415 #822]
French translationCelui qui a perdu son soutien est comme l' homme dont le souverain est vaincu. [2.415 #822]

Proverb 15Resy tondro maso. [2.415 #824]
French translationIl a perdu le soutien vers lequel il levait les yeux. [2.415 #824]
French interpretationSe disait de la perte d'un protecteur. [2.415 #824]

Proverb 16Sakalava miankandrefana : tsy resy fa manina ny tany nahabe. [2.558 #3797]

Proverb 17Tsy atakalo, tsy amidy resy, toa zana-drazana. [2.558 #4480]
Tsy atakalo, tsy amidy resy, toy ny andevon-drazana. [2.165 #1556, 2.415 #594, 2.653 #3338]
French translationC'est comme les esclaves de la famille : on ne les change pas, on ne les vend pas. [2.415 #594]
Qu' on ne veut ni échanger ni vendre à perte, comme un esclave hérité. [2.165]
French interpretationIl faut garder précieusement ce que les ancêtres ont laissé, et aussi amasser en vue de l' avenir. [2.415 #594]
Un esclave né et élevé dans la famille était beaucoup plus apprécié qu' un esclave acheté. [2.165]

Proverb 18Tsy miady, sahala ; ka hiady, hisy resy. [2.165 #323, 2.415 #3377]
Tsy miady sahala, ka no hiady hisy resy. [2.558 #4691]
French translationSi nous ne luttons pas, nous sommes égaux ; mais si nous luttons, il y aura vainqueur et vaincu. [2.415 #3377]
Tant que nous ne luttons pas (ou n' avons pas de procès), nous sommes égaux; mais si nous luttons, l' un sera battu. [2.165]

Index