Index

Proverbs : atahorana

Proverb Bibilava sy olombelona : matahotra, atahorana. [Veyrières 1913 #5687]
Bibilava sy olombelona : samy tsiravina ihany. [Veyrières 1913 #5687]
Bibilava sy olona, ka samy matahotra ihany. [Veyrières 1913 #5687]
Bibilava sy olona : samy tsiravina ihany. [Cousins 1871]
French translation Un serpent et un homme : ils ont peur et se font peur réciproquement. [Veyrières 1913 #5687]
French interpretation Se disait de deux craintifs. [Veyrières 1913 #5687]

Proverb Dakan' ilay vendrana : ny fola-pe tsy ahina fa ny mangaro-maso no atahorana. [Rinara 1974 #970]

Proverb Lanjan’ amboa : atahorana ny vavany hanaikitra, atahorana ny vodiny handoto. [Samson 1965 #L29]

Proverb Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahorana. [Rajemisa 1985 #57, Cousins 1871 #2119, Nicol 1935 #55]
French translation Si l’on n'abuse pas de l’ignorance des faibles, c’est qu’on a la crainte de Dieu. [Nicol 1935 #55]

Proverb Ny toko no tsy atao maranitra, ny vilany no atahorana ho vaky. [Rinara 1974 #3307, Cousins 1871 #2508]

Proverb Ny trosa toy ny rambondanitra : kely atahorana hipaoka ny lamba, lehibe ahina handrodana ny trano. [Rinara 1974]

Proverb Salohin-dRamatahoboina : hitao anambo atahorana hahafaty olona; hatao an-joro ahina hahavoa olona. [Samson 1965 #S14]

Proverb Sasa lamba malemy be tseroka : atontona mafy, atahoran-ko rovitra; atontona malemy, atahorana tsy hadio. [Cousins 1871]
Sasa-lamba malemy be tseroka : atontona mafy atahoran-ko rovitra, atontona malemy, atahoran-tsy hadio. [Rinara 1974]

Index